Jesoa nagnasitrana an’ilay lehilahy iraika maty tàgnana
3
Nisy andro, nitsofoka takao amin’ny sinagoga indray Jesoa. Ary nisy lehilahy iraika maty tàgnana koa takao. 2 Ny ôlona amin’io efa nandinika an’i Jesoa, na hitsabo an’io lehilahy io Izy, na tsia satria mbôka Sabata ny andro tamin’izany, mbô hahitany raha hagnamelohana Ananjy. 3 Hozy Jesoa tamin’ny ilay lehilahy: Mitsangàna ampovoany akeo anao. 4 Dia hozy: Ino ma no manjary atao amin’ny Sabata, ny magnano raha tsara sa ny magnano raha ratsy? Ny magnavotra aigna, sa ny mamono? Fa tsy nisy namaly ny ôlona. 5 Sady sosy no nalahelo Jesoa nijery anjareo noho ny hamafisan-dôhany. Dia hozy tamin’ny ilay lehilahy: Enjagno ny tagnanao. Dia nenjagniny ny tagnany ka sitragna.6 Dia nivoaka ny Fariseo avy takeo, ka tonga dia niray lôha tamin’ny Herodiana hanohitra mbô hahafaty an’i Jesoa.
Ny nagnatognan’ny ôlona an’i Jesoa
7 Niala takeo Jesoa sy ny mpianany dia nandeha nankaigny an-dranomasina; nisy ôlona betsaka nagnaraka Ananjy. Ireo ôlona ireo avy taigny Galilia, Jodia, 8 Jerosalema, Edoma sy taigny ampitan’i Jordana ary tamin’ny tany magnodidina an’i Tiro sy Sidona koa. Betsaka ny ôlona nagnatogna Ananjy rehefa naharegny izay raha nataony.
9 Nitarea tamin’ny mpianany Jesoa mbô hagnomagna lakana ho Ananjy noho ny vahoaka fa sao dia mifanisika Aminanjy ireo. 10 Betsaka mbôka ny ôlona efa sitragny, ka nifanisika handeha hitamo Ananjy izay nanagna aretina. 11 Rehefa nahita Ananjy ny fagnahy ratsy dia niankotra talôhany takeo, nilelalela hoe: Zanak’Andriamagnitra Anao. 12 Namepetra mafy anjareo Jesoa mbô tsy hagnano izay hahafantarana Ananjy.
Ny nifidianan’i Jesoa ny roa ambin’ny folo lahy
13 Dia niakatra tan-tanety Jesoa ka nagnantso izay tiany handeha Aminanjy akeo; dia avy zareo.
14 Nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy izay nameny agnarana hoe Apostoly mbô hiaraka Aminanjy sy hasainy hitoriteny, 15 sady nameny fahefana hamoaka demonia.
16 Simona nantsoviny hoe Petera, 17 Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio; nantsoviny agnarana Boanerjesy izy roa lahy, izany hoe Zana-baratra 18 ary Andrea, Filipo, Bartolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak’i Alfeo, Tadeo sy Simona Kananeana 19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Ananjy.
Ny nitadiavan’ny havan’i Jesoa Ananjy
20 Nitsofoka tan-tragno indray Jesoa, dia nitangorogna indray ny ôlona, ka na ny fotoana hihinan-kanina aza tsy nisy. 21 Rehefa naharegny ny havany dia tonga haka Ananjy fa hozy zareo: Efa tsy ampy saigna izy!
22 Hozy ny mpampianadalàna izay nidigna avy taigny Jerosalema: Misy an’i Belzeboba Izy. Dia hozy koa zareo: Ny talaben’ny demonia no androasany ny demonia.
23 Ary rehefa nagnantso anjareo hagnatona Ananjy Izy, dia izao ny fagnoharana nataony taminjareo: Hataon’ny Satana manakôry ma ny fandroaka an’i Satana? 24 Fa raha misy fanjakana mifamotika, dia tsy hateza avy izany fanjakana izany. 25 Fa raha misy koa ôlona iray tragno mifamotika, dia tsy hahadigny ela dia efa misara-monina. 26 Dia raha Satana no handeha hiady amin’ny tegnany ka mifamotika, dia tsy hahadigny ela izy fa ho rava ny heriny. 27 Tsisy afaka mitsofoka an-dragnon’ôlona matanjaka ka handrava fa tsy maintsy fatorany alôha ilay ôlona. Dia izay vao ravainy ny tragnony.
28 Taraviko marina aminareo tsara fa hahazo famelan-keloka dahôlo ny olombelona amin’ny ota sy ny asaha izay ataony; 29 nefa izay magnasaha ny Fagnahy Masina indray dia tsy mahazo ny famelan-keloka mandrakizay fa hohelohina mandrakizay izy noho izany tsy fanjariany izany. Izany no raha nokoragnin’i Jesoa, 30 satria hozy ny ôlona hoe: Voan’ny fagnahy ratsy Izy.
Ny tegna havan’i Jesoa
31 Dia avy ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny ka nijanona tankotany, dia nagniraka ôlona hagnantso Ananjy. 32 Ary betsaka ny ôlona niantotra nagnodidina Ananjy dia nisy nitarea taminanjy hoe: Eh! Mikaraka anao an-tokotany akao ny reninao sy ny rahalahinao ary ny anabavinao. 33 Hozy Jesoa namaly: Iza ma ny reniko sy ny rahalahiko izany? 34 Ary rehefa nijery izay nipetraka magnodidina Ananjy Izy, dia hozy: Zareo ireo no reniko sy rahalahiko. 35 Fa na iza na iza magnano ny sitrapon’Andriamagnitra izay aigny an-dagnitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.