16
Efa notaraviko taminareo izany tarea izany mbô tsy hialanareo amin’ny finoanareo.
2 Horoasiny tsy ho agnisan’ny sinagoga ianareo.
Ho avy ny fotoana hieritreretan’izay ôlona dahôlo mamono anareo fa manompo an’Andriamagnitra zareo.
3 Hataonjareo izany raha izany satria samby tsisy hainjareo avy na Daday na Izaho.
4 Efa notaraviko taminareo izany tarea izany,
amin’izay rehefa tonga ny fotoanany dia ho tsarôvanareo fa efa notaraviko taminareo izany raha dahôlo izany.
Ny asan’ny Mpampahery
Tsy mbô notaraviko taminareo letry tam-boalôhany izany raha izany satria mbôla tatỳ aminareo foagna Izaho.
5 Fa amin’izao,
ho aigny amin’Ilay nagniraka Anahy Izaho;
tsisy magnadina Anahy ianareo na dia iraika aza hoe:
Handeha ho aiza ma Ianao?
6 Satria notaraviko taminareo izany dia tegna malahelo ianareo.
7 Kanefa taraviko aminareo ny marina fa mampatsara anareo ny fandehanako;
raha tsy mandeha mbôka Izaho dia tsy ho avy ny Mpagnanatra.
Rehefa mandeha kosany Izaho dia hasaiko mankatỳ aminareo Izy.
8 Ary rehefa tonga Izy dia hampamosa an’izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana mbaraky ny fitsarana:
9 Ny fahotana satria tsy hinoanjareo Izaho;
10 ny fahamarinana satria ho aigny amin’i Daday Izaho ka tsy hahita Anahy intsony ianareo,
11 ary ny fitsarana satria efa voatsara ny andrianan’izao tontolo izao.
12 Betsaka ny raha tokony ho taraviko aminareo fa mbôla tsy zakanareo avy izany amin’izao.
13 Fa rehefa tonga ny Fagnahin’ny fahamarinana dia Izy no hitarika anareo ho aigny amin’ny raha marina dahôlo.
Tsy hitarea amin’ny sitrapony Izy,
fa ho taraviny izay raha dahôlo regniny;
ka na ny raha ho avy aza dia hambarany aminareo.
14 Hagname voninahitra Anahy Izy satria hialaka avy amin’ny Anahy ka hagnambara an’izany aminareo.
15 Anahy dahôlo izay fanagnan’ny Daday,
ka izany no mampatonga Anahy hitarea fa hialaka avy amin’ny Anahy ny Fagnahy ka hagnambara an’izany aminareo.
Hanjary fifaliana ny alahelo
16 Vetiketika foagna dia tsy hahita Anahy intsony ianareo;
ary vetiketika foagna dia hahita Anahy indray.
17 Dia hozy ny sanagny tamin’ny mpianany:
Ino ma izany ny raha tiany taravina amintsika amin’ilay hoe:
Vetiketika foagna dia tsy hahita Anahy intsony ianareo;
ary vetiketika foagna dia hahita Anahy indray satria ho aigny amin’i Daday Izaho?
18 Ary ino ma izany no tiany taravina amin’ilay hoe vetiketika foagna?
Tsy haintsika izay raha taraviny.
19 Hain’i Jesoa fa tia hagnontany Ananjy ny mpianatra ka hozy:
Mifagnadina ny amin’ny raha tiako hotaravina ianareo satria hozy Izaho hoe:
Vetiketika foagna dia tsy hahita Anahy intsony ianareo;
ary vetiketika foagna dia hahita Anahy indray.
20 Taraviko aminareo marina tsara be fa hitomagny sady hisaona ianareo,
fa izao tontolo izao hifalifaly;
halahelo ianareo,
ary avy akeo hanjary fifaliana ny alahelonareo.
21 Mijaly ny vehivavy hamaitra rehefa mihetsi-kibo satria efa akaiky ny fotoana hahaterahany;
fa rehefa teraka izy dia tsy tsarôvany intsony ilay fijaliany satria faly izy avy amin’ny fahaterahan’ny zaza iraika aketo ambonin’ny tany.
22 Amin’izao ianareo dia mijaly;
nefa mbôla hahita anareo Izaho ka ho ampoky ny hafaliana ny fonareo,
ary tsisy afaka hagnala an’izany hafalianareo izany.
23 Ary amin’izany andro izany dia tsy hagnadina na ino na ino Aminahy ianareo.
Taraviko aminareo marina tsara be fa hamen’ny Daday anareo izay raha dahôlo hangatahinareo amin’ny Agnarako.
24 Tsy ary mbôla nangataka na ino na ino tamin’ny Agnarako ianareo hatramin’izao;
mangataha ary dia hahazo ianareo,
amin’izay dia ho ampoka ny fifalianareo.
Jesosy, efa naharesy an’izao tontolo izao
25 Nampiasa fagnoharana Izaho tamin’ny nitarea an’izany raha dahôlo izany taminareo;
fa ho avy ny fotoana tsy hampiasako fagnoharana aminareo intsony,
fa ho taraviko tsotra aminareo ny momba an’i Daday.
26 Amin’izay fotoana izay dia hangataka raha amin’ny Agnarako ianareo;
fa tsy hoe Izaho no hangataka an’izany ho anareo amin’i Daday.
27 Tian’i Daday mbôka ianareo satria tia Anahy sady mino fa avy Aminanjy koa Izaho.
28 Avy Aminanjy tokoatrany Izaho no tonga aketo amin’izao tontolo izao;
dia hiala aketo indray Izaho ka hiverigna aigny Aminanjy.
29 Dia hozy ny mpianany:
Amin’izao Ianao mitarea tsotra aminay fa tsy mampiasa fagnoharana.
30 Ary hainay izao fa mahay ny raha dahôlo Ianao ary tsy mandigny ôlona hagnadina Anao avy.
Ary izany no hinoanay fa avy amin’Andriamagnitra tokoatra Ianao.
31 Fa hozy Jesoa:
Mino Anahy izany anareo izao?
32 Tonga ny fotoana,
ary tegna efa tonga tokoatrany.
Hizarazara ianareo ka samby handeha amin’ny tany hombàny,
dia ho havelanareo irerika Izaho;
kanefa tsy irerika Izaho fa miaraka Aminahy Daday.
33 Efa notaraviko taminareo izany tarea izany mbô hanagnanareo fiadanana Aminahy.
Hitondra fahoriana ianareo aketo amin’izao tontolo izao;
kanefa mahereza fa Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.