Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty
28
Tafaran’ny Sabata, raha mbôla maizimaizigna ny andro voalôhany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasagna Maria Magdalena sy ilay Maria iraika. 2 Tampotampoka takeo dia nisy horohorontany mafy be; ary nisy anjelin’ny Tômpo nidigna avy takaigny an-dagnitra dia nakodiany ny vato takeo amin’ny varavaram-pasagna ary nentotra takeo ambonin’ilay vato izy. 3 Sahala amin’ny tselatra ny fahitana ananjy, ary fotsy manjopiaka sahala amin’ny orampanala ny akanjony. 4 Dia natahotra mafy ny mpiambina raha nahita ananjy ka nanjary sahala ny maty mihitsy. 5 Kanefa hozy ilay anjely tamin’ireo vehivavy ireo: Aza matahotra avy anareo. Haiko fa mikaraka an’i Jesoa, Ilay nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana ianareo, 6 tsy akato intsony avy Izy! Fa efa nitsangana araka ilay notaraviny taminareo. Avia! Zahavo ny toerana nandriany. 7 Mandehana malaky dia taravo amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy. Efa mandigny anareo akaigny Galilia Izy, ary ho hitanareo aigny. Izany no raha notaraviko anareo!8 Sahala amin’ny tsy takeo no nialanjareo ny fasagna; sady natahotra zareo no falifaly be ka nihazakazaka nitarea tamin’ny mpianatra. 9 Tampotampoka takeo dia nifakadamo taminjareo Jesoa sady nagnano hoe: Manakôry ianareo! Dia nagnatogna Ananjy zareo ka namangoka ny tongony sady nenkohoka takeo agnoloany. 10 Dia hozy Jesoa taminjareo: Aza matahotra avy, fa mandehana ka hafaro ny rahalahiko hankaigny Galilia fa ho hitanjareo akaigny Izaho.
Ny fitantaran’ny mpiambina
11 Rehefa lasana ireo vehivavy ireo, dia nankaigny an-tanàna ny mpiambina sanagny ka nitantara tamin’ny sefon’ny mpisorogna ny raha dahôlo nitranga. 12 Dia nivory ny sefon’ny mpisorogna mbaraky ny loholona ka nifagnaraka fa hagname vola be ny miaramila 13 ary hozy zareo: Taravo hoe: Tonga takao nangalatra ny fatiny ny mpianany tamin’ny alina raha sendra tafandry izahay. 14 Ary raha regnin’ny governera izany dia izahay no handresy lahatra ananjy mbô tsy hahavoasaringotra anareo. 15 Dia noraisin’ireo miaramila ny vola ka nifanaraka tamin’izany tokoatrany ny raha nataonjareo. Ary naparitaky ny Jiosy mandrak’ity nigniany izany resaka izany.
Ny nagnirahan’i Jesoa ny mpianany
16 Dia nandeha ta-Galilia ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, ho aigny amin’ny tampon-tanety nasain’i Jesoa hombanjareo. 17 Rehefa nahita ananjy zareo dia nenkohoka fa ny sanagny kosa indray nisalasala. 18 Dia nagnatogna Jesoa ka nitarea taminjareo: Efa namena ny fahefana dahôlo aigny an-dagnitra sy atỳ ambonin’ny tany Izaho. 19 Araka izany, mandehana ka ataovy manjary mpianatro ny ôlona dahôlo, ataovy batisa amin’ny agnaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fagnahy Masina zareo 20 sady ampianaro hagnaraka ny raha dahôlo nasaiko nataonareo; ary fantaro fa miaraka aminareo foagnany Izaho mandrapahatongan’ny fotoana hahataperan’izao tontolo izao.