Ny niantsoan’i Jesoa ny mpianany voalohany
5
Nisy andro, rehefa nanangana tamoron’ny ranon’i Genesareta i Jesoa dia nitangorogna Taminanjy ny vahoaka mbô hitaino ny Tenin’Andriamagnitra. 2 Nahita lakana roay nijanona tamoron-drano Izy; fa ny mpagnarato efa nidigna nanasa ny haratony. 3 Ary niakatra tagnaty lakana iraika izay an’i Simona Izy, dia niangavy taminanjy hagnara-morona. Dia nipetraka Izy ka nampianatra ny vahoaka.4 Ary rehefa tapitra ny tenin’i Jesoa, dia hozy tamin’i Simona: ‘Mandehana aigny amin’ny laligna, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana barahoa.
5 Fa hozy Simona: Ô Ramose, hatry ny alina izahay no namono tegna taketo, nefa tsisy raha azo; fa noho ny baikonao, dia halatsako foagnany ny harato.
6 Ary rehefa nalatsagny dia nahazo barahoa betsaka be izy ka nanomboka rovitra ny haratony. 7 Dia nagnatsika ny namany izay tagnaty lakana hafa izy mbô ho avy hanampy ananjy. Dia avy zareo. Nofenoinjareo ny lakana roa ka efa saika nizetra.
8 Rehefa nahita izany Simona Petera dia nenkohoka takeo amin’ny tongotr’i Jesoa izy sady nagnano hoe: Mialà aminahy anao Tômpoko fa ôlo-meloka izaho. 9 Fa gaga izy sy izay dahôlo takeo aminanjy noho ny habetsaky ny barahoa azonjareo. 10 Dia gaga ôhatran’izany koa i Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, mpiara-miasa tamin’i Simona.
Dia hozy Jesoa tamin’i Simona: Aza matahotra anao. Manomboka nigniany dia ôlona no ho azonao.
11 Rehefa tody tan-tanety ny lakana, dia navelanjareo ny raha dahôlo ka nagnaraka an’i Jesoa zareo.
Ny nagnasitranan’i Jesoa ilay lehilahy boka
12 Rehefa tan-tanàna iraika Jesoa, dia nisy lehilahy feno habokana tonga avy taigny. Vao nahita an’i Jesoa izy dia nenkohoka tamin’ny tany sady niangavy Ananjy hoe: Raha manjary aminao Tômpoko dia vitanao ny magnadio anahy.
13 Dia nagnatsotra ny tagnany Jesoa ka nikitika ananjy, ary hozy: Manjary Aminahy. Madiova ianao. Takeo noho ny akeo dia nadio izy.
14 Ary namepetra ananjy Jesoa hoe: Aza milazalaza amin’ôlona, fa mandehana miboagna amin’ny mpisorogna, dia atero ny fagnatitra araka izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona aminjareo fa madio ianao.
15 Vao mainka anefa niparitaka be ny lazany, ka vahoaka betsaka no nitangorona hitaino Ananjy sy hositragniny. 16 Ary Jesoa niala takeo dia nihataka tamin’ny toerana mangina ka nivavaka.
Nagnasitrana ilay malemy Jesoa
17 Nisy andro, nampianatra Jesoa. Dia nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna, avy akaigny Galilia sy Jodia ary Jerosalema, niantotra nitaino Ananjy. Ary tamin’i Jesoa ny hasin’ny Tômpo mbô hagnasitragnany. 18 Nisy lehilahy malemy iraika, nolanjain’ôlona tamin’ny bao. Nikaraka hevitra hampidirana sy hametrahana ananjy tagnoloan’i Jesoa zareo. 19 Ary satria tsy hitanjareo ny hampidirany ananjy noho ny habetsaky ny ôlona, dia niakarany ny tafotragno ary nangalany ny tafo taila, dia nampidigniny niaraka tamin’ny fandriany ilay lehilahy ho akeo ampovoan’ôlona, tagnoloan’i Jesoa.
20 Rehefa hitan’i Jesoa ny finoanjareo, dia hozy: Voavela ny helokao, raolona!
21 Fa ny mpampiana-dalàna sy ny Fariseo nieritreritra hoe: Iza ma ity magnasaha ity? Tsy misy mahavela heloka afa-tsy Andriamagnitra irerika!
22 Fa hain’i Jesoa ny raha noeritreretinjareo, dia hozy: Magnino ma ianareo no managna eritreritra ôhatran’izany? 23 Ino ma no moramora, ny mitarea hoe: Voavela ny helokao! Sa ny mitarea hoe: Mitsangàna ka mandehana? 24 Ho fantatrareo fa magnana fahefana hamela heloka ety ambonin’ny tany ny Zanak’ôlona. Dia hozy tamin’ilay malemy: Izao ny raha taraviko aminao: Mitsangàna, dia aorogno ny bao nilanjana anao ary modia aigny an-dragnonao. 25 Takeo noho takeo dia nitsangana tamason’ôlona takeo izy ka nahorogny ny bao, dia lasa nody izy sady nankalaza an’Andriamagnitra.
26 Ary gaga sady natahotra dahôlo ny ôlona ka nankalaza an’Andriamagnitra, dia hozy zareo: Nahita raha nahagaga atsika ity nigniany.
Ny nagnantsovana an’i Levy sy ny fagnasana tan-dragnony
27 Tafaran’izany, dia nandeha nivoaka ny tanàna i Jesoa ka nahita mpitaky hetra iraika, Levy no agnarany; niantotra tam-pitakiana hetra izy. Hozy Jesoa taminanjy: Andao hagnaraka Anahy. 28 Dia nitsangana i Levy, navelany ny raha dahôlo, dia nagnaraka Ananjy izy.
29 Avy takeo dia nagnano fanasambe ho an’i Jesoa takao an-dragnony i Levy, ary nisy mpitaky hetra betsaka sy ôlon-kafa koa niara-niantotra nihinana Taminanjy takeo. 30 Fa ningonongonogna ny Fariseo sy ny mpampiana-dalàna izay mpomba ananjy ka niteny tamin’ny mpianatr’i Jesoa nagnano hoe: Magnino ma anareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpitaky hetra sy ny mpanota?
31 Dia namaly Jesoa nagnano hoe: Tsy ny salama no mila dokotera, fa ny marary; 32 tsy hagnantso ny ôlo-marina no niaviako fa ny mpanota mbô hibebahanjareo.
Ny fampianarana nataon’i Jesoa momba ny fifadian-kanina
33 Hozy ny Fariseo sy ny mpampiana-dalàna tamin’i Jesoa: Ny mpianatr’i Jaona Mpagnano batisa mahavatra mifady hanina sy mivavaka, ary ny an’ny Fariseo koa sahala an’izany; fa ny Anao kosa mihinana sy misotro foagna.
34 Dia hozy Jesoa: Vitanareo ma ny mampifady hanina ny mpagnotrogna ny mpampaka-bady raha mbôla miaraka aminanjy akeo ny mpampakatra? 35 Ho avy ny andro hangalàna ny mpampakatra aminjareo akeo, dia amin’izay zareo vao hifady hanina.
36 Ary Izy nagnano fagnoharana taminjareo hoe: Tsisy ôlona mandrovitra tapadamba amin’ny akanjo vaovao hanampenana akanjo tonta; fa raha izany, dia haratra ilay akanjo vaovao ary ilay tapadamba vaovao tsy hagnendrika ilay akanjo tonta. 37 Tsisy ôlona magnidigna divay vao agnaty siny hoditra tonta; fa raha izany, handratra ny siny hoditra ny divay vao ka sady hiagna ny divay no haratra koa ny siny hoditra. 38 Tsy maintsy siny hoditra vao no asiana divay vao. 39 Tsy misy ôlona hikaraka divay vao rehefa avy nisotro divay niotrika ela; fa hozy: Ny niotrika ela no tsara.