Nampianaran’i Jesoa hivavaka ny mpianany
11
Indray andro, dia nivavaka tamin’ny tany iraika Jesoa. Rehefa tapitra ny vavaka nataony dia hozy ny mpianany iraika: Ô Tômpoko, ampianaro mivavaka ôhatra ny nampianaran’i Jaona ny mpianany izahay.2 Hozy Jesoa taminanjareo: Rehefa mivavaka ianareo, dia izao taravina:
Aigny Ianao Daday,
Hohamasinina anie ny Agnaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany ôhatra ny aigny an-dagnitra
3 Ameo anay isan’andro izay hanina sahaza anay.
4 Avilay ny helokay;
satria izahay koa mamela ny heloky ny ôlona nagnano raha ratsy taminay.
Aza indesina amin’ny fitsapam-panahy izahay
fa alao amin’ny ratsy.
5 Hozy koa Jesoa taminanjy: Raha misy iraika aminareo ho aigny amin’ny namany amin’ny sasak’alina ka hitarea aminanjy hoe: Ô raolona, mbô ampisambory mofo telo koa ma izaho 6 fa misy namako avy nandeha tonga an-dragnonay akao nefa tsisy raha hohanina aminay. 7 Fa hamaly ilay ôlona an-dragno hoe: Aza magnakotaba anahy akeo anao. Efa mirafitra ny tragnonay, efa matory izahay mianakavy; tsy afaka hitsangana hagname raha anao izaho! 8 Fa izao lazaiko anareo: Na dia tsy hitsangana hagname raha ananjy amin’ny maha mpinamana anjareo aza izy, dia hitsangana ihany izy noho ny fiangaviany mafy ka hagname ananjy ny raha karahiny.
9 Hozy Izaho aminareo: Mangataha, dia hamena ianareo; mikaraha, dia hahita ianareo; popohy, dia hosokafana ianareo. 10 Fa izay ôlona dahôlo mangataka no mahazo; izay mikaraka no mahita; ary izay mipopòka no hosokafana. 11 Iza aminareo ray ma no angatahan’ny zanagny mofo ka hagname ananjy vato? Na angatahany barahoa ka hagname ananjy bibilava ho solon’ny barahoa? 12 Na angatahany atody ka hagname ananjy maingoka? 13 Ianareo na dia ratsy aza, mahalala magname raha tsara ho an’ny zanakareo. Mintsaka fa ny Ray Izay aigny an-dagnitra, hameny ny Fagnahy Masina izay mangataka izany Aminanjy.
Mifandray amin’ny demonia ma Jesoa?
14 Nisy andro, namoaka demonia mahamoagna tamin’ny lehilahy iraika Jesoa. Rehefa nivoaka ilay demonia dia nanjary niteny ilay lehilahy; dia tofoka ny ôlona dahôlo. 15 Nisy nitarea hoe: Belzeboba, talaben’ny demonia no androasany ny demonia. 16 Fa ny asagnany kosa nitsapa fagnahy Ananjy ka nangataka Ananjy hagnano famantarana avy aigny an-dagnitra. 17 Hain’i Jesoa anefa ny tagnaty eritreritr’ireo, ka hozy: Hiagna ny fanjakana dahôlo mifamotika; ary ho rava koa ny ôlona iray tragno mifamotika. 18 Raha tsy mifamotika Satana, magnino ma ny fanjakany no hahadigny ela? Satria hozy ianareo hoe: Belzeboba no amoahako demonia. 19 Fa raha mamoaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba Izaho, dia amin’ny alalan’iza izany no amoahan’ny zanakareo ananjy? Amin’izay fotoana izay dia hanjary mpitsara anareo ireo. 20 Fa raha ny rantsantagnan’Andriamagnitra indray no amoahako ny demonia dia efa tonga aminareo tokoatrany ny fanjakan’Andriamagnitra. 21 Raha ny ôlona matanjaka sady ampy fitaovam-piadiana no miambina ny tragnony, dia tsy hisy mipika ny fanagnany. 22 Fa raha tonga indray ny matanjaka mandombolombo ananjy ka maharesy ananjy, dia alain’io dahôlo ny fiadiany izay nitokisany, ary rasainy dahôlo izay azony babo. 23 Izay tsy miaraka Aminahy dia manohitra Anahy; ary izay tsy miara-magnandroka Aminahy dia magnapariaka.
Ny fiveregnan’ny fagnahy maloto
24 Rehefa mivoaka amin’ny ôlona iraika ny fagnahy maloto, dia mandeha mitety tany tsisy rano izy, mitady tany hialany disaka. Rehefa tsy mahita izy, dia hiteny hoe: Hody aigny an-dragnoko izay nialako izaho. 25 Ary rehefa tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voalamina ilay tragno. 26 Dia lasana izy ka mipaitra fagnahy fito hafa izay ratsy mandombolombo ananjy; dia miditra zareo ka mipetraka akao. Dia ho ratsy mandombolombo ny tamin’ny voalôhany ny fiafaran’izany ôlona izany.
Ny tena fahasambarana
27 Raha mbôla niteny izany Jesoa, dia nisy vehivavy iraika avy tagnaty vahoaka niteny mafy hoe: Sambatra aiky vehivavy nitondra Anao tan-kibo sy ny nono ninonoanao. 28 Fa hozy Jesoa: Sambatra mandolombo izany izay mitaino ny Tenin’Andriamagnitra ka mankatò ananjy.
Ny famantarana ny amin’i Jona sy ny Zanak’ Ôlona
29 Vao mainka nihabetsaka ny ôlona nitangorogna tamin’i Jesoa, ka hozy: Tamingana ratsy ity tamingana ity. Mikaraka famantarana izy nefa tsisy famantarana hamena ananjy, afa-tsy ny famantarana mikasika an’i Jona. 30 Ôhatra an’i Jona, izay famantarana tamin’ny Ninivita, dia ho sahala aminjany koa ny Zanak’Ôlona amin’ity tamingana ity. 31 Amin’ny andro fitsarana dia hiara-hitsangana amin’ny lehilahy amin’ity tamingana ity ny mpanjakavavy avy aigny atsimo ka hagnameloka anjareo. Fa niala avy aigny amin’ny faran’ny tany izy mbô hitaino ny fahendren’i Solomona; nefa aketo misy geda mandombolombo an’i Solomona. 32 Amin’ny andro fitsarana dia hiara-hitsangana amin’ity tamingana ity ny ôlona takaigny Ninive ka hagnameloka anjareo satria nibebaka zareo rehefa naharegny ny toritenin’i Jona, nefa aketo misy geda mandombolombo an’i Jona.
Ny jiron’ny tegna
33 Tsisy ôlona mampirehitra jiro ka mametraka ananjy agnaty lavaka, na ambanin’ny vatam-bary, fa apetragny amin’ny fitoeran-jiro izany, amin’izay mbô ho hitan’izay miditra ny mazava.
34 Ny masonao no jiron’ny aignanao; ka raha tsara ny masonao, dia mazava ny aignanao dahôlo; fa raha ratsy indray izy, dia maizigna koa ny aignanao. 35 Tandremo ary mbô tsy ho maizigna ny mazava agnatinao akao. 36 Raha mazava dahôlo ny aignanao, ka tsisy maizigna na dia kely aza, dia hazava ny aignanao dahôlo, ôhatra ny jiro mirehitra tsara ka magnazava anao.
Magnameloka ireo Fariseo sy ireo mpampiana-dalàna Jesoa
37 Raha mbôla niteny Jesoa, dia nisy Fariseo iraika nagnantso Ananjy hihinana aigny an-dragnony; dia niditra Izy ka niantotra hihinana. 38 Gaga ilay Fariseo nahita Ananjy tsy nanasa tagnana talôhan’ny hihinana. 39 Dia hozy ny Tômpo taminanjy: Anareo Fariseo mbôka magnadio ny ivelan’ny tasy sy ny vilia, nefa ny akao agnatinareo kosa dia feno halatra sy faharatsiana. 40 Ô ôlona adala ireto! Tsy Izay nagnano ny ivelany ihany ma no nagnano ny agnatiny koa? 41 Ameo ny mahantra ny raha akao agnatin’ny vilianareo dia hadio aminareo ny raha dahôlo.
42 Ho azon-draha anareo Fariseo! Amenareo an’Andriamagnitra ny ampahafolon’ny solila sy ny Rota ary ny karazagna agnana famboly, kanefa tsy nahoanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamagnitra. Ireo no tokony ho nataonareo ary tsy tokony avelanareo koa ireo raha talôha ireo.
43 Ho azon-draha anareo Fariseo! Tianareo ny mipetraka alôha akao amin’ny sinagoga sy ny ho arabain’ny ôlona aigny an-tsena.
44 Ho azon-draha anareo! Ohatran’ny fasagna tsisy raha hamantarana ananjy ianareo ka kitsakitsahin’ôlona.
45 Nisy mpampiana-dalàna iraika nitarea tamin’i Jesoa hoe: Ô Ramose! Magnala baraka anay izany teninao izany.
46 Fa hozy Jesoa: Ho azon-draha koa anareo mpampiana-dalàna! Ampitondrainareo enta-mavesatra tsy zakany ny ôlona, nefa na dia ny rantsan-tagnanareo iraika aza tsy mitahy ananjy.
47 Ho azon-draha anareo! Magnamboatra ny fasan’ny mpagnazary anareo, nefa ny razagnareo ihany no namono anjareo. 48 Vavolombelon’izany ianareo; ankasitrahanareo ny raha nataon’ny razagnareo fa zareo iregny no namono ananjy, ary ianareo kosa magnamboatra ny fasagny. 49 Izany no nivolagnan’ny fahendren’Andriamagnitra hoe: Hagniraka mpagnazary sy apostoly hankaigny aminjareo Izaho, ka ny asagnany hovonoinjareo, ary ny asagnany henjehinjareo, 50 mbô hadinina amin’ity taranaka ity ny ran’ny mpagnazary dahôlo izay nalatsaka hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, 51 nanomboka tamin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina tagnelagnelan’ny alitara sy ny tempoly. Iainy, taraviko marina aminareo fa hadinina amin’ity taranaka ity izany.
52 Ho azon-draha anareo mpampiana-dalàna! Nalainareo ny lakilen’ny fahaizana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra tsy avelanareo koa.