Ilay mpanambady takao Kana
2
Telo andro tafaran’igny dia nisy mpanambady takao Kana,
aigny Galilia.
Ary namonjy takao koa ny renin’i Jesoa.
2 Nahazo fagnatoroana tamin’io raharaha io koa ery Jesoa sy ny mpianany.
3 Rehefa lany ny divay,
dia hozy ny renin’i Jesoa Taminanjy:
Tsisy divay intsony anie zareo akao e!
4 Hozy Jesoa namaly ananjy:
Ô Raôlona!
Mpifagnino ma atsika?
Mbôla tsy lerako avy anie izao e!
5 Fa hozy ny reniny tamin’ny gaogna takeo:
Ataovy dahôlo izay raha hagnasany anareo.
6 Ary nisy sinibe vato enina,
samby mahalany rano zato litatra akeo ho akeo takeo;
fitoerana rano fisasana araka ny fomban’ny Jiosy mbôka ireo sinibe ireo.
7 Dia hozy Jesoa taminjareo:
Fenoy rano dahôlo leretsy ireo sinibe ireo a!
Dia nofenoinjareo paka amin’ny molony avy.
8 Hozy Jesoa avy takeo:
Ao!
Vozo amin’izay dia hindeso aminjareo mpitantan-kanina akao.
Dia nindesinjareo.
9 Dia nagnandrana an’ilay rano nanjary divay ilay mpitantan-kanina nefa tsy nahafantatra izay niavian’izany,
fa zareo gaogna izay nagnovo rano foagna no nahafantatra.
Dia nantsôviny ilay tômpon-draharaha avy takeo,
10 ary hozy taminanjy:
Ny fataon’ôlona dia ny divay mahatanika no tahoana alôha;
rehefa mahazoazo dahôlo ny ôlona vao havoaka amin’izay ilay ratsiratsy.
Fa ny anareo indray dia ny divay tsara foagnany hatramin’izao!
11 Izany ny raha mahagaga voalohany nataon’i Jesoa.
Tao Kana,
aigny Galilia no nagnanaovany an’izany ka nagnaboagnany ny voninahiny.
Ary nino Ananjy ny mpianany.
12 Tafaran’igny dia nidigna ta-Kapernaomy taigny ery Jesoa mbaraky ny reniny sy ny kiboraika aminanjy ary ny mpianany.
Nefa tsy naharitra ela takaigny zareo.
Ny nagnabaizan’i Jesoa ny mpivarotra tan-tempoly takao
13 Rehefa akaiky ny Pakanjareo Jiosy,
dia niakatra ta-Jerosalema Jesoa.
14 Nahita bônamaro,
mpivarotra aomby,
ondry,
pizina ary mpanakalo vola takeo an-kotanin’ny Tempoly Izy.
15 Dia nialaka tady Izy nataony karavasy,
dia nobaiziny hiala takeoamin’ny tokontanin’ny Tempoly zareo dahôlo mbaraky ny aomby sy ny ondry,
napariakany ny volanjareo mpanakalo vola sady nahongany ny latabatra.
16 Ary hozy taminjareo mpivarotra pizina:
Alao akato ireo raha dahôlo ireo;
aza atao tsena ny tragnon’ny Dadaiko!
17 Dia azon’ny mpianany ognona ilay akao amin’ny Soratra Masina hoe:
“Ny fitiavako ny tragnonao no nampiretik’aigna anahy” (Sal 69. 10).
18 Avy takeo dia nagnadina an’i Jesoa ny Jiosy.
Hozy zareo Taminanjy:
Ino ma ny raha mahagaga azonao aboagna aminay ka mahatonga anao magnano an’izao?
19 Dia hozy Jesoa:
Arobao ity Tempoly ity,
fa hatsangako agnatin’ny telo andro.
20 Dia hozy indray zareo Jiosy:
Ô zalahy!
Enina amby efapolo taona anie no nananganana an’ity Tempoly ity e!
Dia ho vitanao ma izany ny hanangana ananjy agnatin’ny telo andro?
21 Kanefa ny vatantegnany no Tempoly notaraviny aketo ity.
22 Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesoa dia izay vao nahazo ognona an’io tarea notaraviny io ny mpianany.
Dia ninoanjareo ny Soratra Masina sy ny raha nokoragnin’i Jesoa.
Mahafantatra ny mikasika ny ôlona Jesoa
23 Tamin’i Jesoa ta-Jerosalema nandritra ny fetin’ny Paka,
dia betsaka ny nino ny Agnarany rehefa nahita ny raha mahagaga nataony.
24 Fa tsy azony Jesoa antoka zareo satria fantany ny mikasika ny ôlona dahôlo.
25 Tsy nila ôlona hitantara Taminanjy avy Izy satria fantany dahôlo ny raha agnatin’ny lohan’ny ôlona.