Tsisy famantarana avy aigny an-dagnitra
16
Nagnatogna an’i Jesoa indray ny Fariseo sy ny Sadoseo dia nitsapa fagnahy Ananjy ka nangataka Ananjy hampiseho marika avy aigny an-dagnitra. 2 Dia hozy Jesoa taminjareo: Rehefa harihariva ny andro ka mena ny lagnitra dia hozy ianareo hoe ho tsara ny andro. 3 Fa rehefa ampolakeka dia hozy ianareo hoe ho ratsy ny andro satria mena sy maizigna ny lagnitra. Hainareo ny mamantatra ny marika aigny amin’ny lagnitra kanefa tsy hainareo ny mamantatra ny mariky ny fotoana. 4 Izay tamingan’ôlona ratsy fagnahy sy mpijanganjaga no faran’izay mikaraka marika, kanefa tsisy marika hamena anjareo afa-tsy Jona edy! Dia nilaosan’i Jesoa zareo ka lasana Izy nandeha.Ny lalivainanjareo Fariseo sy ny Sadoseo
5 Rehefa tonga tampitana ny mpianatra dia nahatsiaro fa tsy nitondra mofo zareo. 6 Hozy Jesoa taminjareo: Mangalà ognon-draha ianareo ary mitandrema sao dia voan’ny lalivainan’ny Fariseo sy ny Sadoseo. 7 Dia nifampiresaka zareo hoe: Atsika ilay tsy nitondra mofo angamba no anton’izany. 8 Fantatr’i Jesoa ny raha noresahinjareo ka hozy: Malemy finoana ianareo! Magnino ma ianareo no mikoragna mikasika ny tsy fanagnanareo mofo? 9 Tsy mbôla azonareo onogna ma ary tsy tsarôvanareo ny mofo dimy norasaina tamin’ny ôlona dimy arivo? Firy karapaka ma ny ankera nangoninareo tamin’igny? 10 Na ny mofo fito ho an’ny ôlona efatra arivo? Firy karapaka ma ny ankera nangoninareo tamin’igny? 11 Ino ma no tsy ahaizanareo fa tsy mikasika ny mofo ny raha tiako notaravina taminareo fa ny mbô hitandremanareo sao dia voan’ny lalivainanjareo Fariseo sy Sadoseo ianareo? 12 Izay vao azon’ny mpianatra ognogna fa tsy noteneniny mbô hitandrina amin’ny lalivaina fagnanaovana mofo zareo fa mbô hitandrina amin’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Neken’i Petera fa Jesoa ilay Kristy
13 Rehefa tonga taigny amin’ny faritanin’ny Kaisaria-Filipo Jesoa dia nagnadina ny mpianany Izy hoe: Lazain’ôlona ho iza ma ny Zanak’Ôlona? 14 Dia hozy zareo: Misy mitarea Anao hoe Jaona Mpagnano batisa, ny asagnany indray magnano hoe Elia, ary ny hafa magnano Anao hoe Jeremia na iraika amin’ny ampagnazary. 15 Fa hozy Jesoa taminjareo: Ary iza Izaho aminareo? 16 Namaly Simona Petera hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamagnitra velona. 17 Dia hozy Jesoa namaly ananjy: Sambatra ianao ry Simona zanak’i Jona, fa tsy ôlombelona no nagnambara izany taminao fa ny Raiko izay aigny an-dagnitra. 18 Izaho koa magnambara aminao fa ianao no Peteraa, ary ambonin’ity vatolampy ity no hananganako ny fiangonako; ny vavahadin’ny toerana misy ny maty dia tsy haharesy ananjy. 19 Hameko anao ny lakilen’ny fanjakan’ny lagnitra ka izay fatoranao ety ambonin’ny tany dia ho fatorana koa aigny an-dagnitra; ary izay vahanao ety ambonin’ny tany dia ho vahana koa aigny an-dagnitra.
20 Tamin’izany dia noferan’i Jesoa ny mpianatra mbô tsy hivôlagna amin’ny ôlona fa Izy no Kristy.
Magnambara ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty Jesoa
21 Tamin’izany fotoana izany nanombohan’i Jesoa nanoro ny mpianany fa tsy maintsy hankaigny Jerosalema Izy dia hampijalian’ny loholona sy ny lôhandôhan’ny mpisorogna ary ny mpampiana-dalàna. Hovonoina Izy ary hatsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. 22 Dia nampihataka kely Ananjy Petera ka nivolagna Taminanjy hoe: Sagnatria Aminao ny ho voan-draha ôhatr’izany Tômpoko! Tsy hihatra Aminao anie izany! 23 Ary nihodigna Jesoa ka nitarea tamin’i Petera hoe: Mandehana aigny an-dakambohoko ianao Satana; fandrika Aminahy ianao satria tsy mieritreritretra izay an’Andriamagnitra ianao fa nihin’ôlona foagna.
Ny atao amin’ny fagnarahana an’i Jesoa
24 Hozy indray Jesoa tamin’ny mpianany: Raha misy ôlona te hagnaraka Anahy, tokony tsy hiraharaha ny momba ny aignany izy ary hilanja ny kakazo fijaliany ka hagnaraka Anahy. 25 Fa na iza na iza te hamonjy ny aignany dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny aignany noho ny Aminahy dia hahavonjy izany. 26 Fa ino ma ny antombony azon’ny ôlona na dia mahazo izao tontolo izao aza izy kanefa very ny aignany? Dia ino koa ny raha hamen’ny ôlona ho takalon’ny aignany? 27 Fa ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbaraky ny anjeliny ny Zanak’Ôlona ka hamaly ny ôlona dahôlo mifagnaraka amin’ny raha nataonjareo. 28 Taraviko marina aminareo fa ny sagnany amin’ny ôlona aketo tsy mbô ho faty mandra-pahitany ny Zanak’Ôlona tonga ho mpanjaka.