Ny mpiambina ondry sy ny ondriny
10
Taraviko marina aminareo tsara be fa izay tsy miditra amin’ny vavahady fa magnanika vala rehefa hiditra amin’ny valana ondry,
dia mpangalatra sy dahalo.
2 Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiambina ondry.
3 Vohain’ny mpiambina vavahady izy ary mitaino ny feony ny ondry.
Antsoviny amin’ny agnarany tsiraikaraika ny ondriny ary indesiny mivoaka zareo.
4 Rehefa mamoaka ny ondriny izy,
dia mitari-dalana anjareo,
ary magnaraka ananjy ny ondry satria mahafantatra ny feony.
5 Tsy magnaraka vahiny ny ondry fa milefa satria tsy fantany ny feon’ny vahiny.
6 Nataon’i Jesoa taminjareo Fariseo izany fagnoharana izany nefa tsy azonjareo ognona avy ny raha tiany hotaravina.
Ny mpiambina tsara
7 Dia hozy indray Jesoa taminjareo:
Taraviko marina aminareo tsara be fa Izaho no vavahadina valana ondry.
8 Mpangalatra sy dahalo dahôlo izay tonga talôhako ary tsy nitainoan’ny ondry zareo.
9 Izaho no vavahady;
raha miditra Aminahy ny ôlona dia ho voavonjy ary afaka hiditra sy hivoaka sady hahita raha hohanina.
10 Ny mpangalatra dia tsy ho avy raha tsy handeha hangalatra sy hamono ary handripaka;
fa Izaho kosa ho avy mbô hanagnany fiaignana sady hanagnany betsaka be.
11 Izaho no tegna Mpiambina ondry.
Ny tegna Mpiambina ondry dia mahafoy ny aignany ho an’ny ondriny.
12 Ny mpikarama kosany,
dia sady tsy mpiambina ondry no tsy tompona ondry,
ka raha mahatazagna amboadia avy avy aigny izy,
dia avelany akeo ny ondry ka mitaladikotra milefa izy.
Ary avy ny ambodia ka magnambotra ny ondry ary mampiparitaka anjareo.
13 Vaky lefa izy satria mpikarama ka tsy ahoany ny ondry.
14 Izaho no tegna Mpiambina ondry.
Fantatro ny ondriko ary mahafantatra Anahy zareo,
15 sahala amin’ny ahafantaran’i Daday Anahy sy ahafantarako an’i Daday;
ary Izaho mahafoy ny aignako ho an’ny ondriko.
16 Managna ondry hafa izay tsy agnatin’ity vala ity Izaho.
Tsy maintsy indesiko koa zareo iregny;
hitaino ny feoko ka hanjary dia iraika zareo dahôlo;
ary iraika foagna ny Mpiambina anjareo.
17 Tian’ny Dadaiko Izaho satria mahafoy ny aignako mbô handraisako ananjy indray.
18 Tsisy afaka mangala ny aignako izany,
fa Izaho ihany no magname ananjy.
Managna fahefana hagname ananjy Izaho ary managna fahefana koa hialaka ananjy indray.
Izany didy izany dia noraisiko avy tamin’i Dadaiko.
19 Dia tsy nifagnara-tsaigna indray ny Jiosy vokatr’izany raha notaraviny izany.
20 Betsaka taminjareo no nitarea hoe:
Misy demonia angamba Izy io dia very saigna.
Magnino ma anareo no mbôla mitaino Ananjy ihany?
21 Kanefa hozy ny sanagny:
Tsy fitaravan’ôlona misy demonia izany!
Mahay mampahita ny ôlona poa-maso ma ny demonia?
Ny nandavan’ny Jiosy an’i Jesoa
22 Rirignina ny andro;
ary tonga ny fetin’ny Fitokanana ta-Jerosalema.
23 Nisaverivery tan-kontanin’ny Tempoly,
takeo amin’ny fialokalofan’i Solomona takeo i Jesoa tamin’izay.
24 Dia nitangorognan’ny Jiosy Izy ary nadigninjareo hoe:
Hatramin’ny oviana ma izany no hampisavoritahanao ny lôhanay?
Raha Ianao no Kristy,
tonga dia tsory.
25 Ary hozy Jesoa:
Efa notaraviko taminareo,
fa ianareo tsy mino Anahy.
Ny raha ataoko amin’ny agnaran’ny Raiko no magnambara ny momba Anahy.
26 Kanefa tsy mino ianareo satria tsy agnisan’ny ondriko.
27 Mitaino izay raha taraviko ny ondriko;
mahafantatra anjareo Izaho ary magnaraka Anahy zareo.
28 Izaho magname fiaignana mandrakizay ho anjareo ka tsy ho very zareo na oviana na oviana,
ary tsisy hialaka anjareo an-tagnako.
29 Ny Raiko izay nagname Anahy anjareo dia mahery lavitra mandombolombo ny raha dahôlo;
ary tsisy afaka hialaka an’izay an-tagnany.
30 Izaho sy ny Ray dia iraika foagnany.
31 Dia nanangona vato indray ny Jiosy hitoraka Ananjy.
32 Fa hozy Jesoa:
Betsaka ny asa tsara avy tamin’ny Ray nataoko taminareo;
ino amin’iregny asa iregny ma izany no mampatonga anareo hitoraka vato Anahy?
33 Dia hozy ny Jiosy namaly Ananjy:
Tsy ny asa tsara no mampatonga anay hitoraka vato Anao fa Ianao magnasaha an’Andriamagnitra satria Ianao ôlombelona nefa milaza ny tegnanao ho Andriamagnitra.
34 Dia hozy Jesoa:
Angaha ma tsy voasoratra akao amin’ny lalànanareo hoe:
“Hozy Izaho:
Ianareo dia andriamagnitra” (Sal 82.6).
35 Fantatsika fa tsy manjary foagnana ny tenin’Andriamagnitra;
ka raha ny ôlona namena an’izany no antsôvina hoe andriamagnitra,
36 magnino ma Izaho izay nohamasinin’ny Ray sy nasainy ho amin’izao tontolo izao no taravinareo fa magnasaha satria nitarea hoe:
Zanak’Andriamagnitra Izaho?
37 Raha tsy magnano ny asan’ny Raiko Izaho dia aza mino Anahy avy.
38 Fa raha magnano ny asany kosa Izaho,
na dia tsy mino Anahy avy aza ianareo,
dia minoa ny asako mbô ho hainareo sy hekenareo fa ny Ray no akato Aminahy,
ary Izaho akao amin’ny Ray.
39 Dia nikaraka hevitra hisamborana Ananjy indray zareo Jiosy,
kanefa niala takeo Izy.
40 Tafaran’izay,
dia lasana nankaigny ampitan’ny Jordana indray Jesoa,
taigny amin’ilay toerana voalôhany nagnanaovan’i Jaona batisa,
dia nanangana takaigny Izy.
41 Betsaka ny ôlona nandeha taminanjy takeo nagnano hoe:
Tsisy raha mahagaga nataon’i Jaona avy,
nefa marina dahôlo izay raha notaraviny momba an’ilay lehilahy igny.
42 Ary betsaka ny ôlona nino Ananjy takeo.