Ny lalana mankaigny amin’i Daday
14
Dia hozy Jesoa tamin’ny mpianany:
Aza malahelo.
Minoa an’Andriamagnitra,
ary minoa Anahy koa.
2 Misy tragno betsaka manjary ipetrahana aigny an-tanànan’i Dadaiko.
Raha tsy marina avy izany dia tsy hitarea aminareo Izaho hoe handeha hagnomagna toerana ho anareo.
3 Ary raha handeha Izaho dia hagnomagna toerana ho anareo.
Hiverigna izaho avy akeo hialaka anareo mbô ho aigny Aminahy ka ho aigny amin’izay toerana misy Anahy koa ianareo
4 Fantatrareo ny lalana mankaigny amin’izay tany ombako.
5 Dia hozy Tomasy tamin’i Jesoa:
Ô Ramose,
tsy fantatray avy izay tany ombanao;
ka manakôry ma izany no ahafantaranay ny lalana?
6 Hozy Jesoa:
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiaignana;
tsisy ôlona afaka mankaigny amin’i Daday raha tsy mandalo Aminahy.
7 Raha hainareo Izaho dia ho hainareo koa ny Dadaiko;
efa mahay Ananjy ianareo izao ary efa nahita Ananjy.
8 Dia hozy Filipo:
Ô Ramose!
Aboagno aminay ary Daday dia efa ampy anay.
9 Fa hozy Jesoa taminanjy:
Ô leroa Filipo!
Aelan’izay niarahako taminareo izay ma dia mbôla tsy hainao foagna izaho?
Izay nahita Anahy dia efa nahita an’i Daday.
Magnino ma ianao no mitarea hoe:
Aboagno aminay i Daday?
10 Tsy mino ma ianao fa akato Aminahy i Daday?
Tsy mino koa ma ianao fa Izaho akao amin’i Daday?
Tsy avy aminahy ny tarea izay taraviko aminareo;
fa i Daday izay akato Aminahy no magnano ny asany.
11 Minoa Anahy fa Izaho akao amin’i Daday ary Izy Aminahy akato;
na raha tsy izany dia minoa Anahy foagna noho ny asa Ataoko.
12 Taraviko aminareo tsara be:
Izay mino Anahy dia hagnano ny asa izay Ataoko.
Hagnano asa matomboka mandombolombo an’izany aza izy satria Izaho mankaigny amin’i Daday.
13 Izay raha dahôlo hangatahinareo amin’ny Agnarako dia hataoko mbô hagnamezana voninahitra ny Ray akao amin’ny Zanaka.
14 Izay raha dahôlo hangatahinareo amin’ny Agnarako dia hataoko.
Ny Mpagnanatra
15 Raha tia Anahy ianareo dia hagnaraka ny didiko.
16 Ary hangataka amin’i Daday Izaho mbô hagnamezany anareo Mpagnanatra hafa hiaraka aminareo akeo foagna,
17 dia ny Fagnahin’ny fahamarinana mbôka izany.
Tsy hain’izao tontolo izao raisina Izy satria sady tsy hitany no tsy fantany.
Mahafantatra Ananjy anefa ianareo satria miaraka mipetraka aminareo Izy sady ho akao agnatinareo.
18 Tsy avelako ho kamboty ianareo fa hiverigna atỳ aminareo Izaho.
19 Vetiketika foagna dia tsy hahita Anahy intsony izao tontolo izao kanefa hahita Anahy ianareo.
Velona mbôka Izaho dia ho velona koa ianareo.
20 Amin’izany andro izany dia ho hainareo fa Izaho akao amin’i Dadaiko ary ianareo akao Aminahy,
ary Izaho akao aminareo.
21 Ny ôlona tia Anahy dia mankatô ny didiko ary magnaraka an’izany.
Izay tia Anahy dia ho tian’i Dadaiko,
ary Izaho koa ho tia Ananjy ka hiboagna Aminanjy.
22 Dia hozy Jodasy,
tsy Iskariota,
Taminanjy:
Ô Ramose!
Magnino ma no aminay foagna Ianao no miboagna fa tsy amin’izao tontolo izao koa?
23 Ary hozy Jesoa:
Ny ôlona tia Anahy dia hagnaraka ny raha notaraviko;
ho tia ananjy ny Dadaiko,
ho akao aminanjy Izahay ka hiaraka hipetraka akao.
24 Fa ny ôlona tsy tia Anahy kosa indray dia tsy mbô magnaraka ny raha notaraviko.
Tsy avy Aminahy ny teny izay regninareo,
fa avy amin’i Daday izay nagniraka Anahy.
25 Dieny mbôla miaraka aminareo Izaho dia mitarea an’izany teny izany aminareo.
26 Fa ny Mpagnanatra,
dia ny Fagnahy Masina izay asain’ny Daday amin’ny Agnarako,
Izy no hampianatra anareo ny raha dahôlo sady hampahatsiaro anareo ny raha dahôlo notaraviko taminareo.
27 Avelako aminareo ny fiadanana.
Ameko anareo ny fiadanako.
Tsy sahala amin’ny fiadanana amen’izao tontolo izao ny fiadanana ameko anareo.
Araka izany,
aza malahelo na matahotra.
28 Efa regninareo Izaho nitarea taminareo hoe:
Handeha Izaho fa mbôla hiverigna aketo aminareo.
Raha tia Anahy ianareo dia ho faly satria mandeha amin’ny Daday akaigny Izaho;
i Daday mbôka dia geda mandombolombo Anahy.
29 Dieny mbôla tsy tonga izany raha dahôlo izany,
dia mitarea aminareo Izaho amin’izao,
mbôry izay mino ianareo,
rehefa tonga izany.
30 Tsy hikoragna raha betsaka aminareo intsony Izaho satria avy ilay andrianan’izao tontolo izao,
ary tsy managna fahefana Aminahy Izy.
31 Kanefa tsy maintsy hain’izao tontolo izao fa tiako ny Daday,
ary araka izay raha asain’ny Daday ataoko no ataoko.
Mitsangàna!
Andao atsika hiala aketo.