Ny nisangoran’ny mpianatra salohim-bary
6
Indray Sabata izay, nandeha namakivaky tanimbary ery Jesoa. Ary nisangotra salohim-bary ny mpianany, ka nokosikosehiny tamin’ny tagnany dia avy takeo nohaniny. 2 Fa hozy ny asagnany tamin’ny Fariseo: Magnino ianareo magnano raha tsy fatao amin’ny Sabata?3 Dia hozy Jesoa: Mbôla tsy novakianareo ma ilay tantaran’ny raha nataon’i Davida, rehefa refogna izy mbarak’izay ôlona nagnaraka ananjy? 4 Niditra tan-dragnon’Andriamagnitra izy ka naka ny mofo hatao fagnatitra sady nihinana no nagname ireo ôlona niaraka taminanjy koa, nefa tsisy afa-tsy ny mpisorogna ihany no manjary mihinana izany. 5 Dia hozy koa: Tômpon’ny Sabata ny Zanak’Ôlona.
Ilay lehilahy maty tagnana
6 Tamin’ny Sabata hafa dia niditra takao amin’ny sinagoga Jesoa ka nampianatra. Ary nisy lehilahy iraika maty tagnana ankavagnana takao. 7 Ary ny mpampiana-dalàna sy ny Fariseo nandigny raha hagnasitragna amin’ny Sabata Izy na tsia, mbô hahitany raha hagnamelohana Ananjy. 8 Fa Jesoa nahafantatra ny eritreritranjareo ka noteneniny ilay iraikalahy maty tàgnana hoe: Mitsangàna, dia mandehana ampovoany akeo. Dia nitsangana izy ka nijaridigna tampovoany.
9 Dia hozy Jesoa taminjareo: Aminareo, ino ma no manjary atao amin’ny Sabata, ny magnano raha tsara sa ny magnano raha ratsy? Ny mamonjy aigna sa ny mamono?
10 Ary nojereny dahôlo ny ôlona magnodidigna Ananjy, dia hozy tamin’ilay iraikalahy: Enjagno ny tagnanao. Dia nenjagniny ny tagnany ka sitragna.
11 Dia sosy be zareo ka niray lôha ny amin’izay raha hatao amin’i Jesoa.
Ny nifidianan’i Jesoa ireo Apostoly roa amby folo lahy
12 Nisy andro, nandeha nankaigny antampontanety Jesoa mbô hivavaka, ary nadigny nivavaka tamin’Andriamagnitra nandritra ny alina Izy. 13 Ampôlakekan’igny, dia nantsoviny hagnatona Ananjy ny mpianany, ka nisafidianany roa ambin’ny folo lahy nataony hoe Apostoly: 14 Simona nantsoviny hoe Petera izin’ny Andrea kiboraika aminanjy, Jakoba sy Jaona kiboraika aminanjy, Filipo, Bartolomeo, 15 Matio, Tomasy, Jakoba zanak’i Alfeo, Simona nantsôvina koa hoe Zelota, 16 Jodasy zanak’i Jakoba ary Jodasy Iskariota, ilay nanjary mpamadika.
Nagnasitragna ny marary Jesoa
17 Ary Jesoa niaraka nidigna tamin-jareo roa ambin’ny folo lahy, dia nanangana tamina tany marina. Efa nisy mpianany betsaka ambaraka ny ôlona betsaka be takeo, tonga mbô hitaino sy hotsaboina amin’ny aretina avy aigny Jodia sy aigny Jerosalema ary avy aigny amoron-dranomasin’i Tiro sy Sidona. 18 Izay nigodagnin’ny fagnahy ratsy koa dia nositragniny. 19 Ary ny ôlona dahôlo te hikasika ananjy satria nisy hery niala ka nagnasitragna ny marary dahôlo taminanjy.
Fahasambarana sy loza
20 Ary Jesoa nijery ny ampianagny ka nagnano hoe:
Sambatra ianareo mahantra,
fa anareo ny fanjakan’Andriamagnitra.
21 Sambatra ianareo noana ankahitrio,
fa hovokisana ianareo.
Sambatra ianareo mitomagny ankahitrio,
fa hihomehy ianareo.
22 Sambatra ianareo raha halan’ôlona,
raha ailigny,
raha haratsiany,
ary raha tsy tiany ôhatra ny raha ratsy ny agnaranareo
noho ny amin’ny Zanak’Ôlona.
23 Mifalia ianareo aminjany fotoana izany, ka mibitaha fa geda ny sitraka miandry anareo aigny an-dagnitra. Fa sahala aminjany no nataon’ny razagny tamin’ny mpagnazary.
24 Fa ho azon-draha ianareo mpanan-karena kosa,
satria efa azonareo ny raha mahafa-po anareo.
25 Ho azon-draha ianareo izay voky ankahitrio,
fa mbôla ho noana ianareo.
Ho azon-draha ianareo izay mihomehy ankahitrio,
fa mbôla ho ory sy hitomany ianareo
26 Ho azon-draha ianareo raha miteny raha tsara anareo dahôlo ny ôlona,
satria sahala aminjany no nataon’ny razagny tamin’ny mpagnazary sandoka.
Ny fitiavana ny fahavalo
27 Fa izao raha taraviko aminareo izay mitaino Anahy: Tiava ny fahavalonareo, magnanaova soa amin’izay ôlona mandrafy anareo. 28 Misaora izay magnozogna anareo ary mivavaha ho an’izay magnano ratsy anareo. 29 Raha misy mitefa-tsofigna anao, dia ameo ho tefahany koa ny ilany. Ary raha misy mialaka ny lambanao, dia avilay ho halainy ambaraka ny akanjonao koa.
30 Omeo dahôlo izay mangataka aminao, ary raha misy mialaka ny fanagnanao, dia aza alaina intsony fa avelao ananjy.
31 Ary izay tianareo ataon’ôlona aminareo dia mbô ataovy amin’ôlona koa. 32 Raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona ma ny soa ho azonareo? Na dia ny mpanota koa aza mbô tia izay tia ananjy. 33 Raha izay magnano raha tsara anareo foagna no agnanaovanareo raha tsara, ino ma ny sitraka ho azonareo? Na dia ny mpanota koa aza mbô magnano ôhatra izany. 34 Raha mampindrana amin’ôlona izay antamainareo fa mbôla hamerigna anareo, ino ma ny soa ho azonareo? Na dia ny mpanota koa aza mbô mampindrana ny mpanota satria antamainy fa hamerigna ilay nampindraminy. 35 Tiavo ny fahavalonareo, ary magnanaova raha tsara, dia mampindràma, fa aza magnantena valiny, dia ho geda ny valim-pitianareo ary ho zanaky ny Farany Agnambo ianareo. Fa Izy dia tsotra amin’izay tsy mahalala misaotra sy izay ratsy fagnahy.
36 Tokony ho mpamindra ianareo fo sahala amin’ny Rainareo mpamindra fo.
Ny tapa-kakazo sy ny andry
37 Aza mitsara mbô tsy hotsaraina koa ianareo. Aza magnameloka mbô tsy ho hohelohina koa anareo. Mamelà dia havela koa ianareo. 38 Magnameza dia amena ianareo: Fatra feno sady misavovogna no hataon’ny ôlona agnaty valizinareo. Fa arakaraky ny fatra nataonareo no hamarana ho anareo.
39 Dia nagnano fagnoharana indray Jesoa: Ny jamba ma mahay mitari-dàlana ôlona jamba? Tsy hivarigna agny an-kady ma zareo in-droa? 40 Ny mpianatra tsy mahay noho ny mpampianatra, fa izay mahay dia ho sahala ny mpampianatra ananjy.
41 Magnino anao mahita potika kakazo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy tandritandrinao avy ny andry akeo amin’ny masonao? 42 Inona no hitaravanao amin’ny rahalahinao hoe: Ô raolona! Ao alàna ny potika kakazo akeo amin’ny masonao io, nefa ny andry akeo amin’ny masonao tsy hitanao? Anareo mpihatsaravelatsihy! Alao malôha ny andry amin’ny masonao, dia ho hitanao ny hangalana ny poti-kazo amin’ny mason’ny rahalahinao.
Ny kakazo sy ny voany
43 Tsy misy kakazo tsara mamoa voa ratsy na kakazo ratsy mamoa voa tsara. 44 Samby fantatra amin’ny voany dahôlo ny kakazo; fa tsisy mitango aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroy hazo. 45 Ny ôlona tsotra dia magnaboagna ny tsara avy akao agnatin’ny fony, fa ny ratsy lôha indray dia magnaboagna ny ratsy; fa araka izay betsaka agnatin’ny fon’ny ôlona no taravin’ny vavany.
Ireo tragno roa tsy mitovy
46 Magnino ma ianareo magnantso Anahy hoe: “Tômpoko! Tômpoko!” nefa tsy magnano izay raha taraviko? 47 Taraviko anareo ny hanoharana ny ôlona dahôlo magnatona Anahy sy maharegny ny teniko ka magnano ny raha asaiko ataony: 48 Ohatran’ny ôlona magnamboatra tragno izy, nangady laligna ary nagnano ny fototra tambonin’ny vatolampy; rehefa tondraka ny rano dia nisy ranondriaka be namely an’ilay tragno, kanefa tsy nampiontsigna ananjy izany satria mafy fototra izy. 49 Fa izay maharegny, nefa tsy magnaraka izay taraviko, dia ôhatran’ny ôlona nagnamboatra tragno tambonin’ny tany, fa tsy nasiana fototra. Dia namely mafy ananjy ny ranondriaka ka nirodagna izy, ary antambon-draha ny firodagnany.