Aza mitsaratsara foagna
7
Aza mitsara mbô tsy hotsaraina koa ianareo. 2 Fa arakaraky ny fitsarana ataonareo amin’ny ôlona no hitsarana anareo; ary arakaraky ny fitsaranareo ny raha ataon’ny ôlona no hitsaran’ny ôlona ny raha ataonareo. 3 Magnino ma ianao no mijery ny ravin’ahitra amin’ny mason’ny rahalahinao, kanefa tsy hitanao avy ny kakazo geda amin’ny masonao? 4 Magnino ma ianao no mitarea amin’ny rahalahinao hoe: Ao alàko ny ravin’ahitra amin’ny masonao; kanefa misy kakazo geda amin’ny masonao? 5 Mpihatsaravelatsihy tsy manjary! Alao malôha ny kakazo geda amin’ny masonao, izay vao ho hitanao tsara ny hangalana ny ravin’ahitra amin’ny mason’ny rahalahinao.Ny vatosoa atsipy amin’ny kisoa
6 Aza amena amboa ny raha manan-kasina; ary aza atsipy amin’ny kisoa ny vatosoanareo, sao dia kitsahiny igny dia hifotitra izy ka handremby anareo.
Mangataka, mikaraka, mipopoka
7 Mangataha, dia hamena ianareo; mikaraha dia hahita ianareo, popohy dia hosokofana ianareo. 8 Fa izay ôlona dahôlo mangataka no mahazo; izay mikaraka no mahita; ary izay mipopòka no hosokafana. 9 Iza aminareo ma no angatahan’ny zanagny mofo ka hagname ananjy vato? 10 Ary raha angatahany barahoa ka hagname ananjy bibilava? 11 Ianareo na dia ratsy aza, mahalala magname raha tsara ho an’ny zanakareo. Mintsaka fa ny Rainareo Izay aigny an-dagnitra, hameny raha tsara izay mangataka Aminanjy.
Fifandraisana amin’ôlona
12 Ataovy amin’ny hafa izay tianareo hatao aminareo na inona na inona, fa izany mbôka no ampianarin’ny Lalàna sy ny Mpagnazary.
Ny mikasika ny varavaragna mahety
13 Midira amin’ny vavahady mahety ianareo satria geda ny vavahady ary malalaka ny lalana mankaigny amin’ny fahaverezana ka betsaka ny miditra aigny. 14 Fa mahety ny vavahady ary kitika ny lalana mankaigny amin’ny fiaignana ka vitsy ny mahita ananjy.
Ny kakazo sy ny voany
15 Mitandrema ianareo sao dia voasodokan’ny mpagnazary sandoka. Tonga akeo aminareo akeo izy, mody magnano ondry, kanefa amboadia masiaka ny agnatiny akao. 16 Ny raha ataony no hamantaranareo ananjy. Misy ôlona mitango voaloboka amin’ny tsilo ma na aviavy amin’ny songosongo? 17 Dia ôhatran’izany koa, ny kakazo tsara dahôlo dia mamoa tsara, fa ny kakazo ratsy dahôlo dia mamoa ratsy. 18 Ny kakazo tsara tsy manjary mamoa voa ratsy, ary ny kakazo ratsy tsy manjary mamoa voa tsara. 19 Ny kakazo dahôlo izay tsy mamoa voa tsara dia hotevezina ka hatsipy agnaty afo. 20 Ny voany izany no hamantaranareo ananjy.
Miteny sady magnatanteraka
21 Tsy izay ôlona dahôlo magnano Aminahy hoe: “Tômpoko! Tômpoko!” No hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay magnano ny sitrapon’ny Raiko Izay aigny an-dagnitra. 22 Amin’izany andro izany dia betsaka ny hagnano Aminahy hoe: ‘Efa nagnazary tamin’ny agnaranao izahay, Tômpoko. Efa namoaka demonia tamin’ny Agnaranao izahay, Tômpoko. Ary efa nagnano asa betsaka tamin’ny Agnaranao izahay, Tômpoko.’ 23 Ary hotaraviko aminjareo hoe: Tsy ary fantatro avy ianareo hatrizay; mialà Aminahy akeo ianareo fa mpagnano ratsy.
Fagnoharana mikasika ny tragno roa
24 Amin’izany, izay ôlona dahôlo maharegny an’izany raha taraviko izany ka mankatò dia ôharina amin’ny lehilahy maragni-tsaina izy, izay nagnamboatra ny tragnony tambonin’ny vatolampy. 25 Rehefa avy ny orana, dia nisy sire be sady nisafotofoto ny rivotra ka namely an’ilay tragno kanefa tsy niontsigna ilay izy satria natsangana tambonin’ny vatolampy. 26 Fa izay ôlona dahôlo maharegny an’izany raha taraviko izany kanefa tsy mankatò dia oharina amin’ny lehilahy tsisy saigna, izay nagnamboatra ny tragnony tambonin’ny fasika. 27 Rehefa avy ny orana, dia nisy sire be sady nisafoaka ny rivotra ka namely an’ilay tragno; dia nirodagna izy, ary antambon-draha ny firodagnany.
Ny fahefan’i Jesoa