Ireo izay mivôlagna tegna fa mpagnaraka an’i Jesoa
12
Nifagnitsa-kitro ny ôlona tamin’izany fotoana izany mbô hitaino an’i Jesoa. Dia niteny tamin’ny mpianany malôha Izy hoe: Mitandrema anareo sao voan’ny levioran’ny Fariseo, izay tsy ino fa ny fihatsarambelatsihy.
2 Fa tsisy raha nasitrika izay tsy haboagna, na takona izay tsy ho fantatra. 3 Izay raha dahôlo teneninareo akao amin’ny maizigna dia ho regny akeo amin’ny mazava; ary izay raha bitsibitsihanareo akao amin’ny efitragno mangingina dia holelalelaina akeo ambonin’ny tampon-tragno.
4 Izao ny raha taraviko aminareo namako: Aza matahotra izay mamono ny aigna satria tsy mahay magnano mihoatra izany izy. 5 Fa hatoroko anareo izay tokony hatahoranareo: Matahora Ilay managna fahefana hagnary aigny amin’ny afobe rehefa avy namono ny aigna. Izao ny raha taraviko aminareo: Matahora Ananjy. 6 Tsy roa amin’ny ampahafolon’ny denaria ma no vidin’ny fody dimy? Nefa tsisy hadinon’Andriamagnitra zareo iregny na dia iraika aza. 7 Na dia ny volon-dôhanareo aza dia voaisa dahôlo. Ka aza matahotra fa mandombolombo ny fody ianareo.
8 Taraviko aminareo fa izay magnaiky Anahy agnatrehan’ny ôlona, dia heken’ny Zanak’Ôlona koa izy agnatrehan’ny anjelin’Andriamagnitra; 9 fa izay tsy magnaiky Anahy agnatrehan’ny ôlona, dia tsy hekena koa izy agnatrehan’ny anjelin’Andriamagnitra.
10 Izay manohitra ny Zanak’Ôlona dia hahazo famelankeloka; fa izay magnasaha ny Fagnahy Masina dia tsy mbô hahazo famelankeloka.
11 Raha misy mitondra anareo mankaigny amin’ny sinagoga sy ny mpitsara ary ny manampahefana, dia aza miasa lôha amin’izay raha havalinareo, na izay raha hotaravinareo; 12 fa ny Fagnahy Masina no hampianatra anareo izay raha tokony hotaravinareo aminjany fotoana izany.
Fagnoharana mikasika ilay mpanakarena adala
13 Nisy ôlona iraika tagnaty vahoaka takao nitarea tamin’i Jesoa hoe: Ô Ramose! Mbô taravo ma ny rahalahiko hizara lova aminahy. 14 Fa hozy Jesoa taminanjy: Ô r’Ingahy! Iza ma no nanendry Anahy ho mpitsara na ho mpagnelagnelana aminareo? 15 Ary hozy tamin’ny vahoaka: Mitandrema! Miarova tegna mbô tsy ho voan’ny tazon-karena! Tsy miankina amin’ny habetsaky ny harena anagnany ny aignan’ny ôlona.
16 Dia nagnano fagnoharana taminanjy Izy hoe: Nisy lehilahy mpanankarena iraika nanagna tany namokatra be. 17 Dia hozy ilay lehilahy anakampo: Ino ary no hataoko? Tsy managna tragno geda hanobeko ny vokatro izaho. 18 Dia hozy: Izao no ndeha ho ataoko: Horavako ny tragnom-bariko dia hagnamboatra gedageda noho io izaho, ary hatobiko akao dahôlo ny variko sy ny fanagnako. 19 Dia hitarea amin’ny fagnahiko izaho hoe: Ô ry fagnahy! Managna fanagnana betsaka voakajy ho amin’ny taona maro ianao. Mialà disaka, mihinàna, misotroa ary ataovy izay tianao. 20 Fa hozy Andriamagnitra taminanjy: Ô ôlona adala ity! Halaina aminao nigniany alina ny fagnahinao, ka ho an’iza ma ireo raha nandrohanao ireo? 21 Ôhatra izany ny ôlona mangoron-karena ho an’ny vatan-tegnany ihany, fa tsy mbô magnandroka harena amin’Andriamagnitra akao.
Ny fitokiana an’Andriamagnitra
22 Hozy Jesoa tamin’ny mpianany: Izao no taraviko aminareo: Aza miasa lôha ny amin’ny aignanareo sy izay raha hohaninareo, ary ny amin’ny tegnanareo sy izay akanjo hanaovanareo. 23 Fa ny aigna mandombolombo ny hanina, ary ny vatagna mandombolombo ny akanjo. 24 Diniho tsara ma ny goaika! Sady tsy mamafy na mampiaka-bokatra iregny no tsy managna tragnombary, kanefa velomin’Andriamagnitra izy; tsy mandombolombo ny vorogna ma ianareo? 25 Iza aminareo miasa lôha ireo ma no mahay magnalava ny andro iaignany na dia kely foagnany? 26 Ka raha ny raha kitika aza tsy hainareo, magnino ma ianareo no miasa lôha amin’ny raha hafa? 27 Diniho tsara ma ny fanirin’ny voninkazo: Sady tsy miasa iregny no tsy manegnona; kanefa taraviko aminareo fa na dia Solomona tamin’ny voninahiny dahôlo aza tsy mbô nagnano akanjo ôhatra ny iraika amin’iregny. 28 Raha ny ahitra aigny an-tsaha izay akaigny nigniany kanefa hatsipy am-patagna amaraigna no ampitafian’Andriamagnitra sahala amin’izany, mintsaka fa ianareo ry kely finoana? 29 Ka aza mikaraka izay raha hohaninareo na izay raha hosotroinareo, ary aza miasa lôha amin’izany. 30 Mikaraka foagna izany raha dahôlo izany ny jentilisa amin’izao tontolo izao; kanefa ny Rainareo mahafantatra fa ilainareo izany. 31 Karaho ary malôha ny fanjakan’Andriamagnitra dia hamena anareo ho fagnampiny izany raha dahôlo izany. 32 Ô anareo ondry vitsy ireto, aza matahotra fa efa tian’ny Rainareo ny hagname anareo ny fanjakana.
Rakitra aigny an-dagnitra
33 Amidio ny fanagnanareo, ka ameo ny mahantra ny vidiny. Magnamboara pôketra tsy mety maratra ho anareo dia harena aigny an-dagnitra tsy mety tapitra izay tsy ho azon’ny mpangalatra, sady tsy aratin’ny kadradraka. 34 Aigny amin’izay misy ny harenanareo dia aigny koa misy ny fonareo.
Fagnoharana mikasika ny fotoanan’ny fiambenana
35 Magnanaova vognona foagna ianareo dia aza avela ho faty ny jironareo; 36 ôhatran’ny ataon’ny gaogna mandigny ny fiveregnan’ny patirôny avy namonjy fangalam-behivavy, ka raha vao mandondòna izy, tonga dia sokafan’ilay gaogna ny varavaragna. 37 Sambatra izay gaogna hitan’ny patirôny mbôla tsy matory amin’ny fiveregnany. Taraviko marina aminareo fa hisikina lambahoany ny patirônjareo, ka hagniraka anjareo hentotra ary handroso hanina anjareo, 38 na amin’ny sasak’alina na amin’ny magneno akoho no hahatongavany. Tegna ho sambatra ireo gaogna ireo.
39 Fantaro fa raha hain’ny tômpontragno ny lera hahatongavan’ny mpangalatra, dia hiambina izy ka tsy havelany horobaina ny tragnony. 40 Miomàgna foagna koa ianareo fa amin’ny lera tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’Ôlona.
41 Hozy Petera: Ô Tômpoko, ho anay irerika ma no hagnanaovanao izany fagnoharana izany sa ho an’ny ôlona dahôlo?
42 Dia hozy ny Tômpo: Iza ma no tômpon’andraikitra azo antoka manan-tsaigna izay notendren’ny patirôny hifehy ny gaognany sady hagname anjareo ny anjara hanina amin’ny lerany? 43 Sambatra ny gaogna izay ho hitan’ny patirôny ampagnanaovana ny tabàny rehefa miverigna izy. 44 Taraviko marina aminareo fa hotendreny hiandraikitra ny fanagnany dahôlo izy. 45 Fa raha mieritreritra indray ilay gaogna hoe: Mbôla ho ela vao ho avy ny patirôko, ka dia montsagniny ny gaondahy sy gaombavy sady mihinana sy misotro toaka izy ka mamo, 46 dia hiverigna amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny lera tsy fantany ilay patirô, ka hosaziany faran’izay mafy izy ary alifany aigny amin’ny tany misy ny ôlona tsy azo itokisana.
47 Fa ny gaogna izay mahafantatra ny raha tian’ny patirôny kanefa tsy magnano vognona na tsy magnatanteraka izay tian’ny patirôny dia ho montsagnina. 48 Izay tsy mahafantatra indray kanefa magnano izay raha mahamontsagna ananjy dia taroka no ho azony. Fa izay namena betsaka, dia ho betsaka no halaina aminanjy; ary izay nampikajiana betsaka, dia ho betsaka koa no hotakiana aminanjy.
Jesoa, anton’ny fisarahana
49 Hitondra afo ambonin’ny tany no niaviako, ary tegna tiako ny mbô ho nirehetany sahady. 50 Misy batisa izay tsy maintsy hatao Aminahy, ka mitaintaigna be Izaho mandra-pahavitany!
51 Heverinareo ma fa hoe hitondra fihavanana ambonin’ny tany Izaho? Ahaa, fampisarahana no entiko. 52 Manomboka izao, hizara roa ny fianakaviana misy ôlona dimy an-dragno: ny telo hifagnofoka amin’ny roa, ary ny roa hifagnofoka amin’ny telo. 53 Hisara-tsaigna ireo, ka ny ray hanohitra ny zanagny lahy, ary ny zanaka lahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zanagny vavy, ary ny zanaka vavy hanohitra ny reniny; ny rafozambavy hanohitra ny vinantovaviny, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozambaviny.
Ny hahaizana ny toetr’andro
54 Hozy Jesoa tamin’ny vahoaka: Rehefa mahita rôndro miakatra avy andrefana ianareo, avy dia hozy ianareo: Ho avy ny orana; dia avy tokoatrany. 55 Rehefa avy atsimo ny rivotra, dia hozy ianareo: Hafana ny andro; dia mafana tokoatrany. 56 Mpihatsaravelatsihy ianareo! Hainareo mamantatra ny toetry ny lagnitra sy ny tany, ino ma izany no tsy ahaizanareo mamantatra izao raha miseho izao?
Mifagnaraha amin’izay managna ady aminao
57 Magnino ma ianareo no tsy mahay mitsara araka ny marina? 58 Raha mbôla iray dia aminao hamonjy manam-pahefana ny ôlona managna ady aminao, dia ataovy izay hifagnarahana aminanjy sao dia hanolotra anao amin’ny mpitsara izy, ary ny mpitsara handefa anao amin’ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hagnagadra anao. 59 Taraviko aminao fa tsy ho tafavoaka akao mihitsy ianao, raha tsy voaefanao ny sazinao dahôlo.