Jesoa sy ny fomban-drazagna
15
Nisy Fariseo sy ny mpampiana-dalàna avy ta-Jerosalema nagnatona an’i Jesoa ka nivolagna Taminanjy hoe: 2 Magnino ma ny mpianatrao no tsy magnaraka ny fomban-drazana? Tsy manasa tagnana zareo alôhan’ny hihinana. 3 Fa hozy namaly anjareo: Magnino indray ma ianareo no tsy magnahoa ny didin’Andriamagnitra noho ny fampianarana namena anareo? 4 Andriamagnitra efa nitarea hoe: Magnajà ny rainao sy ny reninao (Eks 20.12) sy hoe: Izay magnozona ny rainy sy ny reniny dia hovonoina tokoatrany (Eks 21.17). 5 Kanefa hozy ianareo hoe: Tsy mila magnaja ny rainy sy ny reniny intsony izay ôlona mitarea amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa namiako ho sorogna ho an’Andriamagnitra izay fagnampiana dahôlo tokony hamiako anao. 6 Ka dia ataonareo tsisy varany ny didin’Andriamagnitra noho ny fampianarana namiana anareo. 7 Ô ry mpiatsaravelatsihy! Marina ny nagnazarian’Isaia anareo hoe:
8 “Ity firenena ity magnaja Anahy amin’ny molony,
fa ny fony kosany lavitra Anahy.
9 Ka tsisy varany ny ivavahanjareo Aminahy
raha mampianatra ny didin’olombelona ho fotom-pampianarana zareo” (Isa 29.13).
10 Ary nagnantso ny vahoaka mbô hagnatogna Ananjy Jesoa ka nitarea hoe: Tainoa Izaho ka mangalà ognon-draha: 11 Tsy mampaloto ny ôlona izay raha atsobarahoa agnatin’ny vavany, fa mampaloto ananjy izay raha mivoaka avy agnatin’ny vavany.
12 Dia nagnatogna Ananjy ny mpianatra ka nitarea hoe: Fantatrao ma fa nampasosy ny Fariseo ny naharegny ny raha nokoragninao takeo? 13 Fa hozy namaly: Hongotana ny raha dahôlo tsy nambolen’ny Raiko izay aigny an-dagnitra. 14 Avilay zareo satria jamba mitarika jamba; ary raha samby jamba no mifampitarika, dia samby ho latsaka an-kady zareo in-droa.
15 Dia hozy Petera Taminanjy: Taravo aminay edy ma ny dikan’izany fagnoharana izany. 16 Hozy Jesoa: Mbôla tsy mahazo ognon-draha foagna ma ianareo? 17 Tsy hainareo ma fa izay raha dahôlo mitsofoka agnatin’ny vava dia midigna agnatin’ny kibo ka mivoaka avy agnatin’ny vatagna rehefa avy akeo? 18 Fa izay mivoaka avy agnatin’ny vava indray dia avy agnatin’ny fo; izany no mampaloto ny ôlona. 19 Fa avy agnatin’ny fo no ivoahan’ny haratsian-dôha: ny famonoana ôlona, ny fangalarana vadin’ôlona, ny fijangajangana, ny fangalarana, ny fagnanaovana vavolombelona mandainga, ny fagnasahana. 20 Izany raha dahôlo izany no mampaloto ôlona fa tsy ny homana amin’ny tanana tsy misasa.
Ny finoan’ilay vehivavy kananita
21 Tafaran’izay dia niala takeo Jesoa ka nandeha nankaigny amin’ny faritanin’ny Tiro sy Sidona. 22 Nisy vehivavy kananita iraika avy tamin’izany tany izany nihaikaika hoe: Ô Zanak’i Davida! Mbô amindrao fo koa ma izaho! Ampijalian’ny demonia be ny zanako vavy. 23 Nefa tsy namaly ananjy na dia teny iraika avy Jesoa. Dia nagnatogna Ananjy ny mpianatra ka nangataka Taminanjy hoe: Roasy aigny izy fa mihaikaika be afarantsika akato. 24 Fa hozy: Amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely foagna no nagnirahana Anahy. 25 Mbôla nagnatogna ihany ilay vehivavy ka nenkohoka talôhany sady hozy: Ô Tômpoko! Mbô vonjeo koa ma izaho. 26 Dia hozy Jesoa taminanjy: Tsy manjary ny mialaka ny mofon-jaza ka manipy an’izany amin’ny zanak’amboa. 27 Fa hozy ilay vehivavy: Marina edy izany Tômpoko! Fa na dia ny zanak’amboa koa anie ka mbô homana izay potipotigny potraka avy amin’ny latabatry ny tômpony ihany. 28 Dia namaly an’ilay vehivavy Jesoa hoe: Ô vehivavy ity, tegna mafy ny finoanao! Tongava aminao izay irianao. Dia sitragna tamin’izany lera izany ny zanak’ilay vehivavy.
Nagnasitragna ôlona tamoron’i Galilia Jesoa
29 Avy niala takeo Jesoa dia nankaigny amoron’ny ranomasin’i Galilia. Niakatra tantampontanety Izy ka niantotra takeo. 30 Ary nisy vahoaka betsaka nagnatogna Ananjy takeo, nitondra ôlona mikotrila, poaka, kilemaina ary moagna sy marary hafa ankoatra ireo. Dia napetraky ny ôlona takaikin’ny tongotr’i Jesoa takeo iregny ka nositragniny. 31 Tofoka ny vahoaka raha nahita ny moagna nivolagna, ny kilemaina sitragna, ny mikotrila namindra tsara ary ny poa-maso nahita. Dia nagname voninahitra ny Andriamagnitry ny Israely zareo dahôlo.
Ny nampihinanan’i Jesoa ôlona efatra arivo
32 Nantsovin’i Jesoa hagnatogna Ananjy ny mpianany ka hozy: Mahaforaigna Anahy ny ôlona fa efa telo andro izao no nijanonany Taminahy taketo, sady tsisy raha hohanina. Tsy tiako ny handefa anjareo hody mbôla tsy nihinan-kanina, sao dia disaka an-dalana akaigny zareo. 33 Fa hozy ny mpianatra Taminanjy: Aiza aika ny hahitanay mofo hahavoky vahoaka betsaka be ireto? 34 Hozy Jesoa: Misy mofo firy aigny aminareo aigny? Hozy zareo: Fito sy barahoa madinika vitsivitsy foagnany.
35 Dia nasain’i Jesoa niantotra tamin’ny tany ny vahoaka. 36 Avy takeo, noraisiny ny mofo fito sy ny barahoa, ary nisaotra an’Andriamagnitra Izy; dia norasainy izany ka nameny ny mpianatra ary ny mpianatra indray nizara tamin’ny vahoaka. 37 Nihinana zareo dahôlo ka voky, ary nangonina ny ankera dia mbôla nahafeno karapaka fito. 38 Lehilahy efatra arivo no nihinana takeo ankoatra ny gaogna madinika sy ny vehivavy.
39 Rehefa avy nampody ny ôlona Jesoa dia nitikina lakana ka nankaigny amin’ny sisintanin’ny Magadana.