Ny nagnosorana menaka magnitra ny tongotr’i Jesoa
12
Enina andro tsy hiavin’ny Paka,
dia tonga taigny Betania Jesoa;
takao i Lazarosy,
ilay natsangany tamin’ny maty,
no nipetraka.
2 Dia nantsovin’ôlona hihinan-kanina i Jesoa;
i Marta no namahan-kanina;
ary agnisan’ireo nentotra nihinana niaraka tamin’i Jesoa takeo i Lazarosy.
3 Dia nialaka menaka magnitra,
vita avy amin’ny narda,
amin’ilay tegna lafo be,
antsasa-litatra i Maria;
nohosorany tamin’io menaka magnitra io ny tongotr’i Jesoa;
avy takeo dia nofafany tamin’ny volon-dôhany ny tongony.
Ary magnitra be tandragno takao.
4 Dia hozy Jodasy Iskariota,
iraika tamin’ny mpianany,
ilay hamadika Ananjy:
5 Magnino no tsy namidy denaria telonjato io menaka io,
dia norasaina tamin’ôlona mahantra ny vola?
6 Tsy hoe fagnahoany ny mahantra no nitaravany an’izany satria izy mpangalatra;
izy koa no mpitambola ka nialaka an’izay vola taminanjy takao.
7 Dia hozy Jesoa taminanjy:
Avelao izy!
Mikarakara mialoha Anahy ho amin’ny andro handevegnana Anahy izy.
8 Hijanona aminareo akeo foagna ny ôlona mahantra fa Izaho kosa tsy hijanona akeo foagna.
Nisy ôlona nitady hamono an’i Lazarosy
9 Ary ny ankamaroan’ny Jiosy dia nahafantatra fa tonga takao Betania i Jesoa.
Tonga takeo ny ôlona mbô hijery an’i Lazarosy,
ilay natsangany tamin’ny maty,
fa tsy hoe avy amin’i Jesoa foagnany.
10 Nitady hamono an’i Lazarosy koa mbôka ny sefon’ny mpisorogna,
11 satria avy aminanjy no antony nialan’ny ankamaroan’ôlona tamin’ny Jiosy ary ninoanjareo an’i Jesoa.
Ny niakaran’i Jesoa taigny Jerosalema
12 Kiakan’igny,
rehefa regnin’ny ôlona dahôlo tonga hamonjy ny fetin’ny Paka,
fa ho avy aigny Jerosalema Jesoa,
13 dia nialaka sampagna rafia zareo ka nandeha nitseza Ananjy sady nagnantso hoe:
“Hosanaa!
Hotahiana anie Ilay tonga amin’ny agnaran’ny Tômpo,
Ilay Mpanjakan’ny Israely” (Sal 118. 26).
14 Ary nahita zanaka borikyb iraika i Jesoa,
dia nitikinany,
araka ny voasoratra hoe:
15 “Ô zanakavavin’ny Ziona!
Aza matahotra avy ianao.
Tazagno edy ma!
Avy akao ny Mpanjakanao;
Mitikina zanaka boriky Izy” (Zak 9. 9).
16 Tsy azon’ny mpianany ognona izany raha dahôlo izany tamin’ny voalohany.
Fa rehefa niditra tamin’ny voninahiny Jesoa,
izay vao tsarôvanjareo fa ny momba Ananjy sy izay raha hiseho Aminanjy no notaravina tamin’ireo teny ireo.
17 Betsaka tamin’ireo ôlona nahita ny nagnantsovan’i Jesoa an’i Lazarosy hivoaka ny fasagna sy ny nananganany ananjy tamin’ny maty no nagnambara an’izay raha dahôlo hitanjareo.
18 Izany koa no antony nitsezanjareo dahôlo Ananjy satria efa regninjareo fa nagnano an’igny raha mahagaga igny Izy.
19 Dia nifampiresaka ny Fariseo nagnano hoe:
Hitanareo izany fa tsy mahavita na ino na ino avy ianareo!
Jerevo fa lasana nagnaraka Ananjy dahôlo ny ôlona.
Zareo Grika te-hahita an’i Jesoa
20 Nisy Grika ny sanagny tamin’ireo ôlona niakatra handeha hankalaza an’Andriamagnitra takao Jerosalema nandritra ny fetin’ny Paka.
21 Dia lasana nankaigny amin’i Filipo,
ilay avy aigny Betsaida aigny Galilia,
zareo ka niangavy ananjy hoe:
Izahay r’Ingahy mbô te-hahita an’i Jesoa.
22 Dia lasana i Filipo nitarea an’izany tamin’i Andrea;
avy takeo dia lasana indray zareo roalahy nitarea an’izany tamin’i Jesoa.
23 Dia hozy Jesoa:
Tonga ny fotoana hagnamezana voninahitra ny Zanak’Ôlona.
24 Taraviko aminareo marina tsara be fa raha tsy milatsaka amin’ny tany ny akotry ka maty,
dia mijanona ho akotry akeo foagnany;
fa raha maty kosany izy dia hamokatra be.
25 Izay tia ny aignany no magnano an’izay hahavery an’izany;
fa izay tsy tia ny aignany atỳ ambonin’ny tany dia hikajy an’izany ho amin’ny fiaignana mandrakizay.
26 Izay ôlona manompo Anahy dia tsy maintsy magnaraka Anahy,
ary izay ipetrahako dia akao koa izy no hipetraka.
Izay ôlona manompo Anahy dia hankasitrahan’i Daday.
Mitarea ny hahafatesany Jesoa
27 Mikorontagna ny fagnahiko amin’izao.
Tsy hitako izay raha hotaravina.
Hitarea ma izany izaho hoe:
Ô Daday,
alao mbô ho afaka amin’izao fotoana izao Izaho?
Kanefa ho amin’izao fotoana izao no nahatongavako.
28 Ô Daday,
aboagno ny voninahitrao!
Dia nisy feo avy tan-dagnitra nagnano hoe:
Efa naboagnako ny voninahitro ary mbôla haboagnako foagna izany.
29 Ary izay ôlona nitsangana takeo ka naharegny an’izany dia nitarea hoe:
Kotroka izany.
Fa hozy ny sanagny hoe:
Misy Anjely mikoragna Aminanjy.
30 Kanefa hozy Jesoa taminjareo:
Tsy avy Aminahy no nihavian’izany feo izany fa avy aminareo.
31 Izao no fotoana hitsarana an’izao tontolo izao;
izao no fotoana handroasana ny andrianan’izao tontolo izao.
32 Rehefa hasondrotra hiala amin’ity tany ity Izaho dia hotaomiko handeha Aminahy ny ôlona dahôlo.
33 Nitarea an’izany Izy mbô hagnambarany ny fahafatesana hihatra Aminanjy.
34 Dia hozy ny ôlona Taminanjy:
Efa regninay ny Lalàna magnano hoe:
Ho velona mandrakizay i Kristy;
ka mangino ianao no mitarea hoe:
Tsy maintsy hasondrotra ny Zanak’Ôlona?
Iza ma izany Zanak’Ôlona izany?
35 Dia hozy Jesoa:
Mbôla akeo aminareo mandritra ny fotoana foika ny mazava.
Mandehana,
dieny mbôla mazava,
mbô tsy tratry ny maizigna ianareo;
fa izay mandeha amin’ny aizigna dia tsy mahay izay tany hombàny.
36 Dieny mbôla akeo aminareo ny mazava dia minoa ananjy,
mbôry izay hanjary zanaky ny mazava ianareo.
Ary rehefa avy nitarea an’izany Jesoa dia lasana,
ary nisitrika anjareo.
Ny tsy finoan’ny ôlona
37 Na dia betsaka aza ny raha mahagaga nataon’i Jesoa tamasonjareo takeo,
dia mbôla tsy ninoanjareo foagna Izy,
38 mbô ho tanteraka ny tarean’i Isaia mpagnazary hoe:
“Ô Ramose!
Iza ma no nino ny teny nampairana anay?
Ary naboagna tamin’iza ma ny herin’NY TÔMPO?”
(Isa 53. 1)
39 Tsy afaka ny hino zareo vokatr’izany,
hozy mbôka Isaia:
40 Nataon’Andriamagnitra jamba ny masony,
ary namafisiny ny fony
mbôry izay tsy hahita izy ary tsy hahazo onon-draha ny fony;
dia tsy hibebaka izy
ka hagnasitrana ananjy Izaho.”
(Isa 6. 10)
41 Nitaravin’i Isaia izany raha izany satria nahita ny voninahitr’i Jesoa sy nikoragna mikasika Ananjy Izy.
42 Fa na dia betsaka aza ny manampahefana Jiosy nino Ananjy,
dia tsy nahasahy nagneky Ananjy samby amaso zareo satria natahotra ny Fariseo,
sao dia ho voaroaka hiala ny sinagoga.
43 Fa alainjareo voninahitra avy amin’ôlona toy izay voninahitra avy amin’Andriamagnitra.
Ny tarean’i Jesoa no hitsara
44 Ary nitarea mafy Jesoa hoe:
Izay ôlona mino Anahy dia tsy izaho irerika no inoany fa mino an’Ilay nagnasa Anahy koa izy.
45 Ary izay ôlona mahita Anahy dia mahita an’Ilay nagnasa Anahy koa.
46 Tonga amin’izao tontolo izao Izaho mbô hanjary fahazavana,
ka ny ôlona mino Anahy dia tsy hipetraka akao amin’ny maizigna.
47 Raha misy maharegny ny raha taraviko kanefa tsy magnano an’izany,
dia tsy mitsara ananjy Izaho satria tsy hitsara an’izao tontolo izao no ahatongavako fa hamonjy an’izao tontolo izao.
48 Izay ôlona tsy magneky Anahy ka tsy mandray ny raha notaraviko,
dia managna ny mpitsara ananjy.
Ny raha taraviko no hitsara ananjy amin’ny andro farany.
49 Izaho mbôka tsy mitarea amin’ny sitrapoko fa Daday ilay nagniraka Anahy no mandidy anahy amin’izay raha tokony taraviko sy hampianariko.
50 Fantatro fa magname fiaignana mandrakizay ny didiny;
ary izany no mampahatonga Anahy mitarea araka ny tarean’i Daday taminahy.