Ny toriteny tantampontanety
5
Rehefa nahita ny ôlona Jesoa dia niakatra tantampontanety ka niantotra, ary nagnatogna Ananjy ny mpianany. 2 Dia nanomboka nampianatra anjareo Izy hoe:Fahasambarana
3 Sambatra izay mahantra ara-pagnahy,
fa ananjy ny fanjakan’ny lagnitra
4 Sambatra izay mitomagny,
fa hampiononina izy.
5 Sambatra izay malemy fagnahy;
fa handova ny tany izy (Sal 37.11).
6 Sambatra izay refogna sy mangetaheta ny fahamarinana,
fa hovokisana izy.
7 Sambatra izay foraigna ôlona,
fa hiforaignana izy.
8 Sambatra izay madio fo,
fa hahita an’Andriamagnitra izy.
9 Sambatra izay mampihavana,
fa hantsovina hoe zanak’Andriamagnitra izy.
10 Sambatra izay halan’ôlona avy amin’ny fahamarinana,
fa ananjy ny fanjakan’ny lagnitra.
11 Sambatra ianareo, raha haratsian’ôlona sy halany ary hamoronany lainga mbô hitaravany raha tsy manjary dahôlo anareo avy Aminahy.
12 Mifalia ianareo ka mibitaha fa geda ny sitraka miandry anareo aigny an-dagnitra; fa sahala aminanjy ihany ny nankahalanjareo ny mpagnazary talôhanareo.
Fanasin’ny tany sy jiron’izao tontolo izao
13 Ianareo no siran’ny tany; raha manjary matsatso ny sira dia tsisy mahasira ananjy intsony! Tsisy raha ilaina ananjy intsony fa hariana aigny ambelany izy ka ho kitsakitsahin’ôlona.
14 Ianareo no jiron’izao tontolo izao. Tsy manjary hasitrika ny tanàna miorina an-tampon-tanety. 15 Izao koa, tsisy ôlona mampirehitra jiro ka mametraka ananjy ambanin’ny vata, fa hapetragny amin’ny fitoeranjiro izany mbô hampahazava ny ôlona dahôlo miditra an-dragno. 16 Tokony hazava sahala aminanjy amason’ôlona koa ianareo, mbô ho hitanjareo ny tabaha tsara ataonareo ka hankalazanjareo ny Rainareo izay aigny an-dagnitra.
Jesoa sy ny lalàna
17 Aza ataonareo hoe handrava ny lalàna sy ny mpagnazary no niaviako atỳ; tsy handrava no niaviako atỳ fa hagnatanteraka. 18 Taraviko marina aminareo fa raha mbôla misy ny lagnitra sy ny tany dia tsisy ho foagna amin’ny lalàna na dia litera iraika na tendron-tsoratra iraika aza, raha tsy efa tanteraka izy dahôlo. 19 Amin’izany, na iza na iza mamaha ny iraika amin’ireo didy farany madinika ireo ka hampianatra ny ôlona hagnano sahala amin’izany, dia hatao farany kitika amin’ny fanjakan’ny lagnitra izy. Fa na iza na iza no mankatò sy mampianatra an’izany, dia hatao farany geda amin’ny fanjakan’ny lagnitra izy.
20 Taraviko aminareo fa raha tsy mandombolombo ny mpampiana-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lagnitra mihitsy ianareo.
Heloka sy fampihavanana
21 Efa regninareo fa izao ny raha notaravina tamin’ôlona talôha taigny: “Aza mamono ôlona” (Eks 20.13); ary izay mamono ôlona dia mendrika ananjy ny melohina amin’ny fitsarana. 22 Hozy indray Izaho aminareo hoe: Izay ôlona sosy amin’ny kiboraika aminanjy dia mendrika ny hohelohina amin’ny fitsarana; ary na iza na iza hitarea amin’ny kiboraika aminanjy hoe: ‘Ôlona tsisy varany ianao,’ dia mendrika ny hohelohina amin’ny Sinedriona izy; ary na iza na iza hitarea hoe: ‘Ôlona tsisy fagnahy ianao,’ dia mendrika ananjy ny afobe.
23 Raha am-pitondrana sorogna amin’ny alitara ianao no mahazo onogna fa managna alahelo aminao ny kiboraika aminao, 24 dia efa apetraho agnoloan’ny alitara ny sorognao fa mandehana malôha mifagnaraka aminanjy; ary rehefa avy aigny ianao, vao magnatitra ny sorogna.
25 Mihavàna malaky amin’ilay ôlona miady aminao raha mbôla iray dia ianareo, sao indray hatolony amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ny mpiambina ka hogadrainy ianao. 26 Taraviko marina aminao fa tsy ho tafavôaka akaigny mihitsy ianao raha tsy voaefanao ny trosanao dahôlo.
Ny fandriana amin’ny ôlona tsy vady sy ny fandrika ho an’ny finoana
27 Efa regninareo fa voalaza hoe: “Aza mandry amin’ny ôlona tsy vadinao” (Eks 20.14). 28 Hozy indray Izaho aminareo: Izay ôlona mijery vehivavy ka te hahazo ananjy dia naman’ny efa nandry taminanjy tam-pony. 29 Raha mampanota anao ny masonao iraika dia alao aigny izy ka ario ho afaka aminao, fa mahatsara anao na very aza ny ampahany iraika amin’ny vatagnao toy izay ny vatagnao dahôlo no lasa aigny amin’ny afobe. 30 Ary raha mampanota anao ny tagnanao iraika dia boreo aigny izy ka ario ho afaka aminao, fa mahatsara anao na very aza ny ampahany iraika amin’ny vatagnao toy izay ny vatagnao dahôlo no lasa aigny amin’ny afobe.
Ny fisaraham-panambadiana
31 Voalaza koa hoe: Na iza na iza misao-bady dia tokony hagname taratasy fisaraham-panambadiana an’ilay vehivavy izy (Deo 24.1). 32 Hozy indray Izaho aminareo: Izay misao-bady, raha tsy hoe nagnitsakitsaka ilay vehivavy, dia maniraka ananjy hagnano halangana; ary na iza na iza manambady vehivavy efa nisaorana dia mandry amin’ny vadin’ôlona.
Ny tsakafara
33 Efa regninareo koa ny raha notaravina tamin’ny ôlona talôha hoe: “Aza mitsakafara rehefa tsy hangala fa alao amin’NY TÔMPO ny tsakafaranao” (Lev 19.12). 34 Hozy indray Izaho aminareo: Aza mitsakafara mihitsy na amin’ny lagnitra satria seza fiandrianan’Andriamagnitra izany, na amin’ny tany satria fametrahany tongotra izany, 35 na amin’i Jerosalema satria tanànan’ny mpanjaka geda izany. 36 Ary aza mitsakafara amin’ny talan-dôhanao satria tsy hainao ny magnafotsy na magnamainty na dia ny singany iraika amin’ny volonao aza. 37 Aoka ny teninareo ho ‘Iainy’ rehefa ‘iainy’, ary ‘Ahaa’ rehefa ‘ahaa’; fa izay ambonin’ireo dia avy amin’ilay ratsy.
Ny valifaty
38 Efa regninareo fa voalaza hoe: “Maso misolo maso ary nify misolo nify” (Eks 21.24). 39 Hozy indray Izaho aminareo: Aza mamaly izay ôlona magnano raha ratsy aminao; raha misy mitefaka ny sofignao havanagna dia ameo ananjy koa ny ilany. 40 Ary izay te hiady aminao mbô hangala ny akanjonao, dia ameo ananjy aigny koa ny lamba saforanao. 41 Raha misy manery anao handeha miaraka aminanjy iray kilaometatra, dia mandehana miaraka aminanjy roa kilaometatra. 42 Ameo izay mangataka raha aminao; ary aza ampifilafilaina izay te hindran-draha aminao.
Ny fitiavana ny fahavalo
43 Efa regninareo fa voalaza hoe: “Tiavo ny namanao” (Lev 19.18), ary “Aza ahoana ny fahavalonao.” 44 Hozy indray Izaho aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay magnenjika anareo 45 mbô hanjary zanaky ny Rainareo izay aigny an-dagnitra ianareo; Izy mbôka mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fagnahy sy ny tsara fagnahy ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona ma no sitraka ho azonareo? Tsy magnano ôhatra izany koa ma ny mpitaky hetra? 47 Raha ny kiboraika aminareo foagna no mifagnontany aminareo, ino ma ny raha mampiavaka anareo amin’ny ôlon-kafa? Tsy magnano ôhatra izany koa ma ny Jentilisa? 48 Noho izany, tokony ho tsy hisy tsigny sahala amin’ny Rainareo izay aigny an-dagnitra ianareo.