Nagnasitrana lehilahy malemy ta-Kapernaomy Jesoa
2
Andro vitsivitsy tafaran’igny, tonga takao Kapernaomy indray Jesoa, dia regnin’ôlona fa tan-dragno takao Izy. 2 Nitangorogna takao dahôlo ny ôlona ka tsisy tany nipetrahana intsony hatraigny an-tokognam-baravaragna. Dia nitory teny taminjareo Jesoa.3 Nisy efa-dahy nilanja ôlona iraika nalemy nagnatogna Ananjy. 4 Tsy afaka nagnatogna takaikin’i Jesoa zareo fa betsaka be ny ôlona takeo. Nangalanjareo ny tafo-tragno, dia nampidigninjareo nifagnitsy an’i Jesoa tamin’ny fandrenany avy takeo ilay malemy. 5 Rehefa hitan’i Jesoa ny finoanjareo, dia hozy tamin’ilay malemy: Voavela ny helokao zanako! 6 Ary ny asagnany tamin’ny mpampianadalàna niantotra takeo nieritreritra tam-pony hoe: 7 Magnino ma ilay r’Ingahy ity no mivôlagna an’izany? Magnasaha an’Andriamagnitra Izy. Iza koa ma no afaka mamela heloka raha tsy Andriamagnitra irerika foagnany? 8 Tonga dia hain’i Jesoa ny raha noeritreretinjareo, ka hozy: Magnino ma ianareo nieritreritra magnano an’izany? 9 Ino ma no moramora, mivôlagna amin’ilay malemy hoe: Voavela ny helokao! Sa: Mitsangàna, ndeso ny fandriana nilanjana anao dia mandehana? 10 Tiako ho hainareo fa managna fahefana hamela heloka aketo ambonin’ny tany ny Zanak’Ôlona. Dia hozy tamin’ny ilay malemy: 11 Mitsangàna, ndeso ny fandriana nilanjana anao, dia modia aigny an-dragnonao. 12 Tonga dia nitsangana izy ary nahorogny ny fandriana, ka lasana niala tamin’ôlona takeo izy. Dia nidagnàka dahôlo ny ôlona ka nankalaza an’Andriamagnitra hoe: Mbôla tsisy raha ôhatra ity kony e!
I Levy mpitaky hetra
13 Nandeha niverigna taigny amoron-dranomasina indray Jesoa. Tonga nagnatogna ananjy takeo dahôlo ny ôlona dia nampianatra anjareo Izy. 14 Tam-pandehanana Izy dia nahita an’i Levy zanak’i Alfeo, niantotra tam-pitakiana hetra. Dia hozy taminanjy: Andao hagnaraka Anahy! Dia nitsangana izy ka nagnaraka Ananjy.
15 Ary nihinana tan-dragnon’i Levy Jesoa sy ny mpianany. Betsaka be koa ireo mpitaky hetra sy ireo mpanota niara-nihinana taminjareo takao. Ary betsaka be ny ôlona nagnaraka Ananjy. 16 Rehefa hitan’ny mpampianadalàna izay agnisan’ny Fariseo fa niaraka nihinan-kanina tamin’ny mpitaky hetra sy ny mpanota Jesoa, dia noteneninjareo ny mpianany hoe: Izy ma zalahy karaha miara-mihinana amin’ny mpitaky hetra sy ny mpanota?
17 Regnin’i Jesoa izany, dia hozy taminjareo: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Tsy hagnantso ny ôlo-marina no niaviako fa ny mpanota.
Jesoa sy ny fifadian-kanina
18 Indray andro dia nifady hanina ny mpianatr’i Jaona mpagnano batisa sy ny Fariseo. Dia nagnatona an’i Jesoa ny ôlona ka nagnano hoe: Magnino ma ny mpianatrao tsy mbô mifady hanina ôhatran’ny mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo? 19 Dia hozy Jesoa taminjareo: Ataon’ny ôlona voaasa akôry ma ny mifady hanina raha mbôla miaraka aminjareo akao ny mpampaka-bady? Raha mbôla akeo izy, dia tsy afaka hifady hanina zareo. 20 Rehefa tonga ny fotoana ka halàna akeo ny mpampaka-bady dia amin’izay andro izay zareo vao hifady hanina.
21 Tsisy ôlona manampina voritr’akanjo tamin’ny tapadamba vao satria vao mainka handrovitra ilay efa ratsy, ka dia hihitatra indray ilay rovitra. 22 Tsisy ôlona magnidigna divay vao agnaty siny hoditra tonta; fa handratra ny siny hoditra ny divay, ka samby hiagna dahôlo na ny divay na ny siny. Fa ny siny hoditra vaovao ihany no asiana divay vao.
Ny nisangoran’ny mpianatra salohim-bary tamin’ny Sabata
23 Indray Sabata izay, nandeha namakivaky tanimbary Jesoa sy ny mpianany. Sady nandeha no nisango-bary ny mpianany tamin’izay. 24 Hozy ny Fariseo Taminanjy: Jerevo, magnino ma ny mpianatrao magnano raha tsy manjary atao amin’ny andro Sabata?
25 Hozy Jesoa taminjareo: Mbôla tsy novakianareo ma ilay tantaran’ny raha nataon’i Davida, rehefa refogna izy mbarak’izay ôlona nagnaraka ananjy? 26 Niditra tan-dragnon’Andriamagnitra zareo tamin’ny andron’ny Abiatara mpisorognabe ka nihinana ny mofo hatao fagnatitra, izay tsisy manjary mihinana afa-tsy ny mpisorogna foagnany, dia nameny koa izay nagnaraka ananjy.