8
Fa Jesoa kosa lasana tan-tampontanety Oliva.
2 Kiakan’igny,
mbôla vao tampôlakedahy,
dia niverigna tan-tempoly Jesoa;
ary nitangorogna Taminanjy ny ôlona dahôlo,
dia nentotra Izy ka nampianatra anjareo.
Ilay vehivavy takatra nagnano halangana
3 Nisy vehivavy iraika takatra nagnano halangana,
nindesinjareo tamin’ny mpampiana-dalàna sy Fariseo.
Nataonjareo tagnivon’ny vahoaka takeo izy
4 dia hozy zareo tamin’i Jesoa:
Ô Ramose!
Takatra nagnano halangana ity vehivavy ity.
5 Araka ny Lalànan’i Mosesy dia tokony hotoraham-bato izay vehivavy takatra magnano halangana (Deo 22. 22-24).
Ary raha Aminao dia manakôry?
6 Nagnadina an’izany zareo mbô itsapany fagnahy sy hamandrihany an’i Jesoa.
Kanefa niondrika Izy ary nanoratra tamin’ny tany tamin’ny rantsan-tagnany.
7 Fa mbôla nitohy nagnadina Ananjy ihany zareo,
dia nitraka Jesoa ka nitarea hoe:
Izay mbôla tsy ary nanota taminareo no mitoraha vato voalôhany ananjy.
8 Dia niondrika indray Izy ary nanoratra tamin’ny tany tamin’ny rantsan-tagnany.
9 Rehefa naharegny an’izany tarea izany zareo dia niala tsiraikaraika ka ny ôlona geda no nandeha voalôhany.
Ary Jesoa sy ilay vehivavy nataonjareo tagnivo no sisa tavela takeo.
10 Tampoky ny nitsangana Jesoa dia hozy:
Ô raôlona!
Nankaiza dahôlo ma ny ôlona niampanga anao takeo?
Tsisy nagnameloka anao ma?
11 Dia hozy ilay vehivavy:
Ahaa!
Tsisy avy Ramose.
Ary hozy Jesoa taminanjy:
Izaho koa tsy magnameloka anao.
Mandehana ary aza manota intsony.
Ny fahazavan’izao tontolo izao
12 Dia nitarea tamin’ny ôlona indray Jesoa.
Hozy:
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao;
izay magnaraka Anahy dia tsy handeha amin’ny haizigna fa hanagna ny fahazavana magname fiaignana.
13 Hozy zareo Fariseo Taminanjy:
Tsy marina ny fagnambarana ataonao satria magnambara tegna Ianao.
14 Dia hozy Jesoa:
Na dia magnambara tegna aza Izaho dia marina ny fagnambarana ataoko satria fantatro izay niaveko sy izay hombako;
fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay niaveko na izay hombako.
15 Ianareo mitsara araka ny fomban’ny ôlona;
Izaho tsy mitsara na dia ôlona iraika aza.
16 Na dia mitsara aza anie Izaho dia marina ny fitsarako e satria tsy iraika Izaho fa miaraka amin’ny Daday izay nagnasa Anahy.
17 Voasoratra amin’ny lalànanareo fa marina ny fagnambarana iraika raha mitovy ny raha taravin’ny vavolombelona roay (Deo 19.15).
18 Izaho ihany no vavolombelona magnambara ny tegnako ary Daday izay nagnasa Anahy koa dia vavolombelona magnambara Anahy.
19 Dia nagnadina Ananjy zareo hoe:
Aiza ma Dadainao izany?
Ary hozy Jesoa:
Samby tsy fantatrareo avy na Izaho na Dadaiko satria raha nahafantatra Anahy anareo dia ho nahafantatra ny Dadaiko koa
20 Takaikin’ny toerana fagnanaovana ny rakitra no nitarea an’izany Jesoa,
tamin’Izy nampianatra tan-tempoly;
kanefa tsisy ôlona nagnambotra Ananjy avy satria mbôla tsy fotoanany.
Iza ma Jesoa?
21 Dia hozy indray Jesoa taminjareo:
Handeha Izaho dia hikaraka Anahy ianareo;
kanefa ho foaty amin’ny fahotanareo ianareo.
Tsy afaka handeha aigny amin’izay handehanako ianareo.
22 Dia hozy ny manampahefana Jiosy:
Hamono tegna ma izany Izy no mampatonga Ananjy mitarea hoe:
Tsy afaka handeha aigny amin’izay handehanako ianareo?
23 Dia namaly Jesoa hoe:
Ianareo avy ambany,
fa Izaho avy agnambo.
Ianareo an’izao tontolo izao,
fa Izaho tsy an’izao tontolo izao.
24 Izany no nampahatonga Anahy nitarea taminareo hoe ho foaty amin’ny fahotanareo ianareo.
Raha tsy mino mbôka ianareo fa Izaho no Izy (Eks 3.14),
dia tegna ho foaty amin’ny fahotanareo ianareo.
25 Dia hozy zareo Taminanjy:
Iza ma Ianao?
Dia hozy Jesoa:
Ilay efa notaraviko taminareo letry tam-boalôhany.
26 Betsaka ny raha azoko taravina sy hitsarana anareo.
Kanefa marina Ilay nagnasa Anahy,
ary izay regniko Taminanjy no taraviko amin’izao tontolo izao.
27 Tsy fantatry ny manampahefana Jiosy fa ny Ray no notaraviny taminjareo.
28 Dia hozy Jesoa:
Rehefa asandratrareo ny Zanak’Ôlona,
dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy.
Ho fantatrareo koa fa tsy magnano na ino na ino Aminahy manokana Izaho fa izay nampianaran’ny Dadaiko Anahy no taraviko.
29 Miaraka Aminahy Ilay nagnasa Anahy.
Tsy namela Anahy irerika Izy satria Izaho magnano izay mahafaly Ananjy foagna.
30 Tam-pitaravan’i Jesoa an’izany,
dia efa betsaka ny ôlona nino Ananjy.
Zanak’i Abrahama sa zanaky ny devoly
31 Hozy Jesoa tamin’ny Jiosy izay nino Ananjy:
Raha mitana tsara ny teniko foagna ianareo dia hanjary mpianatro tokoatra.
32 Ary ho hainareo ny marina,
ny marina no hagnafaka anareo tsy ho andevo.
33 Dia hozy ny navalinjareo:
Taranak’i Abrahama izahay fa tsy ary nandevozin’ôlona izany;
ka manakôry no hitaravanao hoe:
Hanjary ôlona afaka ianareo?
34 Dia hozy Jesoa:
Taraviko marina aminareo tsara be fa ny ôlona magnano fahotana dia andevon’ny fahotana.
35 Ny andevo dia tsy ho agnisan’ny fianakaviana mihitsy fa ny zanaka kosa dia agnisany foagna.
36 Araka izany,
raha ny Zanaka no magnafaka anareo tsy ho andevo dia ho afaka tokoatra ianareo.
37 Fantatro fa taranak’i Abrahama ianareo,
kanefa mitady hamono Anahy satria tsy nahazo vahagna agnatinareo ny teniko.
38 Izaho mitarea izay raha hitako tamin’i Dadaiko;
fa ianareo kosa dia mitarea an’izay raha regninareo tamin-drainareo.
39 Dia hozy ny navalinjareo:
Abrahama no dadainay.
Ary hozy Jesoa:
Raha zanak’i Abrahama tokoatrany ianareo dia ho nagnaraka ny raha nataon’i Abrahama.
40 Izao anefa ianareo dia mitady hamono Anahy,
Izaho izay nilaza ny marina taminareo,
dia izay regniko tamin’Andriamagnitra.
Tsy nagnano raha sahala amin’izany Abrahama!
41 Ianareo dia magnaraka ny raha ataon’ny rainareo.
Hozy zareo Taminanjy:
Izahay dia tsy zaza avelagny;
Iraika foagna ny Dadainay,
dia Andriamagnitra.
42 Hozy Jesoa taminjareo:
Raha Andriamagnitra tokoatrany no Rainareo dia ho tia Anahy ianareo satria avy tamin’Andriamagnitra no niaviako sy nandehanako atỳ.
Tsy kiniako no nahatongavako atỳ fa Izy no nandefa Anahy.
43 Magnino ma no tsy azonareo ny raha taraviko?
Satria tsy mahay mitaino ny raha taraviko ianareo.
44 Avy amin’ny devoly rainareo ianareo ka izay tian-drainareo no satrinareo atao.
Mpamono ôlona letry ny ela izy ary tsy nagnano ny marina satria tsisy fahamarinana taminanjy.
Rehefa mandainga izy dia ny ananjy no lazainy satria foatindainga izy sady rain’ny lainga.
45 Izaho kanefa mitarea ny marina dia tsy inoanareo.
46 Iza aminareo ma no afaka magnaporofo fa nagnano fahotana Izaho?
Raha marina ny raha notaraviko,
magnino ianareo no tsy mino Anahy?
47 Izay avy amin’Andriamagnitra dia mitaino ny tarean’Andriamagnitra.
Izany no antony tsy itainoanareo Anahy satria tsy avy amin’Andriamagnitra ianareo.
Jesoa sy Abrahama
48 Hozy ny manampahefana Jiosy namaly Ananjy:
Akôry!
Tsy marina edy ma ny raha notaravinay fa Ianao io dia Samaritana sady misy demonia?
49 Fa hozy Jesoa:
Tsisy demonia Izaho fa magname voninahitra ny Dadaiko,
ianareo indray magnala baraka Anahy.
50 Izaho avy tsy mikaraka voninahitra ho Anahy fa efa misy magnano izany sady mitsara Izy.
51 Taraviko marina aminareo tsara be:
Raha misy ôlona mankatò ny raha taraviko,
dia tsy ho foaty mandrakizay izy.
52 Dia hozy ny manampahefana Jiosy Taminanjy:
Tegna misy demonia Ianao!
Hozy Ianao:
Izay ôlona mankatò ny raha taraviko dia tsy ho foaty mandrakizay;
kanefa ery Abrahama sy ireo mpagnazary izany efa maty.
53 Ianao ma izany ambony noho i Abrahama dadainay izay efa maty?
Efa maty koa ny mpagnazary dahôlo.
Ka mihevitra Anao ho Iza ma izany Ianao?
54 Dia hozy Jesoa:
Raha Izaho no magname voninahitra ny Tegnako,
dia tsisy varany izany voninahitro izany;
kanefa ny Dadaiko izay ataonareo fa Andriamagnitrareo no magname voninahitra Anahy.
55 Tsy fantatrareo avy Izy,
fa Izaho indray mahafantatra Ananjy.
Raha mitarea Izaho hoe tsy mahafantatra Ananjy dia mpandainga sahala aminareo koa.
Kanefa mahafantatra Ananjy Izaho ary ankatoaviko ny raha taraviny.
56 Hafaliana ma ny an’i Abrahama rainareo hahita ny androko!
Ary nahita izy dia faly.
57 Fa hozy ny manampahefana Jiosy Taminanjy:
Ny aigna mbôla tsy ampy dimampolo taona io avy dia efa milaza fa nahita an’i Abrahama!
58 Dia hozy Jesoa:
Taraviko marina aminareo:
Mbôla tsy teraka avy Abrahama dia efa nisy Izaho.
59 Dia nialaka vato hitorahana Ananjy ny ôlona;
fa nipitsa Jesoa ary niala tan-kotanin’ny tempoly.