Niboagna tamina gaogna fito lahy ampianan’i Jesoa
21
Tafaran’izay,
dia niboagna tamin’ny mpianatra indray Jesoa,
tamoron’ny ranomasin’i Tiberiasy.
Izao ny raha nitranga:
2 Niaraka ery Simona Petera mbaraky Tomasy na i Didymo sy i Natanaela,
ilay avy aigny Kana aigny Galilia,
sy zareo roalahy zanak’i Zebedio ary mpianatra roalahy hafa koa.
3 Dia hozy Simona Petera:
Handeha hagnarato izaho.
Dia hozy zareo:
Izahay koa hiaraka aminao raha izany.
Dia lasana zareo,
nitikina ny lakana ka nandeha taigny amin’ny rano laligna,
kanefa tsy nahazo na dia barahoa iraika avy aza nandritra ny alina.
4 Mbôla vao mangiran-dratsy ny andro dia nitsangana tamoron-drano i Jesoa,
kanefa tsy azon’ny mpianatra onogna avy hoe Izy io.
5 Dia hozy Jesoa taminjareo:
Ô zanako,
nahazo barahoa ma ianareo?
Hozy zareo:
Tsy nahazo avy.
6 Dia hozy tamin’ny mpianatra:
Avarigno avy amin’ny ankavanan’ny lakana ny haratonareo dia hahazo ianareo.
Dia navariny ny harato ka tsy zakany nakarina avy takeo satria betsaka be ny barahoa azonjareo.
7 Dia hozy ilay mpianatra tian’i Jesoa tamin’i Simona Petera:
Ny Tômpo io!
Vao naharegny an’izany Petera dia nosarognany ny ambonin’akanjony satria tsy nagnano akanjo izy,
ary niroboka tagnaty rano izy.
8 Fa ny mpianatra sanagny nanangana tagnaty lakana foagna,
nitarika an’ilay harato feno barahoa;
efa tsy lavitra ny tany mbôka zareo fa tokotokony ho zato metatra miala ny morondrano takeo sisa.
9 Rehefa tonga tan-tanety zareo dia nahita barahoa mitsatsika tambonin’ny vain’afo sy mofo takaikiny takeo.
10 Dia hozy Jesoa:
Mitondràsa barahoa amin’ireo vao azonareo takeo.
11 Dia niverigna niakatra tagnaty lakana Simona Petera ka nitaritiny ho aigny an-tanety ny harato feno barahoa marigeda be,
telo amby dimampolo amby zato isa;
na dia betsaka sahala an’izany aza anefa ny barahoa azonjareo dia tsisy rovitra avy ny haratony.
12 Dia hozy Jesoa:
Vonjenareo malôha ahanina ity;
fa tsisy nahasahy nagnontany Ananjy avy ny mpianatra hoe:
Iza ma Ianao?
Fantanjareo mbôka Izy fa ny Tômpo.
13 Dia nagnatogna ny mpianatra Jesoa ka noraisiny ny mofo ary norasainy taminjareo;
nataony sahala amin’izany koa ny barahoa.
14 Izay ny fagnitelony niboagnan’i Jesoa tamin’ny mpianany,
tafaran’ny nitsanganany tamin’ny maty.
Jesoa sy Petera
15 Rehefa avy nihinana zareo dia hozy Jesoa tamin’i Simona Petera:
Ô Simona,
zanak’i Jaona,
tia Anahy mandombolombo anjareo ma ianao?
Dia hozy Taminanjy:
Ieny.
Hainao fa tia anao Izaho.
Dia hozy Jesoa:
Karakarao ary ny ondrikeliko.
16 Dia hozy Jesoa taminanjy fagnindroany:
Ô Simona,
zanak’i Jaona,
tia Anahy ma ianao.
Dia hozy Taminanjy:
Ieny.
Hainao fa tia anao Izaho.
Dia hozy Jesoa taminanjy:
Ambeso ary ny ondriko.
17 Dia hozy fagnintelony:
Ô Simona,
zanak’i Jaona,
tia Anahy ma ianao?
Dia nalahelo Petera satria intelo nagnontagny ananjy Jesoa hoe:
Tia Anahy ma ianao?
Dia hozy taminanjy:
Ô Tômpoko,
mahay ny raha dahôlo Ianao.
Hainao fa tia Anao izaho.
Dia hozy Jesoa taminanjy:
Karakarao ary ny ondriko.
18 Taraviko aminareo marina tsara be fa taminao mbôla tanora dia nahavita nisinkin-tegna ary nandeha tamin’izay tany tianao nandehanana;
fa rehefa antitra ianao dia hagnatsotra tagnana ka ôlona hafa no hampisikina anao ary hindesiny aigny amin’izay tsy tianao handehanana ianao.
19 Nitarea an’izany Jesoa mbô hilazany ny fahafatesana izay hagnamezan’i Petera voninahitra an’Andriamagnitra.
Dia hozy avy takeo:
Andao hagnaraka Anahy.
Jesoa sy ilay mpianatra tiany
20 Dia niherika Petera ka nahita an’ilay mpianatra tian’i Jesoa nagnaraka anjareo.
Izy ilay niankina tamin’ny tratran’i Jesoa taminjareo nihinana ary nagnadina Ananjy hoe:
Ô Tômpoko,
iza ma izany ilay hamadika Anao?
21 Dia hozy Petera tamin’i Jesoa rehefa nahita ananjy:
Ô Tômpoko!
Hanakôry aiky ma ny momba an’ilay zalahy ity?
22 Fa hozy Jesoa taminanjy:
Raha tiako ho velona izy mandrapiveregnako,
ino ma no iraharahianao an’izany?
Fa ianao indray,
magnaraha Anahy!
23 Dia nandeha ny resaka taminjareo mpino fa tsy ho foaty mihitsy ilay gaogna iraika io;
kanefa tsy izany avy ny raha notaravin’i Jesoa,
fa hoe:
Raha ôhatra tiako ho velona izy mandrapiveregnako,
ino ma no iraharahianao an’izany?
24 Io mpianatra io no vavolombelon’izany raha izany ka nanoratra izay raha hitany;
ary haintsika fa marina izay raha nambarany.
25 Ary mbôla tegna betsaka be koa ny raha hafa izay nataon’i Jesoa,
kanefa raha nosoratana izy dahôlo,
dia tsy ho omby ny boky dahôlo na dia izao tontolo izao aza.