Mivavaka ho an’ny mpianagny Jesoa
17
Tafaran’izany,
dia nianga ny lôhan’i Jesoa ary nijery ny lagnitra Izy ka nitarea hoe:
Ô Daday!
Tonga ny fotoana.
Aboagno ny voninahitry ny Zanakao,
mbô hagnaboagnany ny voninahitrao koa.
2 Namenao fahefana amin’ny ôlona dahôlo mbôka izy mbô hagnome fiaignana mandrakizay ho an’izay namenao Ananjy.
3 Ny fiaignana mandrakizay dia izao:
Ny fahafantarana Anao,
Andriamagnitra iraika sady marina,
sy Jesoa Kristy,
Ilay nasainao.
4 Efa naboagnako taketo ambonin’ny tany ny voninahitrao,
tamin’ny nagnanaovako ny asa nasainao nataoko.
5 Ô Daday,
ankahitrio dia omeo Anahy amasonao akeo ny voninahitra izay niarahako nanagna Taminao talôhan’ny namoronana an’izao tontolo izao.
6 Nampahafantariko ny ôlona izay nosafidinao tamin’izao tontolo izao mbô hamena Anahy ny Agnaranao.
Anao zareo iregny no namenao Anahy,
ary nankatô ny Teninao.
7 Fantanjareo izao fa avy Taminao ny raha dahôlo namenao Anahy
8 satria nampitaiko taminanjy ny tarea namenao Anahy ka noraisiny;
fantanjareo fa avy Aminao tokoatrany Izaho ary nino zareo fa tegna Ianao no nagnasa Anahy.
9 Ho anjareo no ivavahako.
Tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao Izaho fa ho an’izay namenao Anahy satria Anao zareo iregny.
10 Izay raha dahôlo Anahy dia Anao,
ary izay raha dahôlo Anao dia Anahy koa.
Ary miboagna aminjareo ny voninahitro.
11 Fa tsy ho aketo amin’izao tontolo izao intsony Izaho satria handeha ho aigny Aminao;
fa zareo foagna ny aketo.
Ô Daday!
Masina Ianao!
Arôvy amin’ny Agnaranao,
dia ilay Agnarana izay namenao Anahy,
zareo ireo mbô ho iraika foagna,
sahala amintsika sy Ianao izay iraika foagna.
12 Nandritran’Izaho taminjareo taketo dia narôvako tamin’ny Agnaranao izay namenao Anahy zareo.
Narôvako zareo ka tsisy very na dia tokana,
afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana foagna mbô hahatanteraka ny Soratra Masina.
13 Ho aigny Aminao Izaho izao;
ary taraviko izany dieny mbôla aketo amin’izao tontolo izao mbô ampoky ny fifaliako zareo.
14 Efa nameko anjareo ny Teninao;
ary halan’izao tontolo izao zareo satria tsy avy aminanjy,
sahala Aminahy tsy avy aminanjy koa.
15 Tsy ny hangala ananjy amin’izao tontolo izao no iangaviko Anao,
fa mbô hiaro anjareo amin’Ilay Ratsy.
16 Tsy an’izao tontolo izao izy,
sahala Aminahy tsy an’izao tontolo izao.
17 Hamasino amin’ny fahamarinana zareo satria ny Teninao no fahamarinana.
18 Sahala amin’ny nagnasanao Anahy hankaty amin’izao tontolo izao no hagnasako anjareo ho aigny amin’izao tontolo izao.
19 Ary ho anjareo no agnamasinako ny tegnako,
mbô hagnamasinana ananjy amin’ny fahamarinana.
20 Tsy ho an’ireto mpianatra ireto foagna no ivavahako,
fa ho an’izay ôlona dahôlo mino Anahy avy amin’ny raha ampianarinjareo.
21 Mivavaka Izaho mbô hanjary iraika zareo dahôlo;
mivavaka koa Izaho mbô hiraika Amintsika zareo sahala Aminao akato Aminahy,
ary sahala Aminahy akao Aminao;
ary mivavaka Izaho mbô hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no nagnasa Anahy.
22 Nameko anjareo ny voninahitra izay efa namenao Anahy,
mbô hanjary iraika zareo,
sahala Amintsika sy Ianao izay iraika foagna:
23 Izaho aminjareo ary Ianao akato Aminahy.
Mbôry izay dia tegna iraika tokoatrany zareo,
ary mbô ho hain’izao tontolo izao fa Ianao no nagnasa Anahy ary tianao sahala amin’ny nitiavanao Anahy izao tontolo izao.
24 Ô Daday!
Namenao Anahy zareo ireo ary tiako mbô ho aigny amin’izay misy Anahy koa,
mbô hahitany ny voninahitro,
dia ilay voninahitra namenao Anahy satria tia Anahy Ianao letry ny namoronana an’izao tontolo izao.
25 Ô Daday!
Marina Ianao!
Na dia tsy nahafantatra Anao aza izao tontolo izao,
dia Izaho indray nahafantatra Anao,
ary zareo ireto dia mahafantatra fa Ianao no nagnasa Anahy.
26 Efa nampafantariko anjareo ny Agnaranao,
ary mbôla hampafantariko foagnany,
mbôry izay ny fitiavana izay nitiavanao Anahy dia ho akao aminjareo,
ary Izaho koa ho akao aminjareo.