Ny nagnasitragnan’i Jesoa ny lehilahy iraika nogodagnin’ny fagnahy
5
Dia tonga tampitan-dranomasina ta-Gerasena Jesoa sy ny mpianany. 2 Rehefa niala tagnatin’ny lakana Izy, dia nisy lehilahy iraika nigodagnin’ny fagnahy ratsy nivoaka avy tagnaty fasagna nifanehitra taminanjy, 3 fa tagnaty fasagna foagna izy nipetraka; ary tsy nisy ôlona nahafàgna ananjy intsony na dia notadiany tamin’ny tady vy izany. 4 Fa izy io dia efa matetika notadianjareo tamin’ny tady vy, na ny tagnany na ny tongony; nefa tapagny tamin’ny tagnany foagnany ilay tady ary nipotipotehiny tamin’ny tongony ilay vy, ka tsy nisy ôlona nahafàgna ananjy mihitsy na dia iraika. 5 Isaky isan’andro, magnalin’andro mahakiaka andro, dia niantotra tam-pasagna sy tan-tanety foagnany izy ka ninamanama sady napopokany tamin’ny vato ny aignany.6 Avy talavitra dia efa tazagny Jesoa, ary nihazakazaka nagnatona izy ka nenkohoka talôhany takeo 7 sady nilelalela mafy be hoe: Inona ma raha tianao atao aminay ity, ry Jesoa Zanak’Andriamagnitra farany agnambo? Ampianianiko amin’ny agnaran’Andriamagnitra Anao, aza ampijalena koa ma izaho. 8 Jesoa mbôkany efa nitarea taminanjy hoe: Mialà amin’ity lehilahy ity, ry fagnahy ratsy. 9 Jesoa nagnotany ananjy hoe: Iza ma ny agnaranao? Dia hozy: Legiona no agnarako satria betsaka be izahay. 10 Ary niangavy mafy tamin’i Jesoa izy mbô tsy horoasiny tamin’ny tany nisy ananjy.
11 Tamin’io fotoana io, nisy kisoa betsaka iray dia nambesana tambodina tanety tsy lavitra anjareo. 12 Dia niangavy tamin’i Jesoa zareo hoe: Avilay izahay handeha hiditra agnatin’ireo kisoa ireo. 13 Dia hozy Jesoa: Mandehana. Ary rehefa nivoaka ny fagnahy ratsy, dia niditra tamin’ireo kisoa ireo; dia nivantavanta tagnaty tevagna ary nivarigna tan-dranomasina (akeo ho akeo amin’ny roa arivo akeo ny isany), ka dia maty takaigny zareo.
14 Nilefa nandeha nilaza tan-tanàna sy tan-tanimboly ny mpagnandroka kisoa. Dia lasana ny ôlona dahôlo hijery ny zavanisy; 15 rehefa tonga taigny amin’i Jesoa zareo; dia natahotra rehefa nahita an’ilay lehilahy nigodagnin’ny fagnahy ratsy, ilay nisy ny legiona, izay efa niantotra, nitafy lamba sady vory saigna tsara. 16 Ary izay efa nahita ny raha natao tamin’ilay ôlona nisy fagnahy ratsy sy ny kisoa dia nagnely ny zavanisy. 17 Dia niangavy an’i Jesoa zareo mbô hiala amin’ny faritaninjareo.
18 Ka rehefa niondrana an-dakana Jesoa, dia niangaven’ilay lehilahy nialan’ny fagnahy ratsy mbô hitondra ananjy. 19 Tsy nagnaiky nefa Jesoa; fa nitarea taminanjy hoe: Mandehana ianao mody aigny an-dragnonao amin’ny fianakavianao, dia koragno sy tantarao aminjareo ny raha tsara nataon’i Tômpo sy ny namindrany fo taminao. 20 Dia nandeha ta-Dekapolisy izy, nitantara ny raha tsara nataon’i Jesoa taminanjy, dia nidagnàka dahôlo ny ôlona.
Ilay vehivavy zanak’i Jairo sy ilay vehivavy nikasika ny akanjon’i Jesoa
21 Ary rehefa nitsaka tamin’ny lakana indray Jesoa, dia tonga tampitan-drano, dia efa nisy ôlona betsaka tafangona taminanjy; ary Izy koa fa tamoron-dranomasina takeo. 22 Dia nagnatona ny iraika tamin’ny ôlona gedan’ny sinagoga, Jairo ny agnarany, ka rehefa nahita an’i Jesoa izy dia nenkohoka tamin’ny tongony 23 sady niangaviany mafy Jesoa hoe: Marary efa ho faty ny zanakovavy kely; andao edy ametraho tagnana izy mbô ho sitragna amin’izay ka ho velona. 24 Dia nandeha niaraka taminanjy Jesoa. Dia nisy ôlona betsaka be nagnaraka Ananjy sady nifanisika taminanjy takeo.
25 Nisy vehivavy iraika efa narary nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona. 26 Efa niaritra raha betsaka be tamin’ny karazagna dokotera izy sady efa nandany ny fanagnany dahôlo, nefa tsy nety sitragna fa vao mainka narary be. 27 Ka rehefa naharegny ny momba an’i Jesoa izy, dia lasa nanivatsiva ny ôlona tan-dakambohon’i Jesoa dia nikitika ny akanjony. 28 Fa hozy tagn’eritrerigny: Na dia ny lambany foagnany aza no ho voakitiko dia ho sitragna izaho. 29 Niaraka tamin’izay tonga dia ritra ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tamin’ny aignany fa sitragna izy.
30 Niaraka tamin’izay, Jesoa nahatsiaro fa ôhatran’ny nisy hery niala taminanjy, dia niodigna tampovoan’ny ôlona takeo Izy dia nagnano hoe: Iza izany nikitika ny lambako izany? 31 Fa hozy ny mpianany Taminanjy: Tsy hitanao ma ireo ôlona betsaka be magnaraka anao ireo no sady mifagnisika be ireo, ka iza no lazainao fa nikitika ny lambanao? 32 Dia nitodika ny magnodidina Izy hizaha an’ilay ôlona nagnano an’izany. 33 Fa natahotra sady nangovitra ilay vehivavy satria fantany ilay raha nisy, dia nagnatona an’i Jesoa izy sady nenkohoka talôhany takeo ka nilaza ny marina dahôlo taminanjy. 34 Dia hozy Jesoa taminanjy: Ô ry anaka! Ny finoanao no nahasitragna anao; mandehana soa aman-tsara ary sitràgna amin’ny aretinao.
35 Raha mbôla nitarea Jesoa, dia nisy ôlona avy taigny amin’ny ilay ôlona gedan’ny sinagoga nagnano hoe: Efa maty ny zanao vavy; ka nagnino anao mbôla magnano raha mampanahirana ny Mpampianatra? 36 Tsy noraharahian’i Jesoa avy ny raha noteneniny, fa hozy tamin’ny ôlona gedan’ny sinagoga: Minoa foagna fa aza matahotra. 37 Tsisy ôlona navelany hagnaraka Ananjy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’i Jakoba. 38 Rehefa tonga tan-dragnon’ilay ôlona gedan’ny sinagoga zareo, dia hitan’i Jesoa ny ôlona nitabataba, nitomagny nigololoka sady nidolevy. 39 Rehefa niditra Izy, dia nitarea hoe: Nagnino ma ianareo no misavoritaka sy mitomagny? Tsy maty avy io zaza vehivavy io fa matory. 40 Dia nihomehy Ananjy dahôlo ny ôlona. Ary noroasiny dahôlo zareo, ary nentiny niditra tamin’ny nisy an’ilay zaza vehivavy ny ray sy reniny sy izay ôlona teo. 41 Dia noraisiny ny tagnan’ilay zaza vehivavy ka nitarea taminanjy izy hoe: Talita komy, ny dikan’izany dia hoe: Ô zaza vehivavy ity! Izaho mitarea aminao: Mitsangàna. 42 Niaraka tamin’izay dia nitsangana ilay zaza vehivavy ka tonga dia nandeha; izy lasiteo efa roa ambin’ny folo taona. Dia nidagnàka ny ôlona nahita an’izany. 43 Ary Jesoa nitarea mafy anjareo mbô tsy hiteny izany na amin’iza na amin’iza, dia nasainy namena hanina ilay zaza vehivavy.