19
Dia nampangalan’i Pilato ary nasainy nitarôna Jesoa.
2 Ary nagnamboatra fehilôha vita tamina tsilo ny miaramila dia nasatrogny ny lôhany izany,
ary nampisarognany lamba volomparasy Izy avy takeo.
3 Dia nifandimbindimby nandalo tagnoloagnany ny miaramila sady nitarea hoe:
Magnaja anao,
ry mpanjakan’ny Jiosy!
Ary nasianjareo tefatsofigna Izy.
4 Dia nivoaka nandeha takeo amin’ny Jiosy indray Pilato ka nitarea taminjareo hoe:
Hindesiko mivoaka aminareo aketo Izy mbô ho hainareo tsara fa tsy mahita antony tokony hagnamelohana Ananjy izaho na dia kitika avy aza.
5 Dia nivoaka avy takao Jesoa,
nagnano fehilôha tsilo sady nisarogna lamba volomparasy.
Dia hozy Pilato tamin’ny ôlona:
Io Izy!
6 Dia rehefa hitanjareo lôhandôhan’ny mpisorogna mbaraky ny mpiambina Jesoa,
dia nagnatsoantso indray zareo hoe:
Fantsiho Izy!
Fantsiho amin’ny kakazo fijaliana!
Dia hozy Pilato taminjareo:
Hindeso aigny Izy dia fantsiho;
fa raha izaho malôha dia tsy mahita izay antony tokony hagnamelohana Ananjy.
7 Fa hozy ny Jiosy namaly Ananjy:
Izahay dia managna lalàna,
ary araka izany lalàna izany dia tokony ho foaty Izy satria milaza ny tegnany ho Zanak’Andriamagnitra.
8 Dia vao mainka natahotra i Pilato raha vao naharegny an’izany,
9 ka niverigna niditra takao agnaty lapa indray izy ary nagnadina an’i Jesoa hoe:
Avy akaiza ma Anao ity?
Nefa tsy nisokoafan’i Jesoa avy ny vavany.
10 Dia hozy Pilato Taminanjy:
Tsy valianao izany izaho?
Tsy hainao ma fa azoko atao ny mamotsotra anao na magnandefa Anao ho fantsihana amin’ny kakazo fijaliana?
11 Dia hozy Jesoa:
Tsy afaka magnano na ino na ino Aminahy avy ianao raha tsy amen’Andriamagnitra alalana hagnano an’izany.
Araka izany,
dia managna heloka mandombolombo ny Anao zareo izay nanolotra Anahy taminao.
12 Niantena tamin’io fotoana io dia te hamotsotra Ananjy Pilato,
kanefa nagnantsoantso ny Jiosy hoe:
Raha avotsotrao io lehilahy io,
dia tsy mbô naman’i Kaisara edy ianao;
izay dahôlo milaza ny tegnany ho mpanjaka mbôka dia manohitra an’i Kaisara.
13 Raha vao regnin’i Pilato izany tarea izany,
dia nindesiny nivoaka i Jesoa.
Ary niantotra tambonin’ny seza fitsarana,
izay atao hoe Lampivato na Gabata amin’ny fitaravana Hebreo,
i Pilato.
14 Andro mialoha ny Paka io andro io,
tokotokony ho jirign’andro.
Dia hozy Pilato tamin’ny Jiosy:
Io ny Mpanjakanareo!
15 Fa nagnantsoantso zareo hoe:
Vonoy Izy!
Vonoy Izy!
Fantsiho amin’ny kakazo fijaliana Izy!
Ary hozy Pilato:
Hofantsihiko amin’ny kakazo fijaliana ma ny Mpanjakanareo?
Dia hozy ny lôhandôhan’ny mpisorogna taminanjy:
Kaisara irerika foagna ny mpanjakanay.
16 Tafaran’izany dia natolotr’i Pilato anjareo i Jesoa mbô ho fantsihina amin’ny kakazo fijaliana.
Dia nindesin’ny miaramila Izy.
Nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana Jesoa
17 Dia nolanjain’i Jesoa ny kakazo fijaliany,
ho aigny ambelan’ny tanàna,
amin’ilay toerana iraika atao hoe Ikarandoha na Golgota amin’ny teny Hebreo.
18 Takeo ny namantsihana Ananjy tamin’ny kakazo fijaliana;
ary nisy gaogna roalahy nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana koa takeo,
ny iraika tankaviany ary ny iraika tankavagnany.
19 Dia nampagnano soratra tamin’ny solaitra sahala amin’izao i Pilato:
JESOA AVY AIGNY NAZARETA,
MPANJAKAN’NY JIOSY;
ary napetany takeo amin’ny kakazo fijaliana izany.
20 Nosoratana tamin’ny teny Hebreo sy Romana ary Grika izany soratra izany;
betsaka ny Jiosy namaky an’izany satria akaiky tanàna ilay toerana.
21 Dia nagnatogna an’i Pilato zareo lôhandôhan’ny mpisorogna takeo amin’ny Jiosy ka nitarea taminanjy hoe:
Aza atao hoe:
“Mpanjakan’ny Jiosy”;
fa ataovy hoe:
“Hozy:
Mpanjakan’ny Jiosy Izaho”.
22 Fa hozy Pilato:
Izay voasoratro dia voasoratro!
23 Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny kakazo fijaliana Jesoa,
dia nalainjareo ny ambonin’akanjony ka nozarainy efatra,
ary samby nanagna iraika avy zareo.
Nalainjareo koa ny akanjo lava nanaovany;
tsisy vitragna fa tegnona iraika foagnany ilay izy.
24 Dia hozy zareo:
Alay tsy triarina fa andao ataontsika ankitsapaka dia ho hita akeo izay hahazo ananjy,
mbô hahatanteraka ny Soratra Masina magnano hoe:
“Nozarainjareo ny ambonin’akanjoko,
ary nagnanaovanjareo ankitsapaka ny akanjo lavako” (Sal 22. 18).
Dia izany raha izany tokoatrany no nataonjareo.
25 Ary takaikin’ny kakazo fijalian’i Jesoa takeo ny reniny mbaraky ny rahavavin-dreniny ary Maria vadin’i Klopa sy Maria Magdalena.
26 Rehefa hitan’i Jesoa ny reniny sy ilay mpianatra tegna tiany nanangana takeo,
dia hozy tamin’ny reniny:
Ô Raôlona!
Io ny zanakao.
27 Dia hozy koa Izy tamin’ilay mpianatra:
Jerevo ny reninao!
Niantena takeo dia nindesin’ilay mpianatra hipetraka aigny aminanjy i Maria.
Ny nahafatesan’i Jesoa
28 Tafaran’izany dia hain’i Jesoa fa vita ny raha dahôlo ka hozy:
Mangetaheta Izaho;
mbô hahatanteraka ny Soratra Masina mbôka no nitaravany an’izany.
29 Nisy tsatokaty feno vinaingitra takeo;
dia nialaka epaonjy ny miaramila ka napetagny tamina rantsana hisopa izany rehefa avy natsobony takao ary natofonjareo tamin’ny vavan’i Jesoa.
30 Rehefa avy nanandrana vinaingitra Jesoa dia hozy:
Vita!
Dia naondrigny ny lôhany ary tapitra ny aignany.
Notombohana sabô an’i Jesoa
31 Andro manan-danja tamin’ny Jiosy ny Sabata ary andro mialôha ny Sabata io andro io,
izany hoe andro fiomagnana ho amin’ny andro Sabata.
Nangataka tamin’i Pilato ny manampahefana Jiosy mbô ho tapahina ny ranjonjareo takeo amin’ny kakazo fijaliana ary avy akeo halàna ny faty satria tsy tianjareo ho takatry ny andro Sabata akeo.
32 Dia nanatona ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ilay voalôhany sy ny an’ilay iraikalahy faharoa nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana takaikin’i Jesoa takeo.
33 Rehefa tonga takeo amin’i Jesoa zareo dia tsy notapahanjareo ny ranjony satria hitanjareo fa efa maty Izy.
34 Fa nisy miaramila iraika nanomboka sabô tamin’ny tritrin’i Jesoa,
ka tonga dia nisy ra sy rano nivoaka avy takao.
35 Ary ilay ôlona nahita an’izany dia magnambara an’izay raha hitany,
ary marina ny fagnambarana nataony;
fantany fa marina izany mbôry izay koa ianareo hino.
36 Nisy izany raha izany mbô hahatanteraka ny Soratra Masina magnano hoe:
“Tsisy hotapahina ny taolagny” (Eks 12. 46;
Sal 34. 20),
37 sy ilay hoe:
“Hizaha an’Ilay notombohany tamin’ny sabô zareo” (Zak 12. 10).
Ny nandevegnana an’i Jesoa
38 Tafaran’igny dia tonga takao amin’i Pilato i Josefa avy aigny Arimatia mbô hangataka alalana hiaka ny fatin’i Jesoa.
Mpianatr’i Jesoa izy fa nisitrisitrika noho ny fahatahorany ny manampahefana Jiosy.
Dia namen’i Pilato alalana izy ka nandeha nialaka ny fatin’i Jesoa.
39 Dia tonga koa Nikodemosy,
ilay iraikalahy nikoragna tamin’i Jesoa nandritran’ny alina igny.
Nitondra raha magnitra mifangaro vita tamin’ny miora sy vahogna,
akeo ho akeo amin’ny telopolo kilao,
izy.
40 Dia nalainjareo rôalahy ny fatin’i Jesoa ka nohosorany an’ilay raha magnitra mifangaro ary nofognosiny lambam-paty,
ohatran’ny fômban’ny Jiosy rehefa mikarakara faty halevigna.
41 Nisy saha iraika misy fasagna vaovao mbôla tsy ary nandevegnana ôlona takaikin’ilay toerana namantsihana an’i Jesoa tamin’ny kakazo fijaliana.
42 Nalevinjareo takao i Jesoa satria takaiky takeo ilay fasagna;
efa fiomagnan’i Jiosy ho amin’ny Sabata mbôka ny andro.