Ny rakitra nalatsak’ilay mpitondratena
21
Nahatazagna mpanankarena iraika nandrotsaka rakitra tamin’ny fanatazan-drakitra Jesoa, 2 ary nahita mpitondratena mahaforaigna iraika nandatsaka vola madinika roa koa Izy. 3 Dia hozy: Taraviko aminareo marina tsara be fa io mpitondratena mahaforaigna io no efa nandrotsaka betsaka mandombolombo ny ôlona dahôlo. 4 Fa ireo ôlona ireo, dia tamin’ny habetsaky ny fanagnany no nandrotsahany rakitra; fa izy indray, na dia takeo aza ny fahasahiranany, dia nagname ny raha dahôlo nanagnany tokony hivelomany.
Ny nagnambaran’i Jesoa ny handravana ny Tempoly
5 Nisy nilaza fa voaravaka vatosoa sy fagnatitra manokana ny Tempoly; 6 dia hozy Jesoa: Ho avy ny andro, horavana dahôlo ireo raha hitanareo ireo ka tsy hasiana vato hifanovogna tavela akeo.
Ny hahaizana ny hiavian’ny farany
7 Nagnadina Ananjy zareo hoe: Ô Ramose! Oviana ma izany no hitranga? Ino ma no ahaizanay fa efa ho avy izany?
8 Dia hozy Jesoa: Mitandrema sao dia ho voafitaka ianareo. Betsaka ny ho avy amin’ny Agnarako sady hagnano hoe: ‘Izaho no Mesia!’ sy hoe: ‘Efa ho avy ny fotoana!’ Aza magnaraka ananjy. 9 Raha maharegny ady sy kotaba ianareo dia aza matahotra satria tsy maintsy ho avy malôha izany, fa mbôla tsy amin’izay ny farany.
10 Dia hozy koa Jesoa: Hisy firenena hiady amina firenena hafa, ary hisy fanjakana hiady amina fanjakana hafa. 11 Hisy horohorontany be sy silaona ary areti-mandringana aigny amin’ny tany samihafa, ary hisy raha mampatahotra sy famantarana geda be amin’ny lagnitra.
Fagnenjehana, famantarana farany geda
12 Alôhan’ny hahatongavan’izany raha dahôlo izany, dia hosamborina ianareo, hoenjehina sy haterina akaigny amin’ny sinagoga ary hogadraina, ka hindesina akeo agnoloanan’ny mpanjaka sy ny manampahefana noho ny Agnarako. 13 Ho avy izany raha dahôlo izany mbô hijoroanareo vavolombelona noho ny Aminahy. 14 Ataovy tsara akao an-dôhanareo fa tsy tokony hiasa lôha ianareo amin’izay havalinareo ho fiarovan-tegna; 15 fa Izaho no hampiteny sy hagname fahendrena anareo, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo dahôlo valiana na resena. 16 Na dia ny ray sy ny reny, ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza aza dia hanolotra anareo ka hovonoiny ny asagnany aminareo.
17 Ho halan’ôlona dahôlo ianareo noho ny Agnarako. 18 Nefa tsy hisy ho very na dia ny singam-bolo iraika amin’ny lôhanareo aza. 19 Mahadignesa dia ho voatana ny aignanareo.
Ny fandravana an’i Jerosalema
20 Rehefa hitanareo sangodignin’ny miaramila ny tanànan’i Jerosalema, dia fantaro fa efa akaiky ny fandravana ananjy. 21 Amin’izay andro izay, izay aigny Jodia, milefà aigny an-tanety; izay akao a-Jerosalema, milefà aigny am-belany; ary izay aigny an-tanimboly, aza mody an-tanàna intsony. 22 Fa izay andro izay no andro famalian’Andriamagnitra ka hahatanteraka izay raha dahôlo voasoratra. 23 Ho azon-draha ny bevohoka sy ny mitaiza kely aminjany andro izany satria hisy fahoriana be aketo amin’ity tany ity ary fahatezerana amin’ity firenena ity. 24 Ho ripaka amin’ny sabôha izy ka ho nindesina ho babon’ny firenena dahôlo, ary ho kitsahin’ny Jentilisa Jerosalema mandrapaha-tapitry ny andro natao hanjakan’ny firenena hafa.
Ny fiavian’ny Zanak’Ôlona
25 Hisy famantarana amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Hambory sady ho lany fagnahy ny firenena dahôlo ambonin’ny tany takatry ny feon’ny ranomasina sy ny fagnonjany. 26 Ho reraka ny fon’ny ôlona takatry ny fahatahorana sy ny fiandrasana izay raha ho avy ambonin’ny tany satria hohozongozognina ny herin’ny lagnitra. 27 Hahita ny Zanak’Ôlona avy amin’ny rôndro amin-kery sy voninahitra be ny ôlona amin’izay fotoana izay. 28 Raha vao manomboka izany raha dahôlo izany, dia mitrakà, ka miandrandrà fa efa akaiky ny fagnavotana anareo.
Akaiky ny fanjakan’Andriamagnitra
29 Nagnano fagnoharana iraika taminjareo Jesoa hoe: Jerevo ny aviavy sy ny kakazo dahôlo. 30 Raha vao hitanareo mandravina ireo, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lôhataona. 31 Ôhatra izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa avy izany raha dahôlo izany, dia fantaro fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamagnitra. 32 Taraviko aminareo tsarany fa tsy ho lany tamingana ity taranaka ity mandra-pihavin’izany raha dahôlo izany. 33 Ho levona ny tany aman-dagnitra, fa tsy mbô ho levona ny teniko.
Ny ilàna ny fiambesana
34 Mitandrema fa sao dia vesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiasan-dôha amin’izao fiainana izao ny fonareo, ka ho tampoka aminareo sahala ny fandrika izany andro izany. 35 Hahazo ny ôlona dahôlo ambonin’ny tany izany raha izany. 36 Miambesa ary mivavaha tsy an-kijanona, mbô hahery ianareo sady hahavita miala izany raha dahôlo izany ka hitsangana agnatrehan’ny Zanak’Ôlona.
Ireo andro faramparany niaignan’i Jesoa
37 Isan’andro dia nampianatra tan-kianjan’ny tempoly Jesoa tamin’ny atoandro; ary nivoaka nankaigny an-tampon-tanety Oliva Izy tamin’ny alina. 38 Vao maraina dia efa tonga tan-kianjan’ny Tempoly indray ny ôlona mbô hitaino Ananjy.