Ny nahasitranan’i Jesoa ilay boka
8
Rehefa nidigna avy tan-tampontanety Jesoa dia nisy ôlona betsaka nagnaraka Ananjy. 2 Nisy lehilahy iraika feno habokana nagnatogna Ananjy dia nenkohoka tagnatrehany ka nitarea hoe: Ô Tômpoko! Raha manjary Aminao dia vitanao ny manadio anahy. 3 Dia nagnatsotra ny tagnany Jesoa ka nikitika ananjy, ary hozy: Manjary Aminahy. Madiova ianao. Takeo noho ny akeo dia nadio izy. 4 Ary hozy Jesoa taminanjy: Aza milazalaza amin’ôlona, fa mandehana miboagna amin’ny mpisorogna, atero ny fagnatitra izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona aminjareo fa madio ianao.
Jesoa sy ilay kapiteny ta-Kapernaomy
5 Rehefa tonga ta-Kapernaomy Jesoa, dia nisy kapiteny iraika nandeha Taminanjy nitaraigna hoe: 6 Ô Tômpoko! Am-pandriana an-dragnoko akao ny gaognako, malemy izy ka mijaly be. 7 Hozy Jesoa taminanjy: Ho avy aigny Izaho hagnasitragna ananjy. 8 Kanefa hozy ilay kapiteny: Ô Ramose! Tsy sahaza anao avy ny mitsofoka ambanin’ny tafotragnoko, fa mivolàgna foagna dia ho sitragna ny gaognako. 9 Na dia izaho koa aza mbô managna ny sefoko sady managna miaramila feheziko. Rehefa hozy izaho amin’ny miaramila iraika: Mandehana! Dia mandeha izy, ary amin’ny iraika hafa: Avia! Dia avy izy; ary amin’ny gaognako: Ataovy izao! Dia magnano izy. 10 Gaga Jesoa naharegny an’izany. Dia nivolagna tamin’ny ôlona nagnaraka ananjy Izy hoe: Taraviko marina aminareo fa mbôla tsy ary nahita ôlona nanagna finoana gedabe ôhatra izany Izaho, na dia tamin’ny Israely aza. 11 Taraviko aminareo koa fa betsaka ny ôlona avy aigny antsinanana sy aigny andrefana no ho avy hiaraka hihinana amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba aigny amin’ny fanjakan’ny lagnitra. 12 Ny zanaky ny fanjakana indray dia hariana any amin’ny maizigna aigny ivelany, aigny no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 13 Dia hozy Jesoa tamin’ilay kapiteny: Mandehana, tongava aminao araka izay ninoanao. Tonga dia sitragna tamin’izay lera izay ilay gaogna.
Ny nagnasitragnana ôlona betsaka
14 Rehefa niditra tan-dragnon’i Petera i Jesoa dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandamaka tam-pandriana, voan’ny tazo. 15 Nikitihan’i Jesoa ny tagnany dia niafagna ilay tazo, ary nitsangana nanompo Ananjy ilay vehivavy.
16 Rehefa maizinjoro dia nindesin’ôlona Taminanjy takeo ny ôlona betsaka nigodagnin’ny demonia. Ny teniny foagna no namoahany ny fagnahy ratsy, ary nositragniny dahôlo ny marary, 17 mbô hahatanteraka izay nampivolagnina an’i Isaia mpagnazary hoe:
“Nangala ny rofintsika
sy nitondra ny aretintsika Izy” (Isa 53.4).
Ny mikasika izay te hagnaraka an’i Jesoa
18 Rehefa nahita ny ôlona betsaka nitangorogna Taminanjy Jesoa, dia nitarea tamin’ny mpianany Izy mbô hitsaka aigny ampitana zareo.
19 Nisy mpampiana-dalàna iraika nagnatogna Ananjy ka nitarea hoe: Ô Ramose! Hagnaraka Anao izaho na akaiza na akaiza ny tany hombanao. 20 Fa hozy Jesoa taminanjy: Manan-davaka ny fosa ary managna akana ny vorogna magnembagna, fa ny Zanak’Ôlona, tsy managna na dia izay tany hasiany ny lôhany aza.
21 Nisy mpianatra hafa koa nitarea tamin’i Jesoa hoe: Ô Tômpoko! Avilay malôha izaho handeha handevigna ny dadaiko. 22 Fa hozy Jesoa taminanjy: Magnaràha Anahy, avilay ny maty handevigna ny maty akao aminanjy.
Ny nampijanonan’i Jesoa ny tafio-drivotra
23 Rehefa nitikina lakana Jesoa dia nagnaraka Ananjy ny mpianany. 24 Nisy tafio-drivotra avy tampoka tamin’ny ranomasina, ary saika safotry ny onja ny lakana, kanefa Jesoa natory. 25 Dia nagnatogna an’i Jesoa ny mpianany ka nanaitra Ananjy, dia hozy zareo: Ô Tômpoko! Vonjeo izahay fa maty. 26 Dia hozy taminjareo: Ô ianareo kely finoana! Magnino ma ianareo no be koseka? Dia nitsangana Izy ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tony tsara ny andro. 27 Dia tofoka ny mpianatra ka nifagnadina hoe: Mbô manakôry loatra aiky ma io Lehilahy io? Na ny rivotra sy ny ranomasina aza magnaiky Ananjy.
Ny nagnasitragnan’i Jesoa ny lehilahy roa nigodagnin’ny demonia
28 Rehefa tafitsàka tam-pitana tamin’ny tanin’ny Gadarena zareo, dia nifanena tamin’ny lehilahy roa nivoaka avy tam-pasagna; nigodagnin’ny demonia zareo roalahy ireo. Tegna masiaka be zareo ka tsy nisy ôlona nahasahy nandalo tamin’izany lalana izany. 29 Dia nilelalela zareo hoe: Ô Zanak’Andriamagnitra! Hataonao inona ma izahay ity? Hampijaly anay alôhan’ny fotoana ma ny hahatongavanao atỳ?
30 Nisy kisoa betsaka, iray dia, nihinana takaiky takeo. 31 Niangavy tamin’i Jesoa ireo demonia hoe: Raha ho avoakanao izahay dia alefaso mankaigny agnatin’ireo kisoa iray dia ireo.
32 Hozy Jesoa taminjareo: Mandehana! Dia nivoaka zareo ka niditra tagnatin’ny kisoa, ary nivantavanta tagnaty tevagna mandeha amin’ny ranomasina ny kisoa dahôlo ka dia maty tagnatin’ny rano. 33 Dia nilefa niakatra tan-tanàna ny mpagnandroka kisoa ka nitantara taigny ny raha dahôlo nitranga tamin’ireo lehilahy nigodagnin’ny demonia. 34 Dia nivoaka hitseza an’i Jesoa ny ôlona dahôlo tan-tanàna. Ary raha vao nahita Ananjy zareo dia niangavy Taminanjy mbô hiala amin’ny faritaninjareo.