Nagnasitragna ilay lehilahy nalemy Jesoa
9
Dia niakatra tagnaty lakana Jesoa ary nitsaka ny ranomasina ka tonga tan-tanànany.
2 Ary nisy lehilahy malemy iraika nandry tambonin’ny bao, nindesin’ôlona Taminanjy takeo. Rehefa hitan’i Jesoa ny finoanjareo dia hozy tamin’ilay lehilahy: Matokisa zanako! Voavela ny helokao! 3 Ary ny asagnany tamin’ny mpampiana-dalàna nieritreritra hoe: Magnasahaa ilay r’Ingahy ity. 4 Fa hain’i Jesoa ny raha noeritreretinjareo ka hozy: Magnino ma ianareo no mieritreri-dratsy hotr’izany? 5 Ino ma no moramora, ny mitarea hoe: Voavela ny helokao, sa ny hoe: Mitsangàna dia mandehana? 6 Kanefa tiako ho hainareo fa managna fahefana hamela heloka aketo ambonin’ny tany aketo ny Zanak’Ôlona, dia hozy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, aorogno ny bao nilanjana anao dia modia aigny an-dragnonao. 7 Dia nitsangana ilay lehilahy ka nandeha nody tan-dragnony. 8 Rehefa nahita izany ny ôlona dia natahotra ka nankalaza an’Andriamagnitra, izay nagname ny ôlona fahefana ôhatra izany.
Ny nagnantsovana an’i Matio sy ny fagnasana tan-dragnony
9 Rehefa niala takeo Jesoa dia nahita lehilahy iraika, Matio no agnarany, niantotra tam-pitakiana hetra ka hozy Jesoa taminanjy: Andao hagnaraka Anahy! Dia nitsangana i Matio ka nagnaraka Ananjy.
10 Ary niantotra nihinana tan-dragnon’i Matio Izy, dia nisy mpitaky hetra sy mpanota betsaka koa tonga takao niara-niantotra nihinana Taminanjy sy ny mpianany. 11 Rehefa nahita izany ny Fariseo dia hozy zareo tamin’ny mpianatr’i Jesoa: Magnino ma ny Ramosenareo no miara-mihinana amin’ny mpitaky hetra sy ny mpanota?
12 Rehefa naharegny izany Jesoa dia hozy: Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 13 Mandehana ka mianara izay hevitry ny hoe: Famindrampo no sitrako fa tsy sorogna alatsa-drà (Hos 6.6); tsy hagnantso ny ôlo-marina no niaviako fa ny mpanota.
Jesoa sy ny fifadian-kanina
14 Nagnatogna an’i Jesoa ny mpianatr’i Jaona ka nagnadina Ananjy hoe: Magnino ma izahay sy ny Fariseo no mifady hanina foagna kanefa ny mpianatrao tsy mbô mifady? 15 Dia hozy Jesoa taminjareo: Hain’ny havan’ny mpampaka-bady ma ny misaona raha mbôla akeo ny mpampakatra? Ho avy ny andro izay hangalàna ny mpampakatra hiala aminjareo dia amin’izay zareo vao hifady. 16 Tsisy ôlona manampina akanjo Rota amin’ny tapadamba vao fa handrovitra ny akanjo tonta izany ka hihitatra ny rovitra. 17 Tsisy ôlona magnidigna divay vaovao agnatin’ny siny hoditra tonta, fa raha izany dia handratra ny siny hoditra ny divay vaovao ka sady hiagna ny divay no haratra koa ny siny hoditra; fa siny hoditra vaovao no asiana divay vaovao, dia miara-mateza izy in-droa.
Ilay vehivavy nikitika ny akanjon’i Jesoa sy ilay zaza vehivavy natsangany tamin’ny maty
18 Raha mbôla nivôlana izany taminjareo Jesoa, dia tonga nenkohoka tagnatrehany ny manampahefana iraika ka nagnano hoe: Maty vao takeo ny zanakovavy; andao mbô ametraho tagnana izy dia ho velona. 19 Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nagnaraka ananjy Izy sy ny mpianany.
20 Tamin’izay, nisy vehivavy iraika narary nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nandeha tan-dakambohon’i Jesoa ka nikitika ny morontongotr’akanjony. 21 Fa hozy tagn’eritrerigny: Na dia ny akanjony foagnany aza no ho voakitiko dia ho sitragna izaho. 22 Dia nitodika Jesoa ka nahita ananjy ary hozy: Matokisa zanako! Ny finoanao no nahasitragna anao. Dia sitragna niaraka tamin’izay ilay vehivavy.
23 Rehefa niditra tandragnon’ilay manampahefana Jesoa dia nahita ny mpitsoka sodina sy ôlona nidolevy. 24 Dia hozy taminjareo: Mivoaha dahôlo ianareo, tsy maty avy ilay zazavavy fa mandry foagnany. Ary nihomezan’ny ôlona dahôlo Izy. 25 Rehefa tafavoaka dahôlo ny ôlona dia niditra tan-dragno Jesoa ary noraisiny ny tagnan’ilay zazavavy ka nitsangana izy. 26 Ary nipariaka nanerana ny faritra ny lazan’izany raha izany.
Nampahiratra jamba roalahy Jesoa
27 Rehefa niala takeo Jesoa dia nisy jamba roalahy nagnaraka Ananjy sady nilelalela hoe: Ô zanak’i Davida! Mbô amindrao fo koa ma izahay! 28 Rehefa tonga tan-dragno Jesoa dia nagnatogna Ananjy zareo roalahy, dia hozy Jesoa taminjareo: Mino ma ianareo fa mahay magnano an’izany Izaho? Dia hozy zareo: Iainy Tômpoko! 29 Nokitihan’i Jesoa ny masonjareo dia hozy: Tongava aminareo araka izay inoanareo. 30 Dia nahiratra ny masonjareo. Ary nofeperan’i Jesoa mafy zareo hoe: Aoka mbô tsy ho fantatr’ôlona izao! 31 Kanefa raha vao niala takeo zareo roalahy dia efa napariakany eraky ny tanàna dahôlo ny lazany.
Nagnasitragna lehilahy moagna i Jesoa
32 Rehefa lasa zareo roalahy dia nisy lehilahy iraika moagna, izay nigodagnin’ny demonia nindesin’ny ôlona tamin’i Jesoa takeo. 33 Rehefa navoakan’i Jesoa ny demonia dia nanjary niteny ilay lehilahy. Tofoka ny vahoaka ka nagnano hoe: Tsy àry mbôla nisy raha ôhatra izao tamin’ny Israely! 34 Kanefa hozy ny Fariseo: Ny sefon’ny demonia no amoahany ny demonia.
Jesoa sy ny vahoaka
35 Ary Jesoa nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra dahôlo, nampianatra takao amin’ny sinagoga sady nitory ny Tarea Maharavon’ny fanjakana ary nanasitragna ny aretina sy ny rofy dahôlo.
36 Nalahelo be Jesoa rehefa nahita ny vahoaka satria reraka zareo fa navela nibazeka ôhatra ny ondry tsisy mpagnandroka. 37 Dia hozy Jesoa tamin’ny mpianany: 38 Betsaka ny vokatra fa ny gaogna indray no vitsy; araka izany, angataho ny Tômpon’ny vokatra mbô handefa gaogna hampakatra ny vokatra.