Ny nifohazan’i Jesoa rehefa avy maty
20
Raha mbôla maizimaizigna ny andro voalôhany amin’ny herignandroa dia lasana i Maria Magdalena nankaigny amin’ny fasagna.
Hitany ilay vato geda be nagnidiana ny fasagna fa efa voakodia niala takeo.
2 Dia nihazakazaka namonjy an’i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’i Jesoa izy ka nitarea taminjareo hoe:
Nisy nialaka takao am-pasagna ny Tômpo ary tsy hainay izay nametrahany Ananjy.
3 Dia lasana nankaigny amin’ny fasagna Petera sy ilay mpianatra iraika.
4 Dia nihazakazaka zareo roalahy;
ary ilay mpianatra iraika no tonga talôha taigny amin’ny fasagna satria nahery mihazaka noho i Petera izy.
5 Dia niondrika nitsirika ny takao am-pasagna izy ka tazany nipetraka takeo ny lambam-paty,
fa izy avy mbôla tsy nitsofotra takao.
6 Nagnaraka ananjy avy tafara i Simona Petera dia nitsofoka takao am-pasagna ary nahita ny lambam-paty nipetraka takeo koa.
7 Kanefa tsy niaraka tamin’ilay lambam-paty takeo ny hamama nafehy ny lohany fa nilambana nitokana.
8 Dia izay vao nitsofoka ilay mpianatra iraika tonga talôha tamin’ilay fasagna takeo;
ary nahita izy ka nino.
9 Mbôla tsy hain’ny mpianatra,
tamin’izany fotoana izany,
fa hitsangana amin’ny maty i Jesoa,
araka ny Soratra Masina.
10 Dia niverigna nody tan-dragno zareo roa lahy.
Jesoa niboagna tamin’i Maria Magdalena
11 Nanangana tambelan’ny fasagna takeo kosa i Maria dia nitomagny.
Ary niondrika nitsirika takao am-pasagna izy
12 ka nahita anjely roay nagnano akanjo fotsy nentotra takeo amin’ny fandriana nisy ny fatin’i Jesoa:
ny iraika tan-dôha ary ny iraika tan-tongotra.
13 Hozy zareo taminanjy:
Ô Raôlona,
ary nagnino ma ianao no mitomagny?
Dia hozy Maria:
Nisy nialaka takato ny fatin’ny Tômpoko ary tsy haiko izay nametrahany Ananjy.
14 Mbôla vao tapitra ny raha notaravin’i Maria dia niherika izy ka nahita an’i Jesoa nitsangana takeo,
kanefa tsy azony ognona avy fa i Jesoa io.
15 Dia hozy Jesoa taminanjy:
Ô Raôlona,
nagnino ma ianao no mitomagny?
Mikaraka an’iza ma ianao?
Noheverin’i Maria fa ôlona mpiambina saha Izy,
ka hozy Taminanjy:
Ô Tômpoko,
raha nalainao koa ma Izy dia mbô taravo anahy izay nametrahanao Ananjy,
fa halaiko aigny.
16 Dia hozy Jesoa:
Ô Maria!
Dia niherika i Maria sady nitarea tamin’ny teny Hebreo hoe Rabony!
na Ô Ramose!
17 Kanefa hozy Jesoa:
Aza mikasika Anahy avy fa mbôla tsy niakatra taigny amin’i Daday Izaho.
Mandehana aigny aminjareo rahalahiko dia taravo zareo fa hiakatra ho aigny amin’ny Dadaiko sady Rainareo Izaho,
ho aigny amin’ny Andriamagnitro sady Andriamagnitrareo.
18 Dia lasana nankaigny amin’ny mpianatra i Maria Magdalena ka nitarea taminjareo fa efa hitany ny Tômpo;
dia notaraviny taminjareo izay raha dahôlo notaravin’i Jesoa taminanjy.
Jesoa niboagna tamin’ny mpianany
19 Ny harivan’io andro voalôhany amin’ny herignandro io ihany,
dia nivory takao amin’ny tragno iraika ny mpianatra.
Nohidiany mafy ny varavaragna satria natahotra ny manampahefana Jiosy zareo.
Dia tonga,
nitsangana tagnivonjareo dahôlo takeo i Jesoa sady nitarea hoe:
Fiadanana ho anareo!
20 Avy nitarea an’izany Izy dia naboagnany anjareo ny tagnany sy ny tritriny.
Tegna faly ny mpianatra satria nahita ny Tômpo.
21 Dia hozy indray Jesoa:
Fiadanana ho anareo!
Sahala amin’ny nagnasan’i Daday Anahy no agnasako anareo koa.
22 Rehefa avy nitarea an’izany Izy,
dia notsofiny ny mpianatra,
ary hozy:
Raiso ny Fagnahy Masina.
23 Raha mamela heloka ôlona ianareo dia avelan’Andriamagnitra ny helok’izany ôlona izany;
ary raha tsy avelanareo ny heloky ny ôlona iraika dia tsy avelan’Andriamagnitra koa izany.
Tomasy sy Ilay nitsangana tamin’ny maty
24 Tsy niaraka tamin’ny mpianatra i Tomasy na i Didymo,
b izay agnisan’ireo roa ambin’ny folo lahy,
tamin’ny fotoana nahatongavan’i Jesoa.
25 Dia hozy ny mpianatra hafa taminanjy:
Efa hitanay ny Tômpo.
Fa hozy:
Tsy mino an’izany izaho raha tsy hitako ary tsapaiko ny holatra navelan’ny diam-pantsika tamin’ny tagnany,
ary tsapaiko koa ny tritriny.
26 Herignandro tafaran’izay,
dia nivory takao amin’ilay tragno indray ny mpianatra,
ary takao koa i Tomasy.
Rehefa voahidy mafy ny varavaragna dia tonga,
nitsangana tagnivonjareo dahôlo i Jesoa sady nitarea hoe:
Fiadanana ho anareo!
27 Dia hozy tamin’i Tomasy:
Tsapao aketo;
zahavo ny tagnako.
Tsapao koa ny tritriko.
Aza mbô agnisan’ny tsy mino fa minoa.
28 Dia hozy Tomasy Taminanjy:
Tômpoko sy Andriamagnitro!
29 Ary hozy Jesoa:
Nahita Anahy ianao dia nino,
fa sambatra kosany izay tsy nahita kanefa mino.
Ny tanjon’ity boky ity