Fagnoharana mikasika ny mpamafy
4
Dia nampianatra tamoron-dranomasina indray Jesoa; dia nisy ôlona betsaka nagnatona Ananjy, dia voatery niakatra tagnaty lakana izay nijanona tan-dranomasina Izy; fa ny ôlona dahôlo kosa dia tan-tanety amoron-dranomasina.
2 Dia nampianatra raha betsaka be tamin’ny fagnoharana Izy nagnano hoe: 3 Tainoanareo ma: Nisy mpamboly nandeha hamafy. 4 Rehefa namafy izy, dia voafafy tamin’ny lalana ny asagnany ary avy ny vorogna ka nataony tsy nisy niaingana izay voafafy takeo. 5 Ny asagnany indray dia voafafy tamin’ny tany vatoina sady zara raha nisy nofon-tany; nitrebogna nadikatra loatra ny ambeoka tamin’iregny satria narivogna ny tany. 6 Ka rehefa nipoaka ny masoandro dia nalazo iregny, avy akeo maty satria mbôla tsy latsa-paka. 7 Ary ny asagnany indray dia voafafy tagnaty tsilo; rehefa naniry ny tsilo dia nanery ananjy ka tsy namoa izy. 8 Fa ny asagnany indray kosa dia voafafy tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo avy akeo vokatra telopolo heny, enimpolo heny, zato heny. 9 Hozy Jesoa: Izay manan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!
Magnino ma Jesoa no mampiasa fagnoharana?
10 Rehefa nihataka kely Jesoa dia nagnontanian’ireo nagnaraka Ananjy sy ilay roa ambin’ny folo lahy ny hevitr’ilay fagnoharana. 11 Dia hozy taminjareo: Efa nampahafantarina anareo ny raha misitrika mikasika ny fanjakan’Andriamagnitra fa fagnoharana kosa no hitaravana izany amin’ny hafa
12 “mbô hijery foagna zareo fa tsy hahita;
mbô hitaino foagna zareo fa tsy hahazo ognon-draha;
sao dia izy hibebaka ka hahazo famelana” (Isa 6. 9-10).
Fagnazavana ny fagnoharana mikasika ny mpamafy
13 Hozy Jesoa taminjareo: Dia tsy azonareo ognogna ma izany ilay fagnoharana takeo? Dia ataonareo manakôry ny hahazo ognogna ny fagnoharana dahôlo? 14 Ny mpamafy dia mamafy ny Tenin’Andriamagnitra. 15 Ireo izay tan-dalana, ireo no namafazana ny Tenin’Andriamagnitra, ka raha vao naharegny izy, tonga dia avy koa Satana ka mangala ny teny izay nafafy taminanjy. 16 Dia ôhatra izany koa, ireo ilay voafafy tamin’ny tany marivogna izay vatoina, dia izay naharegny ny teny ka nalaky nandray izany tamin-kafaliana; 17 kanefa tsy mamaka agnatiny iregny, dia tsy mahadigny ela avy fa rehefa tonga ny fahoriana na fanenjehana noho ny Tenin’Andriamagnitra, tonga dia mihemotra amin’ny finoana niaraka tamin’izay izy. 18 Ary nisy hafa koa voafafy tagnaty tsilo, dia ireo ilay naharegny ny Tenin’Andriamagnitra, 19 fa ny fiahiahiana izao fiaignana izao sy ny fitaky ny fanagnana ary ny fidiran’ny filàn-dratsy, dia notereny ny Tenin’Andriamagnitra, ka tsy mamoa. 20 Fa ny voafafy takeo amin’ny tany tsara indray, dia izay naharegny ny teny ka nandray ananjy, ary namoa be ka ny asagnany tonga telo-polo, ny asagnany enimpolo, ary ny asagnany zato.
Fagnoharana mikasika ny jiro sy ny vata
21 Hozy indray Jesoa taminjareo: Mbô mety ma ny jiro raha rakofana vata, na hatao akao ambany fandriana? Fa tsy akeo amin’ny fitoerany ma no tokony hametrahana ananjy? 22 Fa tsisy takona izay tsy ho hita, na raha misitrika izay tsy hiboagna. 23 Izay manan-tsofigna hitandrignesana, mitandrignesa!
24 Dia hozy indray Jesoa taminjareo: Alaivo ognona tsara izay teny regninareo. Araka ny habetsaky ny fatra ataonareo no hamarana anareo ary amena mihoatra mihitsy ary anareo. 25 Fa izay magnana no amena; fa ny amin’ny izay tsy magnana, na izay kely anagnany ary dia halaina aminanjy.
Fagnoharana mikasika ny ambeoka manity ho ananjy
26 Dia hozy indray Jesoa: Ôhatran’ny lehilahy mamafy ambeoka amin’ny tany ny fanjakan’Andriamagnitra: 27 Ka na matory na mifôha aza izy na andro na alina; rehefa ela ny ela dia vaky maso ny voa ka maniry, nefa tsy fantany avy ny fitsiriny. 28 Mahavokatra ho ananjy ny tany: voalohany mitombo ny tovony dia teraka, ary avy akeo feno voany. 29 Rehefa miaka-bokatra izy dia didina satria efa mena.
Fagnoharana mikasika ny voatsinapy
30 Dia hozy indray Jesoa: Manakôry ma no hagnoharantsika ny fanjakan’Andriamagnitra, ary ino no raha manjary hagnoharantsika ananjy? 31 Ôhatran’ny voatsinapya izy, izay kely noho ny voa dahôlo afafy amin’ny tany; 32 fa rehefa voafafy izy, dia maniry ka manjary gedabe mihoatra noho ny raha maniry dahôlo an-tanimboly, sady mandrantsagna be, ka azon’ny vorogna ipetrahana ny alokalogny.
Fampianarana ampiasana ny fagnoharana
33 Fagnoharana betsaka sahala amin’izany no nitaravany taminanjy, mborizay hainy tainoana. 34 Tsy nitarea taminjareo Izy raha tsy tamin’ny fagnoharana; ary tamin’ny mangingina no notaravany ny hevitr’ireo dahôlo ireo tamin’ny mpianany.
Nandrivotra mafy be ny andro
35 Androtr’igny ihany rehefa hariva ny andro, dia hozy tamin’ny mpianany: Andao atsika hitsaka ampitana ary. 36 Rehefa nalifan’ny mpianany nody ny ôlona, dia nindesinjareo tamin’ilay lakana efa nisy ananjy takeo Jesoa. Ary nisy lakana hafa koa niaraka taminjareo. 37 Tsy tapitapitr’izay dia nandrivotra mafy be ny andro, nahilankilan’ny onja ny lakana ka saika nizetra. 38 Ary Jesoa natory tambony ondana tankamorin-dakana takeo; dia hozy zareo nanaitra Ananjy: Ô Ramose! Tsy mampagnino Anao ma izany ny hahafaty anay? 39 Taitra Izy, dia nitrerogna ny rivotra sady nitarea ny ranomasina hoe: Mangina, manangàna! Ka nanangana ny rivotra dia tony ny rano. 40 Ary hozy Jesoa taminjareo: Magnino ma ianareo no be koseka ôhatra an’io? Mbôla tsy magnana finoana foagna ma ianareo? 41 Ary natahotra be zareo dia nibitsibitsika nagnano hoe: Mbô iza ma ity lehilahy ity, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza magnaiky Ananjy?