Ny handravana ny Tempoly
13
Rehefa niala tan-kotanin’ny Tempoly takeo Jesoa, dia hozy ny iraika tamin’ny mpianany: Ô Ramose! Jerevo ma ny hatsaran’ireto vato ireto sy ny fomba nandrafetana ananjy e! 2 Dia hozy Jesoa taminanjy: Hitanao ma ireo rafitra geda ireo? Horavana ireo raha dahôlo ireo ka tsy hasiana vato hifanovogna tavela akeo.Ny famantarana ny hiavian’ny farany
3 Ary niantotra tantampontanety Oliva fanjohy ny Tempoly Jesoa, dia nagnadina Ananjy mangingina ery Petera izin’ny Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe: 4 Mbô taravo aminay edy ma, oviana ma izany no hitranga? Dia ino no hamantarana fa ho avy izany raha dahôlo izany?
5 Dia hozy Jesoa: Mitandrema mbô tsy ho voafitak’ôlona ianareo. 6 Fa betsaka ny hisandoka ny agnarako ka hitarea hoe: ‘Izaho no Mesia!’ Dia betsaka ny ho voafitagny. 7 Raha maharegny ady na filazana ady ianareo dia aza matahotra avy satria raha tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbôla tonga avy ny andro farany. 8 Fa hisy firenena hiady amina firenena hafa, hisy fanjakana hiady amina fanjakana hafa, hisy horohorontany aigny amin’ny vazan-tany samihafa ary hisy silaona koa; izany raha dahôlo izany no fiandohan’ny fahoriana. a
9 Mitandrema fa noho ny Aminahy, dia hisy ôlona hitoroka aigny amin’ny Sinedriona sy hagnamontsagna anareo aigny amin’ny sinagoga. Ary hitsangana agnoloan’ny governora sy ny mpanjaka koa ianareo ka hijoro vavolombelona aminjareo. 10 Fa tsy maintsy hitoriana ny Tarea Maharavo malôha ny firenena dahôlo. 11 Rehefa ndesiny hotsaraina ianareo dia aza miasa lôha amin’izay raha hotaravinareo. Hamena anareo aminjany fotoana izany ny raha hotaravinareo satria tsy ianareo no miteny fa ny Fagnahy Masina.
12 Hisy ôlona hanolotra ny kiboraika aminanjy hovonoina, ny ray koa hanolotra ny zanagny; ny zanaka hanohitra ny rainy sy reniny sady hahafaty anjareo. 13 Ho halan’ôlona dahôlo ianareo noho ny Aminahy; fa izay mahadigny hatramin’ny farany no hovonjena.
Fijaliana tsisy ôhatra izany
14 Rehefa hitanareo mitsangana amin’izay tsy tokony hitsanganany “ilay mpandrava tsy vantagna” (Dan 12.11; 9.27) (tokony hahazo ognon-draha izay mamaky an’izany), dia milefasa aigny an-tanety izay ôlona aigny Jodia. 15 Aza midigna hialaka raha an-dragno intsony izay aigny an-tampontragno. 16 Ary aza miherigna mialaka akanjo izay aigny an-tanimboly. 17 Ho azon-draha ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany fotoana izany.
18 Mivavaha ianareo mbô tsy ho amin’ny rirignina no hitrangan’izany. 19 Fa amin’izay fotoana izay dia hisy fijaliana mbôla tsy ary nisy ôhatra izany, letry nagnanaovan’Andriamagnitra an’izao tontolo izao mandraka ity nigniany, ary tsy hisy ôhatra izany intsony. 20 Ary raha tsy nafohezin’ny Tômpo izany fotoana izany, dia tsy nisy ôlona ho voavonjy, kanefa noho ny amin’ireo ôlona nofidiny dia nafoheziny izany.
21 Amin’izany fotoana izany, aza inoana avy raha misy ôlona mitarea aminareo hoe: Atỳ Kristy na Arỳ Kristy, 22 satria hisy Kristy sandoka sy mpagnazary sandoka hipoitra; hagnano famantarana sy raha mahagaga zareo mbô hamitahana ôlona, hatramin’ny ôlom-boafidy koa aza raha azonjareo atao. 23 Mitandrema ianareo! Efa notaraviko taminareo edy izany raha dahôlo izany.
Ny fiavian’ny Zanak’Ôlona
24 Afaran’izany andro fijaliana izany,
dia hanjary maizigna ny masoandro,
tsy hazava ny volana,
25 hiraraka avy aigny an-dagnitra ny kintana
ary hihozongozogna ny hery izay amin’ny lagnitra.
26 Amin’izay, ho hita avy aigny amin’ny rôndro ny Zanak’Ôlona amin’ny hery matomboka sy ny voninahitra. 27 Ary hagniraka ny anjeliny Izy hagnandroka ny ôlom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faran’ny tany ka hatraigny amin’ny faran’ny lagnitra.
Akaiky ny fanjakan’Andriamagnitra
28 Mianara avy amin’ny fagnoharana mikasika ny aviavy: Raha vao mitsiry ny rantsagny ka mandravina dia hainareo fa efa akaiky ny lôhataona. 29 Dia sahala aminjany koa ianareo, raha vao hitanareo izany raha dahôlo izany dia fantaro fa efa akaiky, efa am-baravaragna akao Izy.
30 Taraviko aminareo tsarany fa tsy ho lany tamingana ity taranaka ity mandra-pihavin’izany raha dahôlo izany. 31 Ho levona ny tany aman-dagnitra fa tsy mbô ho levona ny teniko.
Andriamagnitra sambirerika no mahay ny andro sy ny lera
32 Tsisy mahay ny momba izany andro sy lera izany avy, na ny anjely aigny an-dagnitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray sambirerika.
33 Mitandrema, miambesa ka mivavaha fa tsy lalanareo izay hiavian’ny fotoana. 34 Ôhatry ny ôlona nisy dia lavitra nataony mbôka izy izany, nilaosany ny tragnony, ka nameny andraikitra ny gaognany samby araka ny tandrify anjareo dahôlo ary nobaikoany ny mpiambina mbô hiambina tsara. 35 Ka miambesa ianareo fa tsy lalanareo izay hiavian’ny tômpontragno, na ho hariva, na ho misasakalina, na ho magneno akoho, na ho ampolakiaka, 36 fa sao dia tonga tampoka izy ka takany mandry ianareo. 37 Ary izao raha taraviko aminareo izao dia taraviko amin’ôlona dahôlo koa: Miambesa e!