Notsarain’i Pilato Jesoa
23
Dia nitsangana ny ôlona dahôlo ka nindesinjareo taigny amin’i Pilato Jesoa.2 Hozy zareo niampanga Ananjy: Hitanay ity iraikalahy ity nampisalahoaka ny firenenay sady nisakana ny ôlona tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ary nilaza ny tegnany ho Kristy Mpanjaka. 3 Nagnadina an’i Jesoa Pilato hoe: Mpanjakan’ny Jiosy ma Ianao? Voalazanao, hozy. 4 Dia hozy Pilato tamin’ny lehiben’ny mpisorogna sy ny vahoaka: Tsy hitako izay raha tsy manjary hagnamelohana ity Lehilahy ity. 5 Fa vao mainka nagnitrikitrika ireo hoe: Nampisalahoaka ny ôlona eraka Jodia Izy tamin’ny fampianarana nataony, nanomboka ta-Galilia ka hatratỳ.
Jesoa tagnatrehan’i Heroda
6 Rehefa naharegny izany Pilato dia nagnadina raha ôlona avy a-Galilia Jesoa. 7 Rehefa fantany fa avy amin’ny faritany entin’i Heroda Izy, dia nalifany taigny amin’i Heroda satria ta-Jerosalema koa Heroda tamin’izay fotoana izay.
8 Faly be i Heroda rehefa nahita an’i Jesoa satria efa ela no naharegnesany ny mikasika Ananjy sy nagniriany ny hahita Ananjy. Nagnantena hahita an’i Jesoa hagnano raha mahagaga mbôka izy. 9 Nametraka fagnontaniana betsaka Taminanjy Heroda nefa tsisy novaliany avy. 10 Takeo koa ny lehiben’ny mpisorogna sy ny mpampiana-dalàna ka vao may nagnitrikitrika Ananjy. 11 Nataon’i Heroda sy ny miaramilany tsisy dikany Izy sady nafokainjareo. Nampanaovinjareo akanjo farany tsara Izy dia naverinjareo tamin’i Pilato. 12 Ary lasa nifankahazo i Heroda sy Pilato tamin’io andro io; nifandrafy mbôka izy roa lahy talôhan’io.
Ny nagnamelohana an’i Jesoa ho faty
13 Dia nasain’i Pilato navory ny lehiben’ny mpisorogna sy ny manampahefana ary ny vahoaka, 14 ka hozy taminjareo: Nindesinareo taminahy ity Lehilahy ity ka notorianareo fa nampisalahoaka ny vahoaka; tagnatrehanareo Izy no nadiniko fa tsy hitako izay raha tsy manjary hiampanganareo Ananjy. 15 Na dia Heroda koa aza mbô tsy nahita ka namerigna Ananjy ho atỳ amintsika. Tsisy raha nataony tokony hagnamelohana Ananjy ho faty. 16 Hofaiziko Izy dia havotsotro. 17 Tsy maintsy mamotsotra gadra iraika ho an’ny vahoaka mbôka Pilato isaky ny Paka.
18 Fa indray niredogna zareo dahôlo nagnano hoe: Vonoy Io ka avotsoro ho anay Barabasy! 19 Nampisalahoaka ny ôlona tan-tanàna sy namono ôlona anefa no nanagadrana an’i Barabasy. 20 Naverin’i Pilato indray ny teniny satria tiany havotsotra Jesoa. 21 Fa vao may nihaikaika ny ôlona hoe: Fantsiho Izy! Fantsiho amin’ny kakazo fijaliana Izy! 22 Dia hozy Pilato fagnintelony: Ino ma ny raha tsy manjary nataony? Tsy hitako izay raha tsy manjary tokony hagnamelohana Ananjy ho faty. Hofaiziko Izy dia havotsotro. 23 Nefa vao may nihaikaika ny ôlona ka nangataka ny hamantsihana an’i Jesoa amin’ny kakazo fijaliana. Ary nihamafy ny haikaikan’ny ôlona.
24 Dia nanapa-kevitra Pilato hagnano izay raha nangatahanjareo. 25 Navotsony ilay nogadraina takatra izy nampisalahoaka sy namono ôlona; fa Jesoa kosa natolony hataonjareo araka izay tiany.
Ny namantsihana an’i Jesoa tamin’ny kakazo fijaliana
26 Rehefa nitondra an’i Jesoa zareo, dia nifanena tamina lehilahy kireniana iraika, Simona ny agnarany. Vao avy taigny an-tsaha izy ka noterenjareo hilanja ny kakazo fijaliana avy afaran’i Jesoa.
27 Nisy vahoaka betsaka nagnaraka Ananjy ary nisy vehivavy betsaka koa izay nangotsok’aty sady nigololoka nitomany Ananjy. 28 Fa niherika taminjareo Jesoa ka nitarea hoe: Ô anareo zanakavavin’i Jerosalema! Aza mitomagny Anahy! Mitomagnia ny aignanareo sy ny zanakareo! 29 Ho avy ny andro izay hitaravana hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy ary nitondra zaza ary ny nono izay tsy ary ninonoan-jaza. 30 Dia hitarea amin’ny tendrombohitra ny ôlona hoe: Milavoa aminay! ary amin’ny havoana hoe: Asitriho izahaya! 31 Fa raha izao ny ataony amin’ny kakazo maniry, mbô hanakôry edy ny hahazo ny kakazo maigna?
32 Nisy dahalo roa lahy koa nindesina niaraka hovonoina taminanjy. 33 Rehefa tonga tamin’ny tany atao hoe Ikarandôha zareo, dia nofantsihanjareo takeo Jesoa sy ireo dahalo ireo, ny iraika tan-kavagnany, ary ny iraika tan-kaviany. 34 Ary hozy Jesoa: Ô Daday! Avilay ny helogny fa tsy hainjareo avy izay raha ataony. Dia nataon’ny miaramila ankitsapaka ny fizarana ny lambany.
35 Betsaka ny ôlona nijery ny raha nitranga takeo. Ny loholona izay takeo dia nandatsa Ananjy hoe: Namonjy ôlon-kafa Izy ka avilay koa mbô hovonjeny ny aignany, raha Izy tokôtra no Kristin’Andriamagnitra, Ilay voafidy. 36 Nagnafoka Ananjy koa ny miaramila, ary nisy nagnatona ka nagname vinaigitra Ananjy 37 sady nitarea hoe: Raha Mpanjakan’ny Jiosy Ianao dia vonjeo ny aignanao. 38 Ary nisy soratra tagnambony hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JIOSY.
39 Niteny ratsy Ananjy ny iraika tamin’ireo dahalo nihantona takeo ka nitarea hoe: Tsy Ianao ma no Kristy? Vonjeo ny aignanao dia vonjeo koa izahay! 40 Fa nananatra ilay namany kosa ilay iraika hoe: Tsy mbô matahotra an’Andriamagnitra ma ianao na dia voaheloka ho faty izao koa aza? 41 Rariny ny agnamelohana antsika satria mandray ny valin’ny raha nataontsika atsika. Ity Lehilahy ity indray tsy ary mbôla nagnano raha tsy manjary. 42 Dia hozy: Ô Jesoa! Mbô tsarovy koa ma izaho rehefa tonga hanjaka Ianao! 43 Ary hozy Jesoa taminanjy: Taraviko marina aminao fa hiaraka Aminahy aigny am-paradisa ianao nigniany.
Ny nahafatesan’i Jesoa
44 Nanomboka tamin’ny roa ambin’ny folo atoandro ka hatramin’ny telo folakandro dia nanjary maizigna ny tany dahôlo 45 satria nihamaizigna ny masoandro. Ary nitriatra nizara roa avy tambony ka hatra ambany ny lamba nagnefitra ny Tempoly. 46 Dia nihaika mafy Jesoa hoe: Ô Daday! Atolotro an-tàgnanao ny fanahikob! Rehefa avy niteny an’izany Izy, dia tapitra ny aignany.
47 Rehefa nahita ny raha nitranga takeo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamagnitra hoe: Tegna ôlo-marina tokôtra io Lehilahy io. 48 Ary ny vahoaka dahôlo izay nijery ny raha nitranga takeo dia nandeha nody sady nangotsok’aty.
49 Nijanona ta-lavidavitra nijery izany raha izany ny ôlom-pantany dahôlo sy ny vehivavy izay nagnaraka Ananjy avy ta-Galilia.
Ny nandevegnana an’i Jesoa
50-51 Nisy lehilahy iraika, Josefa no agnarany; lehilahy tsara fagnahy sady marina izy. Arimatia tanànan’ny Jiosy no fiaviany ary niandry ny fanjakan’Andriamagnitra izy. Mpikambana takao amin’ny Sinedriona izy kanefa tsy mbô niray lôha tamin’ireo namany ireo avy. 52 Nandeha tamin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesoa. 53 Dia nampidigniny ny faty ka nofognosiny lamba vita tamin’ny hariry madinika, ary nalevigny takao amin’ny fasagna izay tsy mbôla nandevegnana ôlona, izay vatolampy nolavahana. 54 Fotoana fiomanana tamin’izay satria efa hanomboka ny Sabata. 55 Nagnaraka avy tafaran’i Josefa ireo vehivavy izay niaraka tamin’i Jesoa avy ta-Galilia ka nahita ny fasagna sy ny fomba nampandriana ny faty. 56 Dia niverigna nody zareo ka nagnamboatra ny menaka sy ny raha magnitra hahosotra ny faty. Fa tamin’ny Sabata dia nijanona tsy nagnano na ino na ino zareo, araka ny lalàna.