Ny nagnirahan’i Jesoa ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
9
Namory ny roa ambin’ny folo lahy Jesoa ka nagname anjareo hasina sy fahefana hamoaka ny demonia dahôlo ary hagnasitragna aretina. 2 Nasainy nandeha hitory ny fanjakan’Andriamagnitra sy hagnasitragna ny marary zareo. 3 Dia hozy: Rehefa mandeha ianareo dia aza mivimbigna raha, na anjera, na kitapo, na mofo, na vola, na vatsy, na akanjo hisoloana. 4 Manangàna amin’izay tragno mampandroso anareo mandra-pialanareo amin’ilay tanàna. 5 Fa ho an’izay tsy mampandroso anareo dia ahintsagno ny vovoka amin’ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga an-jareo rehefa miala aminjany tanàna izany ianareo. 6 Dia lasana nandeha zareo ka nitety tanàna nitory ny Tarea Maharavo sady nagnasitrana tamin’izay tany nombany.
Lany fagnahy Heroda
7 Rehefa regnin’i Heroda mpanjaka izany raha dahôlo izany dia lany fagnahy izy noho ny fitantaran’ny ôlona. Fa hozy mbôka ny asagnany: Jaona no efa nitsangana tamin’ny maty. 8 Ary hozy ny asagnany: Elia no efa niseho. Hozy koa ny hafa: Ny iraika tamin’ny mpanazary talôha no efa nitsangana. 9 Fa hozy Heroda: Raha Jaona, dia izaho lasiteo no nanapaka ny talandôhany; fa iza indray ma izany ôlona regniko magnano an’izany raha izany? Ary nagniry hahita Ananjy izy.
Ny nampihinanan’i Jesoa ny ôlona dimy arivo lahy
10 Rehefa tafaverigna ny Apostoly dia nitatitra tamin’i Jesoa ny raha efa nataonjareo zareo.
Dia nindesin’i Jesoa nandeha nitokana nankaigny amin’ny tanàna atao hoe Betsaida zareo. 11 Koa fa fantatry ny vahoaka izany, dia nagnaraka Ananjy zareo. Noraisiny tsara zareo ka nambarany taminjareo ny momba ny fanjakan’Andriamagnitra; ary izay marary dia nositragniny.
12 Rehefa harivariva ny andro, dia nagnatona an’i Jesoa ny roa ambin’ny folo lahy ka nitarea taminanjy: Asaivo mandeha ny vahoaka mbô hamonjy ny tanàna magnodidina hatoriana sy hikarahana raha hohanina satria atỳ ankodahoda atsika io.
13 Fa hozy tamin’ny mpianatra: Amenareo raha hohanina zareo.
Dia hozy zareo Taminanjy: Tsy managna raha tsy mofo dimy sy barahoa roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy raha hohanina ho an’ireo ôlona dahôlo ireo. 14 Fa akeo ho akeo amin’ny dimy arivo lahy akeo ny ôlona.
Ary hozy tamin’ny mpianany: Asaivo mitsitokotoko dimampolo avy zareo. 15 Dia nataon’ny mpianatra izany, ka nasainy nipetraka dahôlo ny ôlona. 16 Rehefa noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny barahoa roa, dia niandrandra ny lagnitra Izy, ka nagnano vavaka fisaorana. Novakiany izany ka nameny ny mpianany ho tsinjarainy amin’ny ôlona. 17 Dia nihinana dahôlo zareo dahôlo ka voky; ary nangonina ny ambiny sisa tsy lany ka nahafeno roa ambin’ny folo harogna.
Ny naneken’i Petera an’i Jesoa ho Kristy
18 Nisy andro, nivavaka tamin’ny mangingina Jesoa izin’ny mpianany, dia nagnontany anjareo Izy hoe: Lazain’ôlona iza ma Izaho?
19 Dia namaly zareo: Jaona Mpagnano batisa; fa misy magnano Anao hoe Elia; ary ny asagnany indray magnano Anao ho iraika amin’ny mpagnazary talôha efa nitsangana.
20 Fa hozy taminjareo: Ary iza Izaho aminareo? Dia namaly Petera: Ianao no Kristin’Andriamagnitra.
21 Ary namepetra mafy anjareo Jesoa mbô tsy hilazalaza an’izany amin’ôlona, 22 ka hozy: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Ôlona. Tsy ho eken’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorogna mbaraky ny mpampiana-dalàna Izy sady hovonoinjareo. Ary afaka telo andro dia hatsangana Izy.
Ny fomba fanarahana an’i Jesoa
23 Hozy Jesoa tamin-jareo dahôlo: Ho an’izay te hagnaraka Anahy, tokony hahafoy ny raha dahôlo momba ananjy izy dia hilanja ny kakazo fijaliany isan’andro ka hagnaraka Anahy. 24 Fa izay te hitàna ny aignany dia hahavery an’izany; ary izay hahavery ny aignany noho ny Aminahy dia hahatana izany. 25 Ino ma ny antombony azon’ny ôlona na dia mahazo izao tontolo izao aza izy kanefa very ny aignany, na ho fatiantoka? 26 Izay megnatra Anahy sy ny raha notaraviko, dia ho megnatra ananjy koa ny Zanak’Ôlona rehefa avy amin’ny voninahiny mbaraky ny voninahitry ny Rainy ary ny an’ny anjely masina. 27 Taraviko marina aminareo: Misy aketo tsy mbô ho faty mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamagnitra.
Ny niovan’i Jesoa tarehy tamin’Izy tantampontanety taigny
28 Valo andro tafaran’i Jesoa nitarea an’izany raha dahôlo izany, dia nindesiny hiara-hivavaka Taminanjy taigny an-tampon-tanety ery Petera sy Jaona izin’ny Jakoba. 29 Raha mbôla nivavaka Izy, dia niova ny tarehiny ary nanjary fotsy nangilatra ny akanjony. 30-31 Tsy tapitapitra igny, nisy roa lahy nipoitra tamim-boninahitra nikoragna Taminanjy: Mosesy sy Elia. Nikoragna nikitika ny fialan’i Jesoa izay efa ho tanteraka akaigny Jerosalema zareo. 32 Na dia te hatory be aza Petera sy ny namany dia naharitra ihany ka nahita ny voninahitr’i Jesoa sy ilay roa lahy niaraka Taminanjy. 33 Rehefa hisaraka tamin’i Jesoa izy roa lahy, dia hozy Petera: Ô Ramose! Hitako manjary raha manangana aketo atsika. Alay izahay hagnamboatra lasy telo, ka ny iraika ho anao, ny iraika an’i Mosesy ary ny iraika an’i Elia. Fa tsy hain’i Petera avy ny raha notaraviny. 34 Mbôla tsy tapitra avy ny teniny dia nisy rôndro nanarogna anjareo dahôlo. Natahotra be ny mpianatra raha vao voasarogna tagnaty rôndro zareo. 35 Nisy feo nivoaka avy tagnatin’ny rôndro nagnano hoe: Ity ny Zanako nofidiko. Tainoa Izy. 36 Rehefa nijanona ilay feo, dia Jesoa irerika sisa no hitanjareo takeo. Nangina ireo mpianatra ka tsy nitantara tamin’ôlona na dia iraika ny raha hitany tamin’izany andro izany.
Ny nagnasitragnan’i Jesoa ilay gaon-dahy nampijalen’ny demonia
37 Amaraignan’igny, rehefa nirôrôgna avy tan-tanety zareo, dia nisy ôlona betsaka nitseza an’i Jesoa. 38 Nisy lehilahy iraika avy tagnaty ôlona nitaraigna Taminanjy hoe: Ô Ramose! Raha mbô manjary aminao, mbô jerevo ma ny zanako. Lahitokako kony izy io. 39 Misy fagnahy misazoka aminanjy ka mihaikaika tampoka izy. Mampifanitontsintona ananjy ilay fagnahy sady mampisafota rora be ananjy. Sarotra ny fialan’io aminanjy ka mandreraka ananjy. 40 Efa niangaviako ny mpianatrao mbô handroaka izany aminanjy fa tsy efany. 41 Dia hozy Jesoa: Ô taranaka tsy mino sady mpivadika! Ka hatramin’ny oviana ma Izaho no hijanona aketo sy handefitra aminareo? Ndeso Aminahy atỳ ny zanakao! 42 Rehefa nagnatona ilay zaza, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona ananjy ny demonia. Ary Jesoa nitrerogna ilay fagnahy maloto ka dia sitragna ilay gaogna; ka nameny an’i rainy. 43 Dia gaga dahôlo zareo nahita ny fahalebiazan’Andriamagnitra.
Nivolagna fagnindroany ny hahafatesany Jesoa
Raha mbôla gaga dahôlo ny ôlona tamin’ny raha dahôlo nataon’i Jesoa, dia hozy tamin’ny mpianany: 44 Tainoa tsara izao raha koragniko aminareo izao: Kely sisa dia hatolotra an-tagnan’ny ôlona ny Zanak’Ôlona. 45 Fa tsy azon’ny mpianatra ny dikan’izany teny izany, sady mbôla nasitrika anjareo mbô tsy ho hainy; nefa natahotra zareo hagnontany izany an’i Jesoa.
Iza no ôlona farany geda?
46 Nisy tsirin-kevitra tan-dôhan’ny mpianatra ny amin’izay ho ôlona farany geda aminjareo. 47 Nahafantatra ny tam-ponjareo anefa Jesoa, dia nandray zaza iraika izy ka napetragny tagnoloanany takeo. 48 Dia hozy taminjareo: Na iza na iza no mandray io zaza io amin’ny Agnarako dia mandray Anahy; ary na iza na iza no mandray Anahy, dia mandray an’Ilay nagniraka Anahy. Fa izay farany kely aminareo dia izy no geda indrindra.
Zareo mampiasa ny agnaran’i Jesoa
49 Dia hozy Jaona: Ô Ramose! Nahita ôlona iraika nandroaka demonia tamin’ny agnaranao izahay, fa nosakananay izy satria tsy tropintsika. 50 Fa hozy Jesoa taminanjy: Aza sakanana izy, fa izay tsy manohitra anareo dia namanareo.
Nandà tsy handray an’i Jesoa ny tanàna iraika taigny Samaria
51 Rehefa akaiky ny fotoana hampiakarana an’i Jesoa, dia tapa-kevitra hankaigny Jerosalema Izy. 52 Nandefa mpisava lalana Izy, dia nandeha ireo ka niakatra tamin’ny tànana iraika an’ny Samaritana, mbô hagnomagna ny fandraisana Ananjy takao. 53 Tsy nampandroso Ananjy anefa ny ôlona satria ho aigny Jerosalema Izy. 54 Rehefa nahita an’izany Jakoba sy Jaona mpianany, dia hozy zareo Taminanjy: Ô Ramose! Manjary aminao ma raha hiteny toy ny nataon’i Elia izahay mbô hisy afo milatsaka avy aigny an-dagnitra handevona anjareo? 55 Fa nitodika Jesoa dia nananatra mafy anjareo hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fagnahy izay anareo. Fa ny Zanak’Ôlona tsy tonga hahavery ny aignan’ôlona, fa hamonjy ananjy. 56 Dia nankaigny amin’ny tanàna hafa zareo.
Ny ôlona izay magniry hagnaraka an’i Jesoa
57 Rehefa tan-dalana zareo, dia nisy ôlona iraika niteny tamin’i Jesoa hoe: Hagnaraka anao izaho, na akaiza na akaiza ny tany hombanao. 58 Fa hozy Jesoa taminanjy: Manan-davaka ny fosa ary managna akany ny vorogna magnembagna, fa ny Zanak’Ôlona tsy managna na dia izay tany hasiany ny lôhany aza. 59 Dia hozy Jesoa tamin’ny ôlona iraika hafa: Ndao hiaraka Aminahy. Fa izao no navalin’io: Ambelao izaho malôhany, Tômpoko, handeha handevigna ny raiko. 60 Dia hozy Jesoa taminanjy: Avelay ny maty handevigna ny maty akao aminanjy, fa ianao kosa mandehana ary torio ny fanjakan’Andriamagnitra. 61 Hozy indray ny iraika hafa: Hiaraka Aminao ihany izaho, Tômpoko, fa avelay malôhany izaho hirasa vôlagna amin’ny ôlona an-dragnoko. 62 Fa hozy Jesoa taminanjy: Tsy misy ôlona mitana sarỳ sady miherika ka mendrika ny fanjakan’Andriamagnitra.