Fagnoharana mikasika ilay mpitantana fetsy
16
Nagnano fagnoharana iraika tamin’ny mpianany indray Jesoa hoe: Nisy mpanankarena iraika nanagna ôlona nitantana ny fanagnany. Nataon’ôlona firesaka izy io fa mandanindany fahatany izany fanagnana izany. 2 Dia nantsovina izy, ka hozy ilay patirô: Manakôry ma izany raha regniko mikasika anao izany? Taravo aminahy ny fomba fitantananao ny fanagnako. Tsy havelako tantaninao intsony ny fanagnako. 3 Dia nieritreritra ilay mpitantana hoe: Ino ary no hataoko fa tsy avelan’ny patirô hitantana ny fanagnany intsony izaho? Tsy vitako anefa ny mitana angady sady mahamenatra anahy ny mangataka. 4 Hitako ny hevitra mbô hampandrosoan’ôlona anahy an-dragnony rehefa voaroaka amin’ity asako ity izaho. 5 Dia nantsoviny dahôlo izay ôlona nanagnan’ny patirôny trosa. Dia hozy tamin’ilay voalohany: Ôhatrino ma ny trosan’ny patirôko aminao? 6 Dia hozy: Menaka injaton’ny famaranaa. Dia hozy ilay mpitantana fagnanana taminanjy: Ity ny karinenao, mentòra aketo dia soraty hoe dimampolo. 7 Dia hozy koa tamin’ny iraika: Ôhatrino ma ny trosany aminao? Vary zato barikab, hozy. Dia hozy ilay mpitantana: Ity ny karinenao, dia soraty hoe valopolo. 8 Dia nidera ananjy noho ny hafetseny ilay patirôny. Ny zanak’izao tontolo izao mbôka fetsy loatra raha ampitahaina amin’ny zanaky ny mazava.Ny vola tsy marina sy ny tegna harena
9 Ary hozy Jesoa: Izao ny raha taraviko aminareo: Ampiasao ny harenan’izao tontolo izao mbô hahazoanareo namana, mbô handraisana anareo aigny amin’ny fonenana mandrakizay rehefa lany izany.
10 Izay atokisana amin’ny raha madinika no atokisana koa amin’ny raha geda; ary izay tsy marina amin’ny raha madinika dia tsy marina koa amin’ny raha geda. 11 Ka raha tsy atokisana amin’ny harenan’izao tontolo izao ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ny harena tegna izy? 12 Raha ôhatra ka tsy atokisana amin’ny fanagnan’ôlon-kafa ianareo, dia iza no hagname anareo ny tegna fanagnanareo?
13 Tsisy ôlona mahay miasa amina patirô roa; fa ny iraika ho halany ary ny iraika ho tiany; na ny iraika ho tsara aminanjy ary ny iraika hafokainy. Tsy afaka manompo an’Andriamagnitra sy ny harena indray miaraka ianareo.
14 Rehefa naharegny izany ny Fariseo izay tegna tia vola dia nagneso an’i Jesoa. 15 Dia hozy Jesoa taminjareo: Mpagnamarin-tegna imason’ôlona ianareo, nefa Andriamagnitra mahafantatra ny raha agnatin’ny fonareo. Fa izay raha eritreretin’ny ôlona ho ambony dia farany ratsy amin’Andriamagnitra.
16 Ny lalàna sy ny mpagnazary dia miafara hatramin’i Jaona. Nanomboka takeo no nitoriana ny Tarea Maharavon’ny fanjakan’Andriamagnitra, ary miezaka miditra mankao dahôlo ny ôlona. 17 Ho moramora ny hahalevona ny tany aman-dagnitra raha ampitahaina amin’ny hanjavonan’ny soratra farany kitika amin’ny Lalàna.
18 Mijangajanga izay ôlona dahôlo misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa; ary mijangajanga koa izay mampakatra vehivavy nisaorana.
Fagnoharana mikasika an’i Lazarosy sy ilay mpanankarena
19 Nisy lehilahy mpanankarena iraika nagnano akanjo lafo vidy vita tamin’ny rongony fotsy madinika miloko voloparasy; nagnaram-po be tamin’ny fahafinaretana isan’andro izy. 20 Nisy ôlona iraika mahantra sy feno vay koa, Lazarosy ny agnarany, niantotra takaikin’ny vavahadin’ilay mpanankarena. 21 Nagniry mbô hihinana izay hanina latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena izy, kanefa ny amboa indray no avy nilelaka ny vainy. 22 Nony maty ilay mahantra, dia nentin’ny anjely ho aigny ankilan’i Abrahama; ary maty koa ilay mpanankarena, dia nalevigna. 23 Nijaly tamin’ny afobe ilay mpanankarena; nitraka izy ka nahatazagna an’i Lazarosy tankilan’i Abrahama. 24 Dia nagnantso izy hoe: Ô Abrahama! Mbô amindrao fo izaho dadaiko e! Mbô asaivo atsobok’i Lazarosy amin’ny rano ny lohafanondrony mbô hampangatsiaka ny lelako. Tegna tsy digniko ny raha mahazo anahy agnatin’ity lelan’afo ity. 25 Fa hozy Abrahama taminanjy: Tadidio anaka fa efa azonao ny raha dahôlo tianao tamin’ny fahavelonao, fa i Lazarosy kosa nijaly; anjarany indray izao no mifaly, ary ianao kosa no mijaly. 26 Izao koa, misy tevagna laligna magnelagnelana antsika, ka tsy ho afaka hankaigny aminareo izay avy atỳ, ary tsy ho afaka hankaty aminay izay avy aigny. 27 Dia hozy ilay mpanankarena: Miangavy anao izaho dada, mbô asaivo mankaigny amin’ny tragnon’ny raiko i Lazarosy. 28 Managna rahalahy dimy mbôka izaho. Asaivo mananatra mafy anjareo izy mbô tsy ho lasa atỳ amin’ity fijaliana ity koa zareo. 29 Fa hozy Abrahama taminanjy: Managna an’i Mosesy sy ny mpagnazary zareo; alay zareo hitaino an’ireo. 30 Dia hozy indray izy: Ô Abrahama! Ô dadaiko! Tsy izany edy e! Raha misy miala avy atỳ amin’ny maty hankaigny aminjareo, dia hibebaka zareo. 31 Fa hozy Abrahama: Raha Mosesy sy ny mpagnazary aza tsy tainoany, dia tsy hino mihitsy izy na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.