Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty
24
Raha mbôla maizimaizigna ny andro voalohany amin’ny herignandroa, dia nankaigny amin’ny fasagna zareo, nitondra ireo raha magnitra izay efa namboarinjareo. 2 Rehefa tonga taigny zareo, dia hitanjareo fa efa voakodiadia niala ny vato takeo amin’ny varavaram-pasagna. 3 Dia niditra zareo kanefa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tômpo. 4 Raha mbôla lavolavo atomboka tamin’izany zareo, dia nisy roa lahy nagnano akanjo mamirapirapiratra niboagna takeo. 5 Natahotra zareo ka nenkohoka tamin’ny tany, fa hozy zareo roa lahy: Magnino ma no mikaraka ny velona atỳ amin’ny maty ianareo? 6 Tsy akato Izy fa efa nitsangana tamin’ny maty. Tsarovy ny tarea notaraviny taminareo, tamin’Izy mbôla ta-Galilia, hoe: 7 Tsy maintsy hatolotra an-tagnan’ny mpanota ny Zanak’Ôlona ka hofantsihana amin’ny kakazo fijaliana, ary hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. 8 Dia tsarovanjareo tokôtra fa nitarea an’izany Jesoa.9 Dia niala takeo zareo ka nitantara an’izany raha dahôlo izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namanjareo dahôlo. 10 Teo koa i Maria Magdalena mbaraky Johana izin’ny Maria renin’i Jakoba. Ary nitantara an’izany tamin’ny Apostoly koa ny vehivavy asagnany namanjareo. 11 Nefa tsy ninoan’ny Apostoly ny tarea notaravin’ireo vehivavy ireo satria noheverinjareo fa resa-be foagna izany. 12 Dia nitsangana Petera ary nihazakazaka nankaigny amin’ny fasagna. Rehefa tonga taigny izy dia nitsikilo ka tsy nahita afa-tsy ny lambam-paty takao. Ary niverigna nody izy sady gaga tamin’ny raha hitany.
Tan-dalana ho aigny Emaosy
13 Tamin’io andro io ihany koa, dia nisy mpianatra roa lahy nandeha nankaigny amin’ny tanàna atao hoe Emaosy, tokotokony ho iraika ambin’ny folo kilaometatra raha miala avy a-Jerosalema. 14 Tan-dalana dia niresaka nikitika ny raha dahôlo nitranga zareo roa lahy. 15 Zareo mbôla niresaka sy niady hevitra igny, dia nagnatona Jesoa ka niara-nandeha taminjareo. 16 Nefa tsy natao hainjareo Izy na dia nahita Ananjy aza zareo. 17 Dia hozy Jesoa taminjareo: Ino ma izany raha koragninareo izany? Dia nijanona zareo roa lahy sady maloka endrika. 18 Ary hozy Kleopasy, iraika taminjareo: Ianao irerika ma no tsy mahay ny raha nitranga ta-Jerosalema takato ho akato? 19 Dia hozy taminjareo: Raha manakôry ma izy izany? Ary hozy zareo: Ny raha nahazo an’i Jesoa, ilay mpagnazary avy a-Nazareta. Tegna nahay nampianatra sy nagnano raha mahagaga tagnatrehan’Andriamagnitra sy ny ôlona dahôlo Izy. 20 Natolotry ny lehiben’ny mpisorogna sy ny manampahefana aketo amintsika mbô homelohina ho faty sy hofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana Izy. 21 Izahay anefa efa nagnantena fa Izy Ilay hagnavotra ny Israely. Tsy vitan’izay, telo andro amin’ny nigniany no nitrangan’izany raha izany. 22 Nahalavolavo antomboka anay koa anefa ny vehivavy asagnany namanay izay taigny amin’ny fasagna vao ampalakia-dahy 23 satria tsy nahita ny fatiny zareo. Nitantara zareo fa nisehoan’ny anjely izay nitarea fa velona Jesoa. 24 Dia nandeha nankaigny amin’ny fasagna koa ny namanay asagnany ka nahita ny raha notaravin’ireo vehivavy ireo ary tsy nahita an’i Jesoa koa. 25 Dia hozy Jesoa taminjareo: Ino ma ny raha nahazo anareo? Nagnino ma ianareo no nanjary sagnana ôhatran’io ka tsy mino ny raha dahôlo notaravin’ny mpagnazary? 26 Tsy tokony ho niaritra izany ma Kristy mialôha ny hidirany aigny amin’ny voninahiny? 27 Dia nohazavainy taminjareo ny raha mikasika Ananjy akao amin’ny Soratra Masina, nanomboka tamin’i Mosesy ka hatramin’ny mpagnazary dahôlo.
28 Rehefa takaikin’ny tanàna izay handehanany izy roa lahy, dia nagnano mody handeha lavitra Jesoa. 29 Fa nanery Ananjy zareo hoe: Mijanòna aketo aminay malôha fa efa nirôrogna ny masoandro sady efa ho maizigna ny andro. Dia nandroso taminjareo Izy. 30 Rehefa niantotra hihinana zareo, dia nandray ny mofo Jesoa ka nagnano vavaka fisaorana; dia nopilapilahiny ny mofo ary norasainy taminjareo. 31 Teo vao nahiratra ny masonjareo ka nahay Ananjy; fa takeo no ho akeo kosa dia tsy hitanjareo Jesoa. 32 Dia niresaka zareo roa lahy hoe: Izay izany no nahatonga ny fontsika nidobodoboka, tamin’Izy niresaka tamintsika tan-dalana ka nagnazava tamintsika ny hevitry ny Soratra Masina!
33 Takeo no ho akeo dia nitsangana zareo roa lahy ka niverigna nankaigny a-Jerosalema. Rehefa nahita anjareo roa lahy ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy sy ny namanjareo hafa nivory takeo 34 dia nitarea hoe: Tegna efa nitsangana marina ny Tômpo ary efa niboagna tamin’i Simona. 35 Dia nitantara izay efa nitranga tan-dalana sy ny fomba nahaizanjareo Ananjy tamin’ny namakiany ny mofo koa zareo roa lahy.
Ny nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany
36 Raha mbôla nitantara an’izany izy roa lahy, dia nitsangana tam-povoanjareo dahôlo Jesoa ka hozy: Fiadanana ho anareo. 37 Dia taitra sady tora-kovitra zareo satria noheverinjareo fa angatra no hitanjareo. 38 Nefa hozy Jesoa taminjareo: Magnino ma ianareo no taitra? Ary magnino ma ianareo no tsy mino ny raha hitanareo? 39 Izaho ihany ity! Jerevo ny tagnako sy ny tongotro. Tsapao ny aignako fa tsy magnana nofo sy taolagna sahala an’izao hahitanareo Anahy izao ny angatra. 40 Rehefa avy nitarea an’izany Izy dia natorony anjareo ny tagnany sy ny tongony. 41 Nefa mbôla tsy nino ihany zareo noho ny haravoany sy ny hatairany, dia hozy Jesoa: Misy raha manjary hohanina ma aminareo aketo? 42 Dia namenjareo barahoa tapagny voatono sy fandrama Izy. 43 Dia noraisiny izany ka nohaniny tamasonjareo.
44 Dia hozy koa Jesoa: Tamin’Izaho mbôla taminareo takeo dia notaraviko taminareo fa tsy maintsy ho tanteraka ny raha dahôlo voasoratra mikasika Anahy akao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpagnazary ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sainjareo Izy mbô hahazo ny Soratra Masina. 46 Ary hozy: Voasoratra fa tsy maintsy hijaly Kristy ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. 47 Hotoriana amin’ny Agnarany, aigny amin’ny firenena dahôlo, manomboka aketo a-Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka. 48 Vavolombelon’izany raha dahôlo izany ianareo. 49 Ho hirahiko ho akeo aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mijanòna aketo a-Jerosalema ihany malôha mandra-panafiana anareo ny hery avy aigny agnambo.
50 Ary nindesin’i Jesoa hatraigny a-Betania zareo, dia nasandrany ny tagnany ka nitso-drano anjareo Izy. 51 Raha mbôla tam-pagnanaovana an’izany Izy dia nisaraka taminjareo ka nakarina tan-dagnitra. 52 Dia nagname voninahitra Ananjy ny mpianatra, ka niverigna tan-karavoana nankaigny a-Jerosalema. 53 Ary isan’andro zareo dia nankalaza an’Andriamagnitra tan-kianjan’ny Tempoly.