Koragnan’i Jesoa sy Nikodemosy
3
Nisy Fariseo iraika izay,
Nikodemosy ny agnarany,
ôlona manampahefana akeo amin’ny Jiosy izy.
2 Rehefa alina ny andro dia nandeha takao amin’i Jesoa izy ka nitarea taminanjy hoe:
Ô Raby!
Fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamagnitra Ianao satria tsisy ôlona mahay magnano an’izao raha mahagaga ataonao izao raha tsy Andriamagnitra no miaraka aminanjy.
3 Fa hozy Jesoa namaly ananjy:
Taraviko marina aminao tsara be fa raha tsy ateraka indray mandeha ny ôlona dia tsy hahita ny fanjakan’Andriamagnitra.
4 Hozy Nikodemosy Taminanjy:
Hataon’ôlona geda akôry ma izany ny hateraka indray mandeha?
Afaka miverigna akao agnatin’ny kibon-dreniny akao ma izany izy mbô hateraka indray mandeha?
5 Dia hozy Jesoa:
Taraviko marina aminao tsara be fa raha misy ôlona tsy ateraky ny rano sy Fagnahy dia tsy hanjary hiditra ny Fanjakan’Andriamagnitra izy.
6 Fa izay ateraky ny ôlona dia ôlona,
izay ateraky ny Fagnahy dia Fagnahy.
7 Aza atao mahagaga anao avy ny raha notaraviko taminao takeo hoe tsy maintsy ateraka indray mandeha ianareo.
8 Midalavoka amin’izay tiany ny rivotra ary regninao hoe izany izy izany,
kanefa tsy hainao avy izay hiaviany na izay hombany,
dia sahala amin’izany dahôlo izay ateraky ny Fagnahy.
9 Dia hozy Nikodemosy Taminanjy:
Akôry aiky ny hahatanteraka an’izany raha izany?
10 Hozy Jesoa:
Ianao ma izany no mpampianatra ny Israely aketo ka tsy mahay an’izany?
11 Taraviko marina aminao tsara be fa izay raha fantatray no taravinay,
ary izay hitanay no hambaranay,
kanefa tsy ekenareo ny raha taravinay.
12 Tsy mino Anahy ianareo rehefa mitarea mikasika ny raha ambonin’ny tany aminareo Izaho.
Hataonareo akôry ma izany ny hino rehefa mitarea mikasika ny raha aigny an-dagnitra Izaho?
13 Tsy ary mbôla nisy niakatra taigny an-dagnitra avy afa tsy ny Zanak’Ôlona,
Ilay nidigna avy taigny an-dagnitra.
14 Sahala amin’ny nampakaran’i Mosesy ny bibilava tamin’ny kakazo tankodahoda taigny no tsy maintsy hampakarana ny Zanak’Ôlona,
15 mbô hanagna fiaignana mandrakizay izay ôlona dahôlo mino Ananjy.
16 Tegna tia an’izao tontolo izao mbôka Andriamagnitra ka nameny ny Zanany lahy iraika mbôry izay ny ôlona dahôlo mino Ananjy tsy hiagna fa hanagna fiaignana mandrakizay.
17 Fa tsy nagnasa ny Zanagny handeha amin’izao tontolo izao mbô hagnameloka an’izao tontolo izao Andriamagnitra,
fa mbô hamonjy ananjy.
18 Izay mino Ananjy dia tsy voaheloka,
fa izay tsy mino kosany dia efa voaheloka satria tsy nino ny agnaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamagnitra.
19 Izao ilay fagnamelohana:
Tonga aketo amin’izao tontolo izao ny mazava kanefa alain’ny ôlona ny maizigna fa tsy ny mazava satria tsisy raha manjary ny raha ataony.
20 Izay ôlona dahôlo magnano raha tsy manjary dia tsy tia vintagna ny mazava sady tsy mamonjy ny mazava sao dia hibaribary ny raha ataony.
21 Fa izay magnano ny marina kosany dia mamonjy ny mazava mbôry izay hibaribary ny raha ataony satria ataony mifagnaraka amin’ny sitrapon’Andriamagnitra izany.
Jaona Mpagnano batisa sy Jesoa
22 Tafaran’igny,
dia tonga ta-Jodia ery Jesoa sy ny mpianany;
niara-nipetraka tamin’ny mpianany Izy takaigny sady nagnano batisa.
23 Nagnano batisa ta-Ainona akaikin’ny Salema koa i Jaona satria betsaka rano taigny;
dia nankaigny dahôlo ny ôlona ka nataony batisa,
24 mbôla tsy nigadra mbôka Jaona tamin’izany fotoana izany.
25 Nisy mpianatr’i Jaona nifamatra tamin’ny Jiosy iraika mikasika ny fomba fidiovana.
26 Dia nankaigny amin’i Jaona ny mpianany ka nitarea taminanjy:
Ô Ramose!
Ilay ôlona niaraka taminao tampitan’ny Jordana igny,
ilay nagnanaovanao fagnambarana,
magnano batisa Izy izao ka mankaigny Aminanjy ny ôlona dahôlo.
27 Dia hozy Jaona:
Tsisy ôlona mahay mandray na ino na ino avy raha tsy efa namena ananjy avy tan-dagnitra izany.
28 Ianareo ireo no vavolombeloko tamin’izaho nitarea hoe:
Tsy Kristy avy izaho fa nasaina hialôha lalana Ananjy foagna.
29 An’ny mpampaka-bady ny vehivavy nakariny;
ny naman’ny mpampaka-bady indray dia miara-mipetraka aminanjy akeo sady mitaino ananjy ka faly maharegny ny feony.
Ary efa tanteraka izany hafaliako izany amin’izao.
30 Izy tsy maintsy mihageda fa izaho kosany tsy maintsy mihegna.
Ilay avy aigny agnambo
31 Izay avy agnambo dia ambonin’izy dahôlo;
izay avy amin’ny tany dia an’ny tany ka izay mikasika ny raha ambonin’ny tany no taraviny.
Fa izay avy aigny an-dagnitra dia amboninjareo dahôlo.
32 Izay raha hitany sy regniny no ambarany,
kanefa tsisy ôlona magneky ny fagnambarany.
33 Izay magneky ny fagnambarany dia magnamarina fa azo antoka Andriamagnitra.
34 Fa izay nasain’Andriamagnitra dia milaza ny tareany satria amen’Andriamagnitra tsisy laloaniny ny Fagnahiny.
35 Tian’ny Daday ny Zanaka ary napetragny akeo an-tagnany ny raha dahôlo.
36 Ny ôlona mino ny Zanaka no managna fiaignana mandrakizay,
fa izay tsy mino ny Zanaka kosa indray dia tsy hahita an’izany fiaignana izany satria mipetraka agnatiny akao ny asiran’Andriamagnitra.