Ny nahafatesan’i Lazarosy, ilay naman’i Jesoa
11
Nisy lehilahy iraika narary antsôvina hoe Lazarosy taigny Betania,
izay tanàna nipetrahan’i Maria sy Marta rahavaviny.
2 I Maria dia ilay nagnosotra menaka magnitra ny tongotr’i Jesoa ka namafa an’izany tamin’ny volon-dôhany;
ary anadahiny i Lazarosy.
3 Nagniraka ôlona hankaigny amin’i Jesoa zareo roa vavy hitarea Aminanjy hoe:
Ô Tômpo!
Marary anie ilay namanao akao e!
4 Ary rehefa naharegny an’izany Jesoa dia hozy:
Tsy ho fahafatesana avy ny anton’izany aretina izany,
fa hagnaboagnana ny voninahitr’Andriamagnitra sy hankalazana ny Zanak’Andriamagnitra.
5 Ary Jesoa tegna tia an’i Marta sy Maria rahavaviny ary Lazarosy anadahinjareo roa vavy.
6 Na dia efa regnin’i Jesoa aza fa narary Lazarosy,
dia mbôla nanangana roa andro tamin’ilay tanàna nipetrahany foagnany Izy.
7 Tafaran’izay vao nitarea tamin’ny mpianany Izy hoe:
Andao atsika hiverigna aigny Jodia.
8 Fa hozy ny mpianany Taminanjy:
Ô Ramose!
Mbôla vao tsy ela avy anie ny Jiosy no nitady hitora-bato Anao;
dia hiverigna ho aigny indray ma Ianao?
9 Dia hozy Jesoa:
Tsy adiny roa ambin’ny folo ma ny indray andro?
Tsy ho voatsitohina ny ôlona mandeha amin’ny atoandro satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao.
10 Fa raha misy ôlona mandeha amin’ny alina dia voatsitohina satria tsisy mazava aminanjy.
11 Rehefa avy nitarea an’izany Jesoa,
dia hozy tamin’ny mpianany:
Mandry Lazarosy namantsika;
fa handeha hamôha ananjy Izaho.
12 Dia hozy ny mpianany:
Ô Ramose!
Raha mandry izy dia mbôla manjary sitragnina.
13 Ny fahafatesan’i Lazarosy nefa no tian’i Jesoa ho taravina;
fa mandry miala reraka no fieritreretanjareo ananjy.
14 Vokatr’izany,
dia notsorin’i Jesoa taminjareo hoe:
Maty i Lazarosy.
15 Ary avy aminareo dia faly Izaho satria tsy taigny,
amin’izay mbôka ianareo mino;
andao atsika ho aigny aminanjy.
16 Dia hozy Tomasy,
na Kambana,
tamin’ny mpianatra namany:
Andao koa atsika handeha ho aigny mbô hiara-maty Aminanjy!
Ny fifohazana avy amin’ny maty mbaraky ny fiaignana
17 Rehefa tonga takaigny Betania i Jesoa dia hitany fa efa efatr’andro ny nandevegnana an’i Lazarosy,
18 kanefa dia tanàna mifagnakaiky i Betania sy Jerosalema,
tokotokony telo kilometatra akeo ny elagnelagny.
19 Ary betsaka ny Jiosy tonga namangy maso an’i Marta sy Maria tamin’ny nahalasanan’ny anadahinjareo.
20 Rehefa regnin’i Marta fa avy Jesoa,
dia nitsangana izy nitseza Ananjy;
fa i Maria kosa nipetraka tan-dragno.
21 Dia hozy Marta tamin’i Jesoa:
Ô Tômpo!
Raha takeo mbôka Ianao dia tsy maty avy ny anadahiko.
22 Nefa fantatro fa na ino na ino angatahinao amin’Andriamagnitra dia hameny Anao,
na dia izao ankahitrio izao aza.
23 Dia hozy Jesoa taminanjy:
Hitsangana amin’ny maty avy ny anadahinao.
24 Fa hozy Marta namaly Ananjy:
Fantatro fa hitsangana amin’ny maty izy amin’ny andro farany.
25 Dia hozy Jesoa taminanjy:
Izaho no fananganana ny maty sy fiaignana.
Izay ôlona mino Anahy dia ho velona indray,
na dia efa maty aza.
26 Ary izay ôlona velona ka mino Anahy dia tsy ho foaty mandrakizay.
Mino an’izany ma ianao?
27 Dia hozy Marta:
Eny Tômpoko.
Mino izaho fa Ianao no Kristy,
Zanak’Andriamagnitra,
Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.
28 Rehefa avy nitarea an’izany Marta dia lasana nagnantso moramora an’i Maria rahavaviny ka nitarea taminanjy hoe:
Antsovin’i Ramose ianao fa tonga akao Izy.
29 Vao naharegny an’izany Maria,
tonga dia nitsangana ka namonjy Ananjy.
30 Mbôla tsy tafakatra tan-tànana avy nefa Jesoa,
fa mbôla tamin’ilay tany nitsezan’i Marta Ananjy.
31 Rehefa nahita ananjy nitsangana haingana sy nivoaka ny Jiosy takao an-dragno,
izay namangy an’i Maria,
dia lasana nagnaraka ananjy koa satria noeritreretinjareo fa handeha hitomagny aigny amin’ny fasana izy.
32 Dia tonga tamin’ilay tany misy an’i Jesoa i Maria.
Raha vao nahita Ananjy izy,
dia niankohotra takeo amin’ny tongony ka nitarea hoe:
Ô Tômpo,
raha takeo mbôka Ianao dia tsy maty ny anadahiko.
33 Rehefa nahita an’i Maria nitomagny sy ireo Jiosy nagnaraka avy tafara izay nitomagny koa i Jesoa dia foraigna sady nalahelo be.
34 Dia hozy:
Aiza ma no nandevegnanareo ananjy?
Dia hozy zareo Taminanjy:
Ô Tômpo,
andao fa atoronay Anao!
35 Dia nitomagny Jesoa.
36 Hozy zareo Jiosy:
Tegna tiany kony Lazarosy e!
37 Fa hozy ny sanagny:
Tsy hain’Ilay zalahy ity ma no nagnano an’izay tsy nahafatesan’ilay zalahy igny,
kanefa vitany ny nampahita an’ilay pôka maso?
Mamerina an’i Lazarosy amin’ny fiaignana Jesoa
38 Dia nalahelo be indray i Jesoa ary lasana nankaigny amin’ny fasagna Izy;
lava-bato nihidy tamin’ny vato be ny fasagna nisy an’i Lazarosy.
39 Ary hozy Jesoa:
Alao akeo io vato io.
Fa hozy Marta,
ilay anabavin’ny maty,
taminanjy:
Ô Raôlona,
efa efatr’andro anie izay ny nandevegnana ananjy e!
Ka tsy efa mantsigna?
40 Fa hozy Jesoa taminanjy:
Tsy efa notaraviko taminao ma fa raha mino ianao,
dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamagnitra?
41 Dia nalan’ny ôlona ilay vato be.
Ary nianga tamin’ny lagnitra Jesoa sady hozy:
Ô Daday,
misaotra fa nitaino Anahy Ianao.
42 Haiko fa tegna mitaino Anahy foagna Ianao,
kanefa avy amin’ôlona dahôlo magnodidigna ireto no hitaravako an’izany,
mbô hinoanjareo fa Ianao no nagnasa Anahy.
43 Rehefa avy nitarea an’izany Izy,
dia nagnantso mafy hoe:
Ô Lazarosy!
Mivoaha atỳ ianao!
44 Dia nivoaka i Lazarosy,
mbôla nifogno lamba ny tongony sy ny tagnany,
ary mbôla nisy hamama koa izy.
Dia hozy Jesoa tamin’ny ôlona:
Vahao izy,
dia avilay handeha.
Ny tetidratsy hamandrihana an’i Jesoa
45 Ary betsaka taminjareo Jiosy tonga namangy an’i Maria no nino an’i Jesoa rehefa nahita ny raha nataony.
46 Fa ny sanagny taminjareo kosany lasana nitarea an’izany taigny amin’ny Fariseo.
47 Ary ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny Fariseo dia namory ny Sinedriona ka hozy:
Ino ma ny hataontsika satria ilay Raika lahy igny efa nagnano raha mahagaga betsaka?
48 Raha avelantsika hanohy an’izao raha ataony izao foagna Izy,
dia hino ananjy dahôlo ny ôlona;
ary ho avy handrava ny tempolintsika sy ny firenentsika zareo Romana.
49 Ary hozy Kaiafa,
ilay Mpisoronabe tamin’io taona io,
taminjareo:
Tegna tsisy raha hay mihitsy ianareo ireto.
50 Tsy azonareo ma fa tombony ho anareo raha maty ny ôlona iraika,
mbô hamonjena ny ôlona maro,
mbôry izay tsy ho rava ny firenena dahôlo.
51 Tsy izay raha tagnaty lôhany avy no notaraviny,
fa satria izy Mpisoronabe tamin’izany taona izany,
dia naminagny izy fa ho foaty Jesoa mbô hamonjy ny firenena.
52 Kanefa tsy ho an’io firenena io irerika foagnany no hahafatesany fa mbô hamory ny zanak’Andriamagnitra dahôlo izay miparitaka erak’izao tontolo izao koa.
53 Niantena tamin’io andro io,
dia tapakevitra ny hamono Ananjy zareo.
54 Araka izany,
tsy dia niboamboagna taminjareo Jiosy intsony Jesoa sy ny mpianany firak’igny fa lasana nandeha taigny Efraima,
tanàna iraika akaikina ankodahoda.
55 Efa akaiky ny fetin’ny Paka takeo aminjareo Jiosy.
Araka izany dia betsaka ny ôlona avy aigny ambanivohitra niakatra mialôha takao Jerosalema mbô hagnano ny fombafomba fidiovana alôhan’ny fety.
56 Rehefa tonga takao an-tempoly zareo dia nikaraka an’i Jesoa ary nifagnadina hoe:
Manakôry ny fahitanareo ananjy?
Ka tsy ho avy hamonjy fety ma Izy?
57 Efa nagname baiko ny ôlona dahôlo mbôka ny lohandohan’ny mpisorogna sy ny Fariseo,
fa izay ôlona mahita ny toerana misy an’i Jesoa,
dia tsy maintsy mampilaza mbô hanamborana Ananjy.