Ny niovan’i Jesoa tarehy taigny an-tampon-tanety
17
Enina andro tafaran’izay, nindesin’i Jesoa niakatra tan-tanety agnambo mbô hitokana ery Petera sy Jakoba izin’ny Jaona rahalahiny. 2 Dia niova tarehy tamasonjareo Izy, ka namirapiratra karaha masoandro ny tarehiny, ary nanjary fotsy nangilatra ny akanjony. 3 Dia niboagna tamin’ny mpianatra Mosesy sy Elia, nikoragna tamin’i Jesoa. 4 Ary hozy Petera tamin’i Jesoa: Ô Tômpoko! Hitako manjary raha manangana aketo atsika. Raha tianao dia alay izaho hagnamboatra lasy telo aketo ka ny iraika Anao, ny iraika an’i Mosesy ary ny iraika an’i Elia. 5 Mbôla tsy tapitra avy ny teniny dia nisy rôndro mazava nanarogna anjareo. Ary nisy feo avy tagnatin’ny rôndro nagnano hoe: Ity ny zanako tena tiako, Izy no sitrako. Tainoa Izy.6 Rehefa naharegny an’izany ny mpianatra dia lavo nenkohoka sady natahotra be dahôlo. 7 Dia nagnatogna anjareo Jesoa ka nikitika anjareo ary hozy: Mitsangàna, aza matahotra. 8 Kanefa rehefa nianga zareo dia tsy nahita ôlona takeo afa-tsy Jesoa irerika.
9 Taminjareo tan-dalana nidigna avy tan-tanety dia namepetra anjareo Jesoa mbô tsy hitantara amin’ôlona ny raha hitanjareo mandra-pitsangan’ny Zanak’Ôlona amin’ny maty.
Magnadina an’i Jesoa ny raha mikasika an’i Elia ny mpianatra
10 Nagnadina an’i Jesoa ny mpianany hoe: Magnino ma ny mpampiana-dalàna no mivôlagna fa tsy maintsy ho avy mialôha Elia? 11 Dia hozy taminjareo: Ho avy mialôha tokoatra Elia ka hamerigna amin’ny laoniny ny raha dahôlo. 12 Kanefa taraviko aminareo fa efa tonga sahady Elia saingy tsy nahay ananjy ny ôlona ka nagnano izay sitraponjareo taminanjy. Dia ôhatra izany koa ny hampijalianjareo ny Zanak’Ôlona. 13 Dia azon’ny mpianatra ognogna fa Jaona mpagnano batisa no nokoragniny taminjareo.
Ny nagnasitranan’i Jesoa ilay gaon-dahy nampijalen’ny demonia
14 Rehefa tonga takeo amin’ny vahoaka zareo dia nisy lehilahy iraika nagnatogna an’i Jesoa ka nandongalitra talôhany sady nivolagna hoe: 15 Ô Tômpoko! Amindrao fo koa ma ny zanako lahy fa voan’ny aretimborogna izy ka tegna mijaly. Matetika izy lavo agnaty afo na agnaty rano. 16 Efa nindesiko tamin’ny mpianatrao izy fa tsy efanjareo ny nagnasitrana ananjy. 17 Hozy Jesoa: Ô taranaka tsy mino sady diso lalana! Ka hatramin’ny oviana ma Izaho no hiaraka aminareo aketo? Ka hatramin’ny oviana ma Izaho no handefitra aminareo? Ndeso Aminahy atỳ izy. 18 Dia notenenin’i Jesoa mafy ny demonia ka nivoaka avy tamin’ilay gaon-dahy ary sitragna takeo noho akeo izy.
19 Nagnatogna mangingina an’i Jesoa ny mpianatra ka nagnadina Ananjy hoe: Nagnino ma izahay no tsy nahavita nandroaka an’ilay fagnahy ratsy igny? 20 Dia hozy Jesoa taminjareo: Avy amin’ny fahakelezan’ny finoanareo. Taraviko aminareo fa raha managna finoana ôhatry ny voatsinapy iraika ianareo ka hiteny amin’io tanety io hoe mifindrà ary dia hifindra izy; ary tsy hisy raha tsy ho efanareo. 21 Kanefa igny karazany iraika igny dia tsy mivoaka raha tsy amin’ny vavaka sy ny fifadiankanina.
Nivolagna fagnindroany mikasika ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty Jesoa
22 Rehefa tody ta-Galilia zareo, dia hozy Jesoa tamin’ny mpianany: Ny Zanak’Ôlona dia hatolotra an-tagnan’ny ôlona 23 ka hovonoinjareo. Kanefa hatsangana amin’ny maty indray Izy amin’ny andro fahatelo. Dia nalahelo be zareo dahôlo.
Nagnefa ny hetran’ny Tempoly Jesoa sy Petera
24 Rehefa tonga ta-Kapernaomy zareo dia nagnatogna an’i Petera ny mpitaky ny antsasaka sekely na didrakma ka nagnadina ananjy hoe: Ary ny mpampianatrareo ma izany tsy mbô magnefa ny antsasaka sekely? 25 Magnefa izy kalay, hozy Petera. Vao tafiditra tan-dragno takao Petera dia hozy Jesoa taminanjy: Manakôry ma ny hevitrao Simona: Avy amin’iza ma no andraisan’ny mpanjaka atỳ an-tany ny haba sy ny hetra? Avy amin-janagny sa avy amin’ny ôlon-kafa? 26 Dia hozy Petera: Avy amin’ny ôlon-kafa. Dia namaly Jesoa hoe: Tsy magnefa izany ny zanaka. 27 Kanefa mbô tsy hampahasosy anjareo amintsika dia mandehana mihitsy mamintana agnatin’ny ranomasina aigny ka raiso izay barahoa azonao voalôhany; sokafy ny vavany fa hahita vola stateraa akao ianao. Alaivo io vola io dia ameo anjareo fa hetrantsika nihindroa.