Ny foraigna
6
Aza dedaka magnano ny asan’ny fahamarinanareo mbô ho hitan’ny ôlona, fa izay magnano an’izany dia tsy mahazo sitraka avy amin’ny Rainareo izay aigny an-dagnitra. 2 Ka aminjany, rehefa miforaigna ôlona ianao, aza misekoseko ho regnin’ny iray vohitra ôhatran’ny fataon’ny mpihatsaravelatsihy amin’ny sinagoga sy an-dalambe mbô hideran’ôlona ananjy. Taraviko marina aminareo fa efa nahazo sitraka izy. 3 Ianao indray rehefa miforaigna ôlona, izay ataon’ny tagnanao ankavagnana dia aza atao hain’ny tagnanao ankavia, 4 fa ataovy amin’ny mangingina ny foraigna ataonao ary ny Rainao izay mahita akao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ny raha fatao rehefa mivavaka
5 Rehefa mivavaka ianareo, aza mbô magnano ôhatry ny mpihatsaravelatsihy; izy mbôka tia mivavaka mitsangana amin’ny sinagoga sy eraky ny zoron-dalana dahôlo mbô hahitan’ôlona ananjy. Taraviko marina aminareo fa efa nahazo sitraka izy. 6 Ianao indray rehefa mivavaka dia midira an-dragnonao ary afodio ny varavaragna ka mivavaha amin’ny Rainao izay akao amin’ny mangingina. Ary ny Rainao izay mahita akao amin’ny mangingina no hamaly anao.
7 Rehefa mivavaka ianareo, aza be safary ôhatry ny fataon’ny Jentilisa satria heveriny fa ny habetsaky ny tarea taraviny no hitainoana ananjy. 8 Ka aminjany, aza magnano ôhatra anjareo ianareo fa hain’ny Rainareo izay raha mahasoa anareo na dia mbôla tsy mangataka Aminanjy aza ianareo.
Dadainay izay aigny an-dagnitra
9 Aminjany, mivavaha ôhatra izao:
Aigny Ianao Dadainay izay aigny an-dagnitra,
Hohamasinina anie ny Agnaranao,
10 Ho tonga anie ny fanjakanao,
Ho tanteraka anie ny sitraponao
ety an-tany ôhatra ny aigny an-dagnitra.
11 Ameo anay nigniany izay hanina sahaza anay;
12 Avilay ny helokay,
ôhatra ny amelanay ny heloky ny ôlona magnano raha ratsy aminay.
13 Aza indesina amin’ny fitsapam-pagnahy izahay,
fa avoty amin’ny ratsy.
Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.
14 Fa raha mamela ny tsy fanjarian’ôlona ianareo, dia mbô hamela ny tsy fanjarianareo koa ny Dadainareo izay aigny an-dagnitra. 15 Raha tsy mamela ny tsy fanjarian’ôlona indray ianareo dia tsy hamela ny tsy fanjarianareo koa ny Dadainareo.
Ny fatao amin’ny fifadian-kanina
16 Rehefa mifady hanina ianareo, aza manjomoka ôhatra ny mpihatsaravelatsihy mbô hahitan’ôlona fa mifady hanina izy. Taraviko marina aminareo fa efa nahazo sitraka izy. 17 Ianao indray rehefa mifady hanina dia misafoa ary hosoro menaka magnitra ny lôhanao, 18 mbô tsy ho hitan’ny ôlona fa mifady hanina ianao, fa ho hitan’ny Dadainao izay akao amin’ny mangingina; ary ny Dadainao izay mahita akao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Harena aigny an-dagnitra
19 Aza mikaraka harena ambonin’ny tany aketo, izay misy kadradraka sy ny harafesina mandratra sady misy mpangalatra sy mpamaky tragno. 20 Fa mikaraha harena ho anareo aigny an-dagnitra, izay tsisy kadradraka sy harafesina mandratra sady tsisy mpangalatra sy mpamaky tragno. 21 Satria aigny amin’izay misy ny harenanao no misy ny fonao.
Jiron’ny aigna ny maso
22 Ny maso no jiron’ny aigna; aminjany, raha tsara ny masonao, dia hazava ny aignanao dahôlo. 23 Raha ratsy indray ny masonao, dia ho maizigna ny aignanao dahôlo. Raha maizigna ny fahazavana akao agnatinao, dia vao maika hihamaizigna izany!
Andriamagnitra sa vola
24 Tsisy ôlona mahay miasa amina patirô roa, fa ny iraika ho tiany ary ny iraika ho halany; na ny iraika ho tsara aminanjy ary ny iraika hafokainy. Tsy afaka manompo an’Andriamagnitra sy Mamônaa indray miaraka ianareo.
Aza miasa lôha
25 Izany no itaravako aminareo hoe aza miasa lôha ny amin’izay raha hohaninareo na hosotroinareo, na ny mikasika ny aignanareo sy ny akanjo hanaovanareo. Tsy mandombolombo ny hanina ma ny aigna ary ny aigna mandombolombo ny akanjo? 26 Diniho tsara ma ny vorogna! Sady tsy mamafy na mampiaka-bokatra iregny no tsy managna tragnombary, kanefa ny Rainareo izay aigny an-dagnitra mamelona ananjy. Tsy mandombolombo an’iregny ma ianareo? 27 Iza aminareo miasa lôha ireo ma no mahay magnalava ny andro iaignany na dia kely foagnany?
28 Magnino ma ianareo no miasa lôha amin’ny akanjo hanaovana izany? Diniho tsara ma ny fanirin’ny voninkazo an-tsaha: sady tsy miasa iregny no tsy manegnona; 29 kanefa taraviko aminareo fa na dia Solomona tamin’ny voninahiny dahôlo aza tsy nagnano akanjo tsara mandombolombo ny iraika amin’iregny voninkazo iregny. 30 Raha ny ahitra aigny an-tsaha izay akaigny nigniany kanefa hatsipy am-patagna amaraigna no ampitafian’Andriamagnitra sahala amin’izany, mintsaka fa ianareo ry kely finoana?
31 Aza miasa lôha ka mitarea hoe: Ino ny raha hohaninay? Na: Ino ny raha hosotroinay? Na: Ino ny akanjo hanaovanay? 32 Karahan’ny Jentilisa mbôka izany raha dahôlo izany kanefa hain’ny Rainareo izay aigny an-dagnitra fa ilainareo. 33 Fa karaho malôha ny fanjakan’Andriamagnitra sy ny fahamarinany, dia hamena anareo ho fagnampiny izany raha dahôlo izany. 34 Araka izany, aza miasa lôha mikasika ny amaraigna avy ianareo; fa alay ny amaraigna hiasa lôha amin’ny ananjy. Ampy ho an’ny andro iraika ny raha ratsy miseho aminanjy.