Ireo Galiliana novonoin’i Pilato
13
Tamin’izany fotoana izany dia nisy ôlona nitantara tamin’i Jesoa ny raha nahazo ny Galiliana izay nasain’i Pilato novonoina, ka nifangaro tamin’ny ran’ny sorogna naterinjareo ny rànjareo. 2 Fa hozy Jesoa: Heverinareo ma fa iregny Galiliana iregny dia mpanota mandombolombo ny Galiliana hafa satria azon-draha ôhatra izany? 3 Ahaa! Taraviko aminareo fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ripaka ôhatra anjareo dahôlo koa. 4 Heverinareo koa ma fa iregny valo ambin’ny folo maty nirodagnan’ny tilikambo ta-Siloama iregny, dia mpanota mandombolombo ny ôlona dahôlo izay mipetraka ta-Jerosalema? 5 Ahaa! Taraviko aminareo fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ripaka ôhatra anjareo dahôlo koa.
Fagnoharana mikasika ilay aviavy tsy namoa
6 Nagnano ity fagnoharana ity koa Jesoa: Nisy ôlona iraika namboly aviavy tamin’ny tanimboalobogny. Tonga nikaraka voaniny tamin’ilay aviavy izy tamin’ny fotoana tokony hahavokarany nefa tsy nahita. 7 Dia hozy tamin’ny mpikarakara ny tanimboaloboka: Efa telo taona izay izaho no tonga nikaraka voaniny tamin’ity aviavy ity fa tsy nahita. Tiveo aigny io fa mandratra tany! 8 Fa hozy ilay mpikarakara: Avilay ihany izy malôha amin’ity taona ity, fa hangadiako ny magnodidina ananjy, ary hasiako zezika. 9 Mety mbô hamoa amin’izay izy; fa raha tsy izany, dia hotivena.
Ny nagnasitragnan’i Jesoa tamin’ny andro Sabata ilay vehivavy tarariana
10 Tamin’ny Sabata iraika, nampianatra tamin’ny sinagoga iraika Jesoa. 11 Nisy vehivavy nampijalen’ny fagnahy mahatarariana nandritra ny valo ambin’ny folo taona takao. Nanjoko sady tsy afaka nitraka mihitsy izy. 12 Rehefa hitan’i Jesoa ilay vehivavy, dia nantsoviny hanatogna Ananjy ka hozy: Ô vehivavy ity! Afaka amin’ny raha mahatarariana anao ianao! 13 Dia nametra-tagnana taminanjy Jesoa ka takeo no ho akeo dia nitraka ilay vehivavy ary nankalaza an’Andriamagnitra.
14 Sosy ny mpanapaka ny sinagoga satria nagnasitrana ôlona tamin’ny Sabata Jesoa, ka hozy tamin’ny ôlona: Misy andro enina natao hiasana; koa tongava hositragnina amin’ireo andro ireo, fa tsy amin’ny Sabata.
15 Fa hozy ny Tômpo taminjareo: Mpihatsaravelatsihy! Ianareo ma tsy samby mamoaka ny omby sy ny ampondranareo avy ambalany ka mitondra anjareo hisotro rano amin’ny Sabata? 16 Nofatoran’i Satana nandritra ny valo ambin’ny folo taona ity vehivavy zanak’i Abrahama ity; tsy tokony hovahana amin’ny Sabata ma ny fatorany? 17 Rehefa avy niteny an’izay Jesoa, dia megnatra ireo nanohitra Ananjy; fa ny ôlona dahôlo kosa faly nahita ny raha mahagaga nataony.
Fagnoharana mikasika ny voatsinapy
18 Dia hozy Jesoa: Sahala amin’ny ino ma ny fanjakan’Andriamagnitra? Ary hampitahaiko amin’ny ino izy? 19 Sahala amin’ny voatsinapya izay nafafin’ôlona tan-tanimboliny izy; naniry ilay voatsinapy ka nanjary kakazo; ary nagnamboatra akany tamin’ny rantsagny ny vorogna.
Fagnoharana mikasika ny leviora
20 Dia hozy koa Jesoa: Hampitahaiko amin’ny ino ma ny fanjakan’Andriamagnitra? 21 Sahala amin’ny leviora izy, izay nalain’ny vehivavy iraika ka naharony tsara tamin’ny koba in-telon’ny famarana, mandrapitombon’ilay koba.
Ilay varavaragna tery
22 Nampianatra isaky ny tanàna sy ny vohitra nandalovany Jesoa tamin’Izy tan-dalana hankaigny Jerosalema.
23 Nisy ôlona iraika nagnontany Ananjy hoe: Ô Tômpoko, vitsy ma ny ôlona hovonjena? Dia hozy Jesoa: 24 Misisiha hiditra amin’ny varavaragna tery ianareo. Taraviko aminareo fa betsaka no te hiditra fa tsy ho afaka. 25 Raha vao mitsangana hagnidy varavaragna ny tômpontragno, ka tavela aigny an-tokotany ianareo ary mipopoka sady mitarea hoe: Ô Tômpoko, sokafo koa ma izahay! Dia hamaly Izy hoe: Tsy haiko kony na avy aiza na avy aiza ianareo e! 26 Dia hitarea ianareo hoe: Niaraka nihinana sy nisotro taminao kony izahay, ary nampianatra taigny amin’ny arabenay Ianao. 27 Ary hamaly anareo Izy hoe: Tsy ary haiko kony ianareo na avy aiza na avy aiza. Mandehana mandeha ianareo dahôlo mpagnano raha tsy manjary ireto. 28 Aigny ianareo hitomagny sy hikitro-nify rehefa mahita an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izin’ny mpagnazary dahôlo akao amin’ny fanjakan’Andriamagnitra, fa ny tegnanareo kosa ho voaroaka ivelany. 29 Ho avy ny ôlona avy atsinanana sy ny avy andrefana ary ny avy avaratra sy ny avy atsimo ka hentotra hihinana akao amin’ny fanjakan’Andriamagnitra. 30 Ka misy ny tafara ho lasa alôha, ary ny talôha ho lasa afara.
Jesoa sy Jerosalema
31 Tamin’izay fotoana izay dia nagnatogna an’i Jesoa ny asagnany tamin’ny Fariseo ka nitarea Taminanjy hoe: Mandehana miala aketo Ianao fa tadiavin’i Heroda hovonoina. 32 Fa hozy Jesoa: Mandehana taravo aminjany amboadia izany hoe: Mamoaka demonia sy magnasitrana ôlona Izaho nigniany sy amaraigna, ary ho vitaiko ny asako afaka amaraigna. 33 Kanefa nigniany sy amaraigna ary afaka amaraigna dia tsy maintsy mandeha ihany Izaho; fa ny mpagnazary tsy azo vonoina raha tsy a-Jerosalema.
34 Ô Jerosalema! Ô Jerosalema! Mamono ny mpagnazary sy mitora-bato izay nirahina hankaigny aminao ianao. Impiry ma Izaho no te hamory ny zanao ôhatra ny fiarovan’ny reniakoho ny zanagny ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao! 35 Jerevo ma, nanjary haolo ny tragnonareo! Taraviko aminareo fa tsy hahita Anahy intsony ianareo mandra-pitaravanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny agnaran’NY TÔMPO (Sal 118.26).