Tsy mino an’i Jesoa ny rahalahiny
7
Tafaran’igny Jesoa dia nitety ny faritanin’ny Galilia;
tsy te ho aigny Jodia mbôka Izy satria nitady hamono Ananjy ny manampahefana Jiosy.
2 Rehefa akaiky ny fetin’ny Jiosy,
ilay fetin’ny Tragno rantsagna kakazo (Deo 16.13-15),
3 dia hozy ny rahalahiny Taminanjy:
Mialà aketo Ianao dia mandehana aigny Jodia mbô ho hitan’ny mpianatrao aigny ny asa ataonao
4 satria izay te ho fantatr’ôlona dia tsy manitrika ny raha ataony.
Raha matomboka ôhatra an’izao no ataonao ka misehova amin’izao tontolo izao.
5 Na ny rahalahiny aza mbôka dia tsy nino Ananjy.
6 Dia hozy Jesoa taminjareo:
Aminahy dia mbôla tsy fotoanany izao,
fa aminareo dia manjary ny fotoana dahôlo.
7 Tsy afaka ny ho tsy tia vintagna anareo izao tontolo izao;
Izaho no tsy tiany vintagna satria mitarea fa ratsy ny asany.
8 Andao foagna ianareo miakatra mamonjy fety fa Izaho mbôla tsy ho aigny satria Aminahy,
mbôla tsy fotoanany izao.
9 Mbôla nanangana ta-Galilia Jesoa tafaran’ny nitaravany an’izany tarea izany.
Jesoa taigny amin’ny fetin’ny Tragno rantsagna kakazo
10 Rehefa lasana namonjy ny fety ny rahalahiny dia nandeha koa Jesoa;
kanefa tsy nisehoseho Izy fa nisitritsitrika.
11 Nikaraka Ananjy mbôka ny manampahefana Jiosy nandritra ny fety dia nagnadina hoe:
Aiza ma Izy?
12 Ary niresaka moramora momba Ananjy ny ôlona.
Nisy nitarea hoe:
Tegna ôlombelona Igny!
Hozy indray ny hafa:
Ô daday e!
Mpamitaka ôlona Igny!
13 Kanefa tsisy nahasahy niresaka Ananjy samby amaso zareo satria natahotra ny manampahefana Jiosy.
14 Rehefa tam-pisasahan’ny fety dia niakatra tan-Tempoly Jesoa ka nampianatra.
15 Gaga ny manampahefana Jiosy ka hozy zareo:
Nanakôry ma no nahaizan’Ilay Zalahy ity Soratra Masina kanefa ôlona tsy nianatra avy Izy?
16 Fa hozy Jesoa taminjareo:
Tsy avy Aminahy ny fampianarana ataoko fa avy amin’Izay nagnasa Anahy.
17 Raha misy ôlona te hagnano ny sitrapon’Andriamagnitra dia hahafantatra izy na avy amin’Andriamagnitra ny fampianarana ameko na avy Aminahy ny raha taraviko.
18 Ny ôlona mitarea amin’ny agnaran’ny tegnany manokana dia mikaraka voninahitra ho ananjy;
fa izay mikaraka ny voninahitr’ilay nagnasa ananjy no ôlo-marina,
ary tsisy lainga aminanjy.
19 Tsy i Mosesy ma no nagname anareo ny lalàna?
Kanefa tsisy magnara-dalàna ianareo.
Magnino ma ianareo no mitady hamono Anahy?
20 Dia hozy ny ôlona:
Misy demonia Ianao!
Iza ma no mitady hamono Anao akeo?
21 Fa hozy Jesoa:
Raha iraika foagna (Jao 5.2-15) no nataoko,
dia gaga ianareo dahôlo.
22 Mosesy no nagnasa anareo hagnano hasoavana;
kanefa tsy avy taminanjy avy izany fa avy tamin’ny patriarkaa.
Izany no antony mampatonga anareo manapa-jaza na dia amin’ny andro Sabata aza.
23 Magnano hasoavana ianareo na dia amin’ny andro Sabata aza satria magnaraka ny lalànan’i Mosesy.
Dia magnino ma izany ianareo no sosy satria nagnasitragna vatagn’ôlona iray manontolo tamin’ny andro Sabata Izaho?
24 Aza mitsara ambelany fa mitsarà mifagnaraka amin’izay marina.
Jesoa ma ilay Kristy?
25 Ary ny ôlona sanagny ta-Jerosalema dia vaky vava hoe:
Tsy ilay zalahy ity ma ilay tadiavinjareo hovonoina?
26 Jerevo ary Izy fa miresaka amasom-bahoaka kanefa tsisy miteny Ananjy avy.
Sao dia ary efa hain’ny mpitondra fa izy ilay Kristy?
27 Fantatsika ny fiavian’ilay Zalahy ity kanefa amin’ny fotoana hahatongavan’i Kristy dia tsisy ôlona hahafantatra ny toerana hiaveny.
28 Ary niteny mafy Jesoa tamin’Izy nampianatra takao amin’ny tempoly,
ka hozy:
Fantatrareo Izaho ary fantatrareo koa ny toerana niaveko.
Tsy avy Aminahy no antony niaveko,
kanefa marina Ilay nagnasa Anahy,
fa tsy fantatrareo Izy.
29 Izaho mahafantatra Ananjy satria avy aigny Aminanjy Izaho.
Izy no nagnasa Anahy.
30 Dia nitady hanambotra Ananjy ny mpitondra kanefa tsisy nikitika Ananjy avy satria mbôla tsy fotoanany.
31 Betsaka ny ôlona nino Ananjy ka nitarea hoe:
Rehefa tonga i Kristy,
hahavita raha mahagaga mandombolombo an’Ilay r’Ingahy ity ma Izy?
Nasaina hanambotra an’i Jesoa ny mpiambina
32 Regnin’ny Fariseo ny takoritsiky ny vahoaka momba an’i Jesoa ka nagnasa ny mpiambina ny Tempoly zareo hanambotra Ananjy.
33 Dia hozy Jesoa:
Kely sisa ny fotoana hananganako aminareo aketo dia hiverigna ho aigny amin’Ilay nagnasa Anahy Izaho.
34 Hikaraka Anahy ianareo fa tsy hahita Anahy ary tsy azonareo handehanana izay toerana misy Anahy.
35 Dia nifampiresaka ny manampahefana Jiosy hoe:
Handeha ho aiza ma Ilay Zalahy ity no tsy ho hitantsika?
Hankaigny amin’ny Jiosy aigny amin’ny Grika ma izany Izy?
Hampianatra ny Grika ma izany Izy?
36 Ino ma izany no dikan’ny raha notaraviny hoe:
Hikaraka Anahy ianareo fa tsy hahita Anahy ary tsy azonareo handehanana izay toerana hisy Anahy?
Ogny betsaka magname rano mahavelona
37 Tamin’ny andro famaragnana,
izay andro manokana amin’ny fety,
dia nitsangana Jesoa ka niteny mafy hoe:
Magnatògna Anahy hisotro rano izay ôlona main-tenda.
38 Izay mino Anahy dia hisy ogny betsaka magname rano velona miboiboika avy agnatiny,
sahala amin’izay voalazan’ny Soratra Masina (Isa 58.11;
Ezk 47.1-12;
Zak 14.8).
39 Ny Fagnahy izay horaisin’ireo mino Ananjy no notaraviny tamin’izany.
Mbôla tsy namena mbôka ny Fagnahyb tamin’izany fotoana izany satria mbôla tsy niditra tamin’ny voninahiny i Jesoa.
Tsy nifagnara-tsaigna momba an’i Jesoa ny ôlona
40 Rehefa naharegny an’izany teny izany ny sanagny tamin’ny ôlona teo,
dia hozy zareo:
Ity tokoatra Ilay Mpagnazary.
41 Nisy nitarea hoe:
Ity ilay Kristy.
Ary hozy ny hafa:
Angaha avy a-Galilia no fiavian’i Kristy?
42 Angaha ma tsy voalazan’ny Soratra Masina fa avy amin’ny taranak’i Davida sady avy aigny Betlehema izay tany nipetrahan’i Davida no fiavian’i Kristy (Mik 5. 1)?
43 Dia tsy nifagnara-tsaigna ny momba an’i Jesoa ny ôlona.
44 Ary nisy nitady hanambotra Ananjy kanefa tsisy nikitika Ananjy na dia iraika aza.
Ny tsy finoan’ny manampahefana Jiosy
45 Dia niverigna tamin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny Fariseo ny mpiambina ny Tempoly ka nadininjareo hoe:
Nagnino ma no tsy nindesinareo Izy?
46 Ary namaly ny mpiambina hoe:
Tsy ary mbôla nisy ôlona nitarea sahala amin’igny lehilahy igny.
47 Fa hozy ny Fariseo:
Tegna voafitaka koa ianareo ka!
48 Angaha ma nisy manampahefana na Fariseo nino Ananjy?
49 Voaozogna ireto vahoaka tsy mahay ny Lalàna ireto.
50 Ary Nikodemosy,
iraika tamin’ny manampahefana,
ilay avy nikoragna tamin’i Jesoa talôha igny,
dia nitarea taminjareo hoe:
51 Ny lalànantsika ma magnameloka ôlona alôhan’ny fitainoana ananjy sy ny fahafantarana ny raha nataony?
52 Dia hozy zareo taminanjy:
Angaha ma avy a-Galilia koa ianao ity?
Diniho tsara dia ho hitanao fa tsisy mpagnazary avy a-Galilia izany.
53 Dia samby lasana nody tan-dragnony zareo dahôlo.