9
Dia hozy koa Jesoa taminanjy: Taraviko marina aminareo tsara: Ny asagnany aminareo aketo tsy mbô ho faty raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamagnitra tonga amin’ny hery.
Niova endrika taigny an-tampon-tanety Jesoa
2 Enina andro tafaran’io, nindesin’i Jesoa hitokana niaraka Taminanjy taigny an-tampon-tanety ery Petera sy Jakoba izin’ny Jaona, ary niova endrika tamasonjareo takeo Jesoa. 3 Nanjary nangilatra sady fotsy be ny akanjony ary tsisy mpanasa lamba mahavita magnadio ôhatra an’izany aketo ambonin’ny tany. 4 Niboagna taminjareo Elia sy Mosesy ka nikoragna tamin’i Jesoa. 5 Dia hozy Petera tamin’i Jesoa: Ô Ramose! Hitako manjary raha manangana aketo atsika. Hagnamboatra lasy telo aketo izahay: Ny iraika anao, ny iraika an’i Mosesy ary ny iraika an’i Elia. 6 Fa tsy hainy izay raha taraviny satria efa natahotra be zareo. 7 Nisy rôndro nidigna nanarogna anjareo, dia nisy feo avy tagnatin’ny rôndro nagnano hoe: Ity no Zanako malalako, tainoa Izy. 8 Tsy tapitapitr’izay, rehefa nijery ny magnodidina zareo dia tsy nahita na iza na iza afa-tsy Jesoa irerika izay niaraka taminjareo.
9 Taminjareo tan-dalana nidigna avy tantampontanety, dia namepetra anjareo Jesoa mbô tsy hilaza amin’ôlona ny raha hitanjareo takaigny, mandra-pitsanganan’ny Zanak’Ôlona amin’ny maty. 10 Dia tsy niteniteny tokoatrany zareo, fa nifagnadina ny dikan’izany fitsanganana amin’ny maty izany.
Magnontany an’i Jesoa ny raha mikasiky Elia ny mpianatra
11 Nagnadina an’i Jesoa zareo hoe: Magnino ma ny mpampianadalàna no mivôlagna fa tsy maintsy ho avy mialôha Elia? 12 Dia hozy taminjareo: Ho avy mialôha tokoatra Elia ka hamerigna amin’ny laoniny ny raha dahôlo. Magnino indray ma no voasoratra fa tsy maintsy mijaly be ny Zanak’Ôlona sady hatao tsisy fotony? 13 Nefa taraviko aminareo: Efa tonga Elia ary nagnamparan’ôlona ny fony izy araka izay voasoratra momba ananjy.
Ny nagnasitragnan’i Jesoa ilay gaon-dahy nampijalen’ny demonia
14 Rehefa tafaverigna tamin’ny mpianatra asagnany Jesoa sy ilay telo lahy dia nahita ôlona betsaka be nitangorona tamin’ny mpampianadalàna sy ny mpianatra niady hevitra. 15 Raha vao nahita Ananjy ny ôlona dahôlo dia taitra ka nihazakazaka nagnatona sy niarahaba Ananjy. 16 Dia hozy Jesoa tamin’ny mpianatra: Ino ma iadivanareo hevitra aminjareo? 17 Nisy iraika tamin’ny ôlona namaly hoe: Ô Ramose! Nindesiko aminao atỳ ity zanako lahy ity fa azon’ny fagnahy ratsy mampahamoagna. 18 Ary na aiza na aiza misazoka io fagnahy io dia ataony mitsipatsipaka izy, sy mivoaka farora-bava, sady mikatokatoka ny nifiny ary mihinjitra izy. Niangavy tamin’ny mpianatrao izaho mbô handroaka izany fa tsy efanjareo. 19 Dia hozy Jesoa: Ô ianareo ôlona tsy manam-pinoana ireto! Izaho ity kony tsy hibodôko aminareo aketo foagna e! Ka hatramin’ny oviana no handeferako aminareo? Ndeso Aminahy atỳ izy. 20 Dia nindesina tamin’i Jesoa izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fagnahy dia nataony nitsipatsipaka ilay gaogna. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitrosogna ka nivoaka faroratra ny vavany. 21 Nagnontanian’i Jesoa ny rainy hoe: Nanomboka tamin’ny oviana ma izy io no nagnano an’io? Dia hozy: Letry izy mbôla kely. 22 Matetika natrekan’ilay fagnahy tagnaty afo sy tagnaty rano izy mbô hahafaty ananjy. Raha mbô misy azonao atao, mbô iantrao koa ma izahay ka mbô vonjeo. 23 Hozy Jesoa taminanjy: Raha mbô misy azonao atao hoe? Ny raha dahôlo dia hain’ny mino atao. 24 Takeo noho akeo, dia nihaika ny rain’ilay gaogna ka hozy: Izaho mino! Vonjeo izaho satria kely ny finoako. 25 Rehefa hitan’i Jesoa fa nirohotra nagnatona Ananjy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fagnahy maloto Izy hoe: Ô fagnahy mampahamoagna sy mampaharegnina! Mandidy anao izaho: Mialà aminanjy, ary aza miverigna aminanjy intsony. 26 Rehefa niafatrafatra sady nampitsipatsipaka mafy an’ilay gaogna ilay fagnahy ratsy, dia niala taminanjy. Ôhatra hoe maty ny fahitana ananjy, dia hozy ny ôlona: Oiy! Maty izy. 27 Fa nandramby ny tagnany Jesoa ka nampiarina ananjy; dia nitsangana izy. 28 Rehefa tonga tan-dragno Jesoa dia nagnadina Ananjy mangingina ny mpianany hoe: Nagnino ma izahay no tsy nahavita nandroaka an’ilay fagnahy ratsy igny? 29 Dia hozy Jesoa: Igny karazagna fagnahy igny tsy mety mivoaka raha tsy amin’ny fivavahana ihany.
Nivolagna fagnindroany mikasika ny hahafatesany sy ny hitsanganany Jesoa
30 Dia lasa indray Jesoa sy ny mpianany ka nandeha namakivaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’ôlona izany. 31 Fa hozy nampianatra ny mpianany: Ny Zanak’Ôlona dia hatolotra an-tagnan’ny ôlona ka hovonoinjareo. Rehefa maty Izy dia hitsangana afaka telo androa. 32 Nefa tsy azonjareo ny raha notaraviny sady natahotra koa zareo hagnontany Ananjy.
Iza no ôlona farany geda?
33 Tonga ta-Kapernaomy Jesoa sy ny mpianany. Rehefa tan-dragno, dia nagnadina ny mpianany Jesoa hoe: Ino ma raha nampiady hevitra anareo tan-dalana? 34 Fa àgna zareo satria tan-dalana zareo niady hevitra hoe iza aminjareo no geda indrindra. 35 Rehefa niantotra Jesoa dia nagnantso ny roa ambin’ny folo lahy Izy, ka hozy: Izay te ho voalôhany dia atao farany aminjareo dahôlo sady atao gaognanjareo dahôlo. 36 Dia nialaka zaza iraika Izy dia napetragny tagnivonjareo, dia nobotroiny ka hozy tamin’ny mpianany: 37 Na iza na iza mandray zaza ôhatra ity amin’ny Agnarako dia mandray Anahy; ary na iza na iza mandray Anahy, dia tsy Izaho irerika no raisiny fa Izay nagniraka Anahy koa.
Ireo mampiasa ny agnaran’i Jesoa
38 Dia hozy Jaona tamin’i Jesoa: Ô Ramose! Nahita ôlona iraika nandroaka demonia tamin’ny agnaranao izahay, dia nosakananay izy satria tsy niaraka tamintsika. 39 Fa hozy Jesoa: Aza sakananareo izy, fa tsisy ôlona hagnano raha mahagaga amin’ny agnarako, ka hahavita hagnaratsy Anahy akeo no ho akeo. 40 Fa izay tsy manohitra antsika dia iray dia amintsika.
41 Ary na iza na iza magname rano indraiky tasy hosotroinareo satria an’i Kristy ianareo, dia taraviko marina aminareo tsara, fa tsy ho very ny valisoany.
Izay mitarika hanota
42 Fa na iza na iza mitarika na dia iraika amin’ireo madinika mino Anahy ireo aza mbô hanota, dia tsara aminanjy raha hampizogaina leogna vato gedabe ny hatogny, dia avarigna agnatin’ny ranomasina akaigny izy. 43 Raha ny tagnanao no mitarika anao hanota, dia boreo aigny; fa alay avy ianao miditra bologna aigny amin’ny fiaignana mandrakizay toy izay managna tagnana roa kanefa hariana amin’ny afobe aigny; aigny amin’ny afo tsy maty vonoina, 44 aigny ny felika tsy mety maty, ary ny afo tsy maty vonoina. 45 Raha ny tongotrao no mampanota anao, dia tapaho aigny; fa manjary anao ny miditra kômbo amin’ny fiaignana mandrakizay aigny toy izay managna tongotra roa kanefa hariana aigny amin’ny afobe, 46 aigny ny felika tsy mety maty ary ny afo tsy maty vonoina. 47 Raha ny masonao no mitarika anao hanota dia tsikiro aigny; fa alay avy ianao miditra poaka maso ilany amin’ny fanjakan’Andriamagnitra aigny toy izay managna maso roa kanefa hariana amin’ny afobe aigny, 48 aigny ny felika tsy mety maty ary ny afo tsy maty vonoina.
49 Fa samby sedraina amin’ny afo dahôlo ny ôlona dahôlo ôhatra ny hagnadiovana ny sorogna amin’ny sira. 50 Tsara ny sira, fa raha manjary matsatso izy, dia atao akôry indray ny hameregnana ny tsirony? Alay hisy sira akao agnatinareo, ary mihavàna tsara ianareo.