Namantagna tan-dragnon’i Zakaiosy Jesoa
19
Rehefa tonga ta-Jeriko Jesoa dia nandeha namakivaky ny tanàna. 2 Nisy lehilahy mpanankarena iraika takao, Zakaiosy no agnarany. Lehiben’ny mpitaky hetra izy. 3 Nagniry mafy hahita an’i Jesoa izy fa tsy afaka satria fohika izy sady nifagnitsa-kitro ny ôlona. 4 Dia nihazakazaka nandeha talôha izy ka nagnanika aviavy mbô hahitany an’i Jesoa rehefa mandalo. 5 Rehefa tonga takeo Jesoa, dia nitraka Izy ka nahita an’i Zakaiosy, ary hozy taminanjy: Ô Zakaiosy! Midigna malaky ianao fa tsy maintsy mamantagna an-dragnonao Izaho nigniany ity. 6 Dia nidigna malaky izy ka nampandroso Ananjy tan-dragno tamin-kafaliana. 7 Rehefa nahita an’izany indray ny ôlona dahôlo dia nimonomonona hoe: Lasa namantagna an-dragnona lehilahy mpanota zalahy Izy e! 8 Kanefa nitsangana Zakaiosy dia hozy tamin’ny Tômpo: Ô Tômpoko! Ameko ho an’ny mahantra ny antsasaky ny fanagnako dahôlo; ary raha misy rahan’ôlona nikatramoako, dia averiko avo efatra heny izany. 9 Dia hozy Jesoa taminanjy: Tonga nigniany amin’ity tragno ity ny famonjena satria zanak’i Abrahama koa izy. 10 Fa tonga hitady sy hamonjy ny very ny Zanak’Ôlona.
Fagnoharana mikasika ny farantsa folo
11 Raha mbôla tam-pitainoana izany ny ôlona, dia nagnano fagnoharana iraika taminjareo Jesoa. Efa takaiky an’i Jerosalema Izy tamin’izany ka noheverin’ôlona fa efa ho avy ny fanjakan’Andriamagnitra. 12 Dia hozy: Nisy manampahefana iraika niomagna handeha an-tany lavitra mbô handray fahefana aigny, rehefa vita izay dia hiverigna izy. 13 Nagnantso folo lahy tamin’ny gaognany izy ka nameny farantsaa folo zareo sady notaraviny hoe: Ampiasao ity vola ity mandra-piveregnako. 14 Kanefa halan’ny mpiray fiaviana taminanjy Izy dia nandefa ôlona nagnaraka ananjy zareo hilaza hoe: Tsy ekenay ho mpitondra anay igny lehilahy igny. 15 Rehefa tafaverigna avy nandray fahefana izy, dia nampagnantsoviny ireo gaognany izay namiany vola mbô hahafantarany ny antombony azonjareo. 16 Dia avy ny voalohany ka nitarea hoe: Nahazoako antombony farantsa folo tompoko, ny farantsa iraika namianao anahy. 17 Dia hozy tamin’ilay gaogna: Tsara izany! Gaogna miasa tsara ianao. Nahatoky tamin’ny raha farany madinika ianao ka hotendreko hiandraikitra tanàna folo.
18 Dia avy ny faharoa ka nitarea hoe: Nahazoako antombony farantsa dimy tompoko, ny farantsa iraika namianao anahy. 19 Dia hozy tamin’ilay gaogna: Hiandraikitra tanàna dimy koa ianao.
20 Ary avy koa ny iraika dia nitarea hoe: Nataoko tsara fogno tagnaty mosara tompoko, ny farantsa namianao anahy. 21 Natahotra anao mbôka izaho satria haiko fa ôlona mila voa tsy ary ianao ka mialaka izay tsy napetrakao, ary mampiakatra izay tsy nafafinao. 22 Dia hozy ilay r’Ingahy taminanjy: Gaogna tsy vantagna ianao! Ny teninao ihany no hitsarako anao. Hainao fa ôlona mila voatsiary izaho ka mialaka izay tsy napetrako, ary mampiakatra izay tsy nafafiko. 23 Nagnino ma ny volako no tsy napetrao tamin’ny mpampanjanabola, mbôry izay nalaiko mban-janagny izany rehefa tonga izaho?
24 Dia hozy ilay r’Ingahy tamin’ny ôlona teo: Alaivo ny farantsa aminanjy ka ameo an’ilay managna farantsa folo. 25 Nefa hozy zareo taminanjy: Ô Tômpoko! Efa managna farantsa folo anie izy e!
26 Taraviko aminareo fa izay managna dia hamena betsaka kokoa. Izay tsy managna indray, na dia izay kely anagnany aza dia halaina aminanjy. 27 Ary ndeso atỳ, ka vonoy amasoko aketo ireo fahavaloko tsy nagnaiky ny hitondrako ireo.
Niakatra ta-Jerosalema Jesoa
28 Rehefa avy niteny izany Jesoa, dia nandeha talôhan’ny ôlona hiakatra a-Jerosalema.
29 Rehefa takaikin’i Betifaga sy Betania, fanjohy ny tampontanety Oliva zareo, dia nagniraka roa lahy tamin’ny mpianatra Izy 30 ka nitarea hoe: Mandehana amin’iry tanàna fanjohy anareo iry; raha vao tonga akao ianareo, dia hahita zanak’ampondra mifatotra, izay mbôla tsy notikinan’ôlona; vahao izy, dia ndeso atỳ. 31 Ary raha misy magnadina anareo hoe: Magnino ma no vahanareo izy io? Dia valio hoe: Misy raha ilàn’ny Tômpo ananjy.
32 Dia lasa zareo roa lahy ka nahita ny raha notaravin’i Jesoa taminjareo. 33 Rehefa namaha ilay zanak’ampondra zareo, dia hozy ilay tômpony: Magnino ma no vahanareo izy io? 34 Dia hozy zareo: Misy raha ilàn’ny Tômpo ananjy. 35 Dia nondesinjareo nankaigny amin’i Jesoa ilay zanak’ampondra, ka napetragny tamboniny ny lambanjareo, ary nampitikinanjareo takeo Jesoa. 36 Rehefa nandroso Jesoa, dia namelatra ny lambany tamin’ny lalana hombany ny ôlona.
37 Rehefa tonga takaikin’ny fidignana amin’ny tampontanety Oliva Izy, dia faly dahôlo ny mpianatra betsaka be ka nidera an’Andriamagnitra tamin’ny feo mafy be, noho ireo asa geda be dahôlo izay efa hitanjareo, nagnano hoe:
38 Enga anie ka isaorana ny Mpanjaka,
Ilay avy amin’ny agnaran’NY TÔMPO.
Fiadanana aigny an-dagnitra
ary voninahitra aigny amin’ny farany agnambo.
39 Fa hozy ny asagnany tamin’ireo Fariseo tagnatin’ny vahoaka Taminanjy: Ô Ramose! Asaivo mangina ny mpianatrao. 40 Fa Izy namaly hoe: Taraviko aminareo fa raha mangina zareo, dia ny vato no hihorakoraka.
Mitomagny an’i Jerosalema Jesoa
41 Rehefa tonga takaikin’ny Jerosalema Jesoa dia nahita ny tanàna ka nitomagny ananjy 42 ary nagnano hoe: Raha mbô fantatrao mbôka hoe manakôry ny hahazoanao fiadanana na dia nigniany foagnany aza! Nefa nasitrika tsy ho hitan’ny masonao izany izao. 43 Ho avy ny andro hananganan’ny fahavalonao dongon-tany magnodidina anao ka hataony fahirano ianao ary hotereny akao; 44 ary haripany ianao sy ny zanakao ka tsy ambelany hisy vato hifanovogna aminao, ho valin’ny tsy nahaizanao ny fotoana namangiana anao.
Noroasin’i Jesoa ny mpivarotra tan-kianjan’ny Tempoly
45 Rehefa tafiditra tan-kotanin’ny Tempoly Jesoa dia noroasiny dahôlo ny mpivarotra takao. 46 Dia hozy: Efa voasoratra hoe: “Antsovina hoe tragno fivavahana ny tragnoko” (Isa 56.7); fa ianareo indray magnano ananjy ho “lava-bato fisitrifan’ny dahalo” (Jer 7.11).
47 Ary nampianatra isan’andro tan-Tempoly Jesoa. Dia nitady hevitra hamonoana Ananjy ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampiana-dalàna ary ny loholona, 48 nefa tsy hitanjareo izay hatao satria nazoto be nitaino Ananjy ny ôlona dahôlo.