Ny tegna voaloboka
15
Tafaran’izany dia hozy Jesoa:
Izaho no tegna voaloboka ary ny Dadaiko no mpikarakara.
2 Ny sampagny dahôlo akeo Aminahy izay tsisy voany dia tapahany;
fa ny sampagny dahôlo mamoa kosa dia dioviny tsara mbô tegna hamokatra betsaka.
3 Efa madio ianareo avy amin’ny tarea izay nolazaiko taminareo.
4 Mikambàna Aminahy sahala Aminahy izay mikambana aminareo.
Raha tsy mikambana Aminahy ianareo,
dia sahala amin’ny sampagna izay tsy afaka mamoa ho ananjy satria tsy mikambana amin’ny voaloboka.
5 Izaho no voaloboka,
ianareo no sampagny.
Izay mikambana Aminahy sy ikambanako dia mamokatra betsaka;
fa raha misaraka Aminahy kosa ianareo,
dia tsy mahavita magnano na ino na ino.
6 Izay tsy mikambana Aminahy dia arian’ny mpikarakara aigny ivelany,
sahala amin’ny sampagna notapahana;
ho maigna izy dia handrona ary hodoròana agnaty afo ka ho may.
7 Raha mikambana Aminahy foagna ianareo,
ka mipetraka agnatinareo akao ny tareako,
dia afaka mangataka izay raha dahôlo tianareo ianareo fa ho azonareo izany.
8 Raha mamokatra betsaka ianareo dia tegna mpianatro tokoatrany,
ary izany dia magname voninahitra ny Dadaiko.
9 Tia Anahy foagna ny Ray,
dia sahala amin’izany koa no nitiavako anareo;
miraiketa amin’ny fitiavako.
10 Raha mankatô ny didiko ianareo,
dia hiraika amin’ny fitiavako,
sahala amin’ny ankatoavako ny didin’ny Dadaiko sy hiraiketako amin’ny fitiavany.
11 Notaraviko taminareo izany raha izany mbô hanagnanareo ny fifaliako ary ho ampoka ny fifalianareo.
12 Izao no didiko:
Mifankatiava sahala amin’ny nitiavako anareo.
13 Tsisy managna fitiavana gedagedan’izao,
dia ny magname ny aignany ho an’ny namany.
14 Tegna namako ianareo raha mankatô an’izay raha andidiako anareo.
15 Tsy hataoko hoe gaognako intsony ianareo satria ny gaogna tsy mahafantatra izay raha ataon’ny patirôny;
fa tegna namako ianareo satria izay raha efa regniko tamin’i Dadaiko dia tsisy nasitriko anareo.
16 Tsy ianareo no nisafidy Anahy.
Izaho no nisafidy anareo sy nagnasa anareo mbô handeha sy hamoa,
ary mbô hateza ny vokatra indesinareo.
Ary hamen’ny Daday anareo izay raha dahôlo hangatahinareo amin’ny Agnarako.
17 Izany raha izany no andidiako anareo:
Mifankatiava!
Halan’izao tontolo izao Jesoa sy ny mpianany
18 Raha halan’izao tontolo izao ianareo dia fantaro fa Izaho efa halany talôhanareo.
19 Ho tian’izao tontolo izao ianareo raha avy aminanjy;
kanefa ianareo tsy avy amin’izao tontolo izao satria Izaho no nisafidy anareo avy taminjareo takeo,
dia manjary halany ianareo.
20 Tsarôvy ny raha izay notaraviko taminareo hoe:
Tsy geda mandombolombon’ny patirôny ny gaognan’ôlona.
Raha nanenjika Anahy izy dia hagnenjika anareo koa;
ary raha mankatô ny raha taraviko izy dia hankatô ny raha taravinareo koa.
21 Fa avy amin’ny Agnarako no hagnanaovanjareo an’izany raha dahôlo izany satria tsy hainy izay nagnasa Anahy.
22 Raha tsy avy Izaho ary raha tsy nitarea taminanjy dia tsy ho meloka izy.
Fa amin’izao,
dia tsisy raha azony atao hiarovany ny tegnany avy amin’ny raha tsy manjary nataony.
23 Izay tsy tia Anahy dia tsy tia an’i Daday koa.
24 Betsaka ny raha nataoko izay mbôla tsisy nagnano takeo aminjareo.
Raha tsy nagnano an’izany Izaho dia tsy ho meloka zareo.
Fa amin’izao dia efa hitanjareo ny raha nataoko kanefa halany Izaho sy ny Dadaiko.
25 Izany anefa dia manatanteraka ny raha voasoratra akao amin’ny Lalànany magnano hoe:
“Tsisy antony hankahalany Anahy” (Sal 69. 4; 109. 3).