Ny nampahitan’i Jesoa an’ilay pôka letry vao teraka
9
Rehefa nandalo Jesoa dia nahita lehilahy poa-maso letry tan-kibon-dreniny.
2 Dia nagnontany Ananjy ny mpianany:
Ô Ramose!
Iza ma no nagnano fahotana:
ilay zalahy io sa ny ray sy reniny no nampahatonga ananjy poa-maso letry tan-kibon-dreniny?
3 Dia hozy Jesoa:
Tsy ilay zalahy io avy no nagnano fahotana na ny ray sy reniny fa mbô hampisehovana ny asan’Andriamagnitra aminanjy no anton’izao.
4 Tsy maintsy magnano ny asan’Ilay nagnasa Anahy atsika raha mbôla atoandro ny andro;
fa rehefa maizigna ny andro dia tsy afaka miasa ny ôlona.
5 Raha mbôla aketo amin’izao tontolo izao Izaho dia fahazavana ho an’izao tontolo izao.
6 Rehefa avy nitarea an’izany Izy dia nandrora tamin’ny tany ka nagnamboatra fotaka tamin’ny rorany,
dia nahosogny tamin’ny mason’ilay lehilahy izany.
7 Dia Hozy taminanjy:
Mandehana sasao akaigny amin’ny dobo Siloamaa ny masonao.
Dia lasana nandeha nanasa ny masony takaigny ilay poa-maso,
ary nahiratra izy niverigna avy taigny.
8 Ary ny ôlona nifagnankaiky tragno taminanjy sy izay ôlona nahafantatra fa mpangataka izy talôha dia nifagnadina hoe:
Ka tsy ity ma ilay mpangataka igny?
9 Dia nisy nitarea hoe:
Izy mihitsy io;
Tsy izy avy io,
hozy ny sanagny,
fa ôlona mitovy aminanjy.
Fa hozy:
Izaho ity.
10 Dia hozy ny ôlona taminanjy:
Nanakôry ma izany no nampahita ny masonao?
11 Dia hozy namaly:
Ilay R’Ingahy atao hoe Jesoa igny no nagnamboatra fotaka dia nahosogny tamin’ny masoko izany,
ary nasainy nanasa maso taigny Siloama izaho avy takeo;
dia lasana nanasa ny masoko takaigny izaho ka nahiratra.
12 Dia nagnadina ananjy ny ôlona hoe:
Akaiza ma izany R’Ingahy izany?
Ary hozy:
Tsy haiko.
Nagnadina an’ilay avy pôka maso ny Fariseo
13 Dia nindesin’ny ôlona taigny amin’ny Fariseo ilay lehilahy efa avy poa-maso.
14 Sabata io andro nagnamboaran’i Jesoa ny fotaka sy nampahitany ny mason’ilay zalahy io.
15 Mbôla nagnadina ananjy indray koa ny Fariseo hoe:
Nanakôry ma izany ny nampahita ny masonao?
Dia hozy:
Nasiany fotaka ny masoko dia nosasako,
ka nahiratra izaho.
16 Dia hozy ny Fariseo sanagny:
Tsy avy amin’Andriamagnitra izany Lehilahy izany satria tsy magnaja ny andro Sabata.
Ny sanagny indray nagnano hoe:
Manakôry ma lehiretsy no hahavitan’ny ôlona mpanota raha mahagaga sahala amin’izany?
Dia samby nanagna ny heviny zareo.
17 Dia hozy indray ny Fariseo tamin’ilay avy poa-maso:
Ary ianao,
ino ma izany no hevitrao mikasika an’ilay nampahita ny masonao?
Dia hozy namaly:
Mpagnazary Izy.
18 Fa ny manampahefana Jiosy tsy nino hoe avy jamba ilay zalahy io;
ka nantsovinjareo ny ray sy reniny
19 ary nagnontanianjareo hoe:
Zanakareo marina ma ilay zalahy ity?
Poa-maso letry tan-kibon-dreniny ma izy io?
Dia nanakôry no nampahita ananjy?
20 Dia hozy ny ray sy reniny:
Zanakay tokoatrany izy io ary efa poa-maso letry tan-kibon-dreniny;
21 fa tsy hainay indray malôha izay fomba nampahita ny masony sy izay ôlona nagnano an’izany.
Agnotanio izy fa efa geda;
alay izy no hitarea ny momba ananjy.
22 Natahotra ny manampahefana Jiosy mbôka ny ray sy reniny ka izany no nampahatonga anjareo nitarea an’izany raha izany satria efa nifagnaraka ny manampahefana Jiosy fa horoasina tsy mahazo miverigna amin’ny Sinagoga intsony izay magneky an’i Jesoa ho Kristy.
23 Ka izany no antony notaravin’ny ray sy reniny hoe:
Efa geda izy ka izy no anontanio.
24 Dia nantsovin’ny Fariseo indray ilay poa-maso talôha ka notaravinjareo hoe:
Ameo voninahitra Andriamagnitra;
fantatray fa mpanota izany Lehilahy izany.
25 Kanefa namaly izy hoe:
Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia;
fa raha iraika foagna no fantatro:
Poa-maso izaho talôha fa efa mahita izaho amin’izao!
26 Dia hozy indray koa zareo taminanjy:
Ino tsara ma ny raha nataony taminao?
Nataony nanakôry tsara ma ny nampahita ny masonao?
27 Dia novaliany hoe:
Efa notaraviko taminareo takeo izany raha izany fa tsy nitainonareo.
Magnino indray ma ianareo no izao vao te hitaino?
Sa te ho mpianany koa ma ianareo?
28 Dia nanevateva ananjy ny Fariseo nagnano hoe:
Ialahy irerika no mpianany fa izahay mpianatr’i Mosesy.
29 Fantatray fa nitarea tamin’i Mosesy Andriamagnitra;
fa izany Lehilahy izany tsy fantatray izay niaviany!
30 Dia hozy ilay gaogna:
Mbô mahagaga izany raha izany!
Tsy fantatrareo izay tany niaviany,
kanefa nampahita ny masoko Izy!
31 Fantantsika fa tsy mitaino ny mpanota Andriamagnitra fa izay mivavaka Aminanjy sy magnano ny sitrapony no tainoiny.
32 Mbôla tsy ary nisy ôlona nahavita nampahita mason’ôlona poaka avy tan-kibon-dreniny izany letry izay.
33 Ka raha tsy avy amin’Andriamagnitra izany Lehilahy izany dia tsisy raha vitany.
34 Dia hozy zareo taminanjy:
Teraka tagnatin’ny fahotana tokoatrany ialahy;
ialahy indray ma izany no hampianatra anay?
Dia noroasinjareo nivoaka ny Sinagoga izy.
35 Regnin’i Jesoa fa voaroaka niala ny Sinagoga ilay gaogna;
ary rehefa hitany izy,
dia nagnontaniany hoe:
Mino ny Zanak’Ôlona ma ianao?
36 Dia namaly ilay gaogna hoe:
Iza ma Izy izany,
Tômpoko,
mbô hinoako Ananjy?
37 Dia hozy Jesoa:
Efa hitanao Izy.
Izy ilay mikoragna aminao izao.
38 Dia hozy ilay gaogna nenkotra tagnoloanany takeo:
Ô Tômpo ko!
Mino izaho.
Iza ma no tegna jamba
39 Ary hozy Jesoa:
Tonga aketo amin’izao tontolo izao Izaho mbô hisy fitsarana,
ka hanjary mahita izay tsy mahita,
ary izay mahita indray ho lasa poa-maso.
40 Naharegny an’izany ny Fariseo sanagny takeo ka nagnontany hoe:
Izahay koa ma izany poa-maso?
41 Ary hozy Jesoa taminjareo:
Raha poa-maso ianareo,
dia tsy ho nanan-keloka;
kanefa hozy ianareo hoe:
Mahita izahay;
dia tsy afaka ny helokareo.