Ny fiakaran’i Jesoa ta-Jerosalema
21
Rehefa takaikin’i Jerosalema zareo ary tonga takao Betifaga, izay tsy dia lavitra ny tampontanety Oliva, dia nagniraka mpianatra roa lahy Jesoa ary hozy taminjareo: 2 Mandehana amin’iry tanàna fanjohy anareo iry; raha vao tonga akao ianareo dia hahita ampondra mifatotra miaraka amin-janagny. Vahao izy ary ndeso Aminahy atỳ. 3 Ary raha misy magnadina anareo, dia valio hoe: Misy ràha ilàn’ny Tômpo ananjy izy ity. Dia avelany ndesinareo izy. 4 Izany dia hahatanteraka izay raha notaravin’ny mpagnazary magnano hoe:
5 “Taravo amin’ny tanànan’i Ziona;
ho tonga aminao akao ny Mpanjakanao,
tsara fagnahy sady mitikina ampondra,
izay zanaky ny ampondra am-piasana” (Zak 9.9).
6 Dia lasana ny mpianatra nagnatanteraka ny baikon’i Jesoa. 7 Dia nindesiny ilay ampondra mban-janagny; namelaranjareo lamba tamboniny takeo, ary nitikina ny ampondra Jesoa. 8 Namelatra ny lambany tan-dalana ny ankabeazan’ny ôlona, ny sanagny kosa nanapaka rantsan-kakazo ka nagnaparitaka izany tan-dalana koa. 9 Ary ny ôlona izay nandeha talôhany sy izay nagnaraka Ananjy avy tafarany dia samby nihaikaika nagnano hoe:
“Hosana ho an’ny zanak’i Davida!
Isaorana tokoatrany izay avy amin’ny agnaran’NY TÔMPO!
Hosana aigny amin’ny farany agnambo” (Sal 128.26).
10 Rehefa tonga ta-Jerosalema Izy, dia somariaka ny iray tanàna nifagnadina hoe: Iza ma izany e? 11 Dia hozy ny ôlona: Jesoa, ilay mpagnazary avy a-Nazareta aigny Galilia izany.
Ny nandroasan’i Jesoa ny mpivarotra tan-tempoly takao
12 Niditra tan-kotanin’ny Tempoly takao Jesoa, dia noroasiny dahôlo ny mpivarotra sy ny mpividy dahôlo takao sady nalavony ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra pizina. 13 Hozy taminjareo: Efa voasoratra hoe: “Antsovina hoe tragno fivavahana ny tragnoko” (Isa 56.7); fa ianareo indray magnano ananjy ho “lava-bato fisitrifan’ny dahalo” (Jer 7.11).
14 Nisy jamba sy mikotrila nagnatogna Ananjy tan-Tempoly takao dia nositragniny. 15 Rehefa hitan’ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny mpampiana-dalàna ny raha mahagaga nataon’i Jesoa sy ny haikaikanjareo gaogna madinika tan-Tempoly takao hoe: ‘Hosana ho an’ny zanak’i Davida’, dia sosy zareo. 16 Ary hozy zareo tamin’i Jesoa: Regninao ma ny raha taravin’ireo gaogna ireo? Tegna regniko! hozy Jesoa. Mbôla tsy novakinareo ma fa:
“Avy amin’ny vavan’ny gaogna madinika sy ny zaza minono
no nagnamboaranao fiderana?” (Sal 8.2)
17 Dia nilaosan’i Jesoa zareo ka lasana nandeha ta-Betania Izy, ary nanangana taigny mandrapaha keka ny andro.
Ilay aviavy tsy namoa
18 Kiakan’igny, dia niverigna ta-tanàna Jesoa dia nahatsiaro refogna. 19 Nahita aviavy iraika tamoron-dalana Izy ka dia nikikesiny sao mbô hahitany voany, kanefa raviny foagna no hitany takeo. Dia hozy tamin’ilay aviavy: Toara tsy mamoa intsony ianao mandrakizay! Takeo no ho akeo dia maigna ilay aviavy.
20 Nidagnàka ny mpianatra raha nahita an’izany, dia nifagnadina hoe: Nanakôry koa ma no nampahamaigna vetiketika an’io aviavy io? 21 Dia hozy Jesoa taminjareo hoe: Taraviko marina aminareo fa raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao foagna no ho vitanareo, fa na ho taravinareo aza ity tanety ity hoe: ‘Mifindrà ka mivarìgna agnaty ranomasina aigny’, dia ho tanteraka izany. 22 Na ino na ino angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany.
Fagnontaniana mikasika ny fahefan’i Jesoa
23 Rehefa niditra tan-Tempoly Jesoa ka nampianatra, dia nagnatogna Ananjy ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny loholona ka nagnadina Ananjy hoe: Fahefana manakôry loatra ma no agnanaovanao an’izao raha dahôlo izao? Ary iza ma no nagname Anao fahefana hagnano an’izany? 24 Dia hozy Jesoa taminjareo: Izaho koa mbô hagnadina raha iraika anareo ka raha voavalinareo izany, dia hotaraviko aminareo ny fahefana agnanaovako an’izao: 25 Avy tan-dagnitra ma sa avy tamin’ny ôlona ny batisan’i Jaona? Dia niady hevitra zareo nagnano hoe: Raha hotaravintsika hoe avy tan-dagnitra dia hamaly antsika Izy hoe: Ka nagnino ma izany ianareo no tsy nino ananjy? 26 Kanefa raha hotaravintsika indray hoe avy tamin’ny ôlona, dia atahorantsika ny vahoaka satria eken’ny ôlona dahôlo fa mpagnazary Jaona. 27 Ary hozy ny navalinjareo an’i Jesoa: Tsy hainay! Dia hozy Jesoa taminjareo: Izaho koa tsy hivolagna aminareo izay fahefana agnanaovako an’izao raha dahôlo izao.
Fagnoharana mikasika ny zanaka roalahy
28 Manakôry indray ma ny hevitrareo amin’ity fagnoharana ity? Nisy lehilahy iraika nanan-janaka roa lahy. Nandeha nankaigny amin’ny lahimatoa izy ka nitarea taminanjy hoe: Ô lehiroa! Mandehana miasa an-tanimboliko aigny ianao nigniany. 29 Fa novalian’ilay zanany hoe: Izaho tsy handeha! Kanefa nanegnina izy avy takeo dia nandeha ihany. 30 Nandeha tamin’ny faralahy indray izy ka nitarea ôhatran’ny tamin’ilay zokiny. Dia hozy tamin’ny rainy: Handeha izaho, Daday! Kanefa tsy nandeha avy izy. 31 Iza aminjareo roa lahy ma izany no nagnano ny sitrapon’ny rainjareo? Hozy zareo: Ilay lahimatoa! Dia hozy Jesoa taminjareo: taraviko marina aminareo fa ny mpitaky haba sy ny vehivavy mpijangajanga dia efa lasa alôhanareo amin’ny fanjakan’Andriamagnitra aigny. 32 Tonga Jaona ka nitarea taminareo ny lalan’ny fahamarinana fa tsy ninoanareo; fa ny mpitaky haba sy ny vehivavy mpijangajanga no nino ananjy. Fa ianareo indray, na dia efa nahita an’izany raha dahôlo aza, dia mbôla tsy nanegnina mbô hinoanareo ananjy.
Fagnoharana mikasika ireo mpiasa ratsy fagnahy tan-tanimboaloboka takao
33 Tainoa koa ity fagnoharana hafa ity: Nisy lehilahy iraika, tompon-tany, nagnajary tanimboaloboka. Nobakoany ny magnodidina, dia nangady lavaka fagnamboarana divay takao izy ary nasiany tragno fiambesana koa. Nafondrony tamin’ôlona izany ka lasana nandeha tan-tany lavitra izy. 34 Rehefa tonga ny fahavokaran’ny voaloboka dia nagniraka ny gaognany hankaigny amin’ny mpamondro ny tany ilay tompon-tany mbô hialaka ny anjarany. 35 Fa nosamborinjareo mpamondro tany ireo gaogna ireo, ka ny iraika notarohanjareo, ny iraika novonoinjareo, ary ny iraika notorahanjareo vato. 36 Nagniraka gaogna hafa indray izy, betsaka noho ny takeo, kanefa nataonjareo ôhatran’ilay talôha foagnany. 37 Farany dia nasainy nankaigny ny zanagny dia hozy: Angamba hagnaja ny zanako zareo! 38 Nefa raha vao hitan’ny mpamondro tany ilay zanagny dia hozy zareo: Ity avy ity ny mpandova! Andao hovonointsika izy, mbôry izay azontsika ny lovany. 39 Dia nosamborinjareo izy ka navoakanjareo tavelan’ny tanimboaloboka dia novonoinjareo. 40 Rehefa tonga ny tômpon’ny tanimboaloboka, dia hataony akôry ma izany ireo mpamondro tany ireo? 41 Hozy ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny loholona tamin’i Jesoa: Ho azon-draha izany ôlona tsy manjary izany! Hafondron’ny tômpony amin’ôlon-kafa izay hagname ananjy ny vokatra ara-potoana ilay tanimboaloboka.
42 Hozy Jesoa taminjareo: Tsy mbôla novakinareo takao amin’ny Soratra Masina ma fa:
“Ny vato izay tsy nahoan’ny mpandrafitra,
dia efa nanjary vato fototra;
Avy tamin’NY TÔMPO izao
ka mahagaga antsika” (Sal 118.22-23).
43 Noho izany, taraviko aminareo fa halàna aminareo ny fanjakan’Andriamagnitra ka hamena izay firenena mahavokatra ny voaniny. 44 Izay lavo amin’ity vato ity dia ho montsagna, ary na iza na iza no hahalavoany dia ho toro.
45 Rehefa regnin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny Fariseo ny fagnoharana nataon’i Jesoa, dia hainjareo fa zareo no notaraviny tamin’izany. 46 Dia te hisambotra Ananjy zareo, kanefa natahotra ny vahoaka satria neken’ny vahoaka ho mpagnazary Jesoa.