Ny fiaingana nankaigny Italia
27
Rehefa tapa-kevitra handeha sambo hankaigny Italia izahay, dia nampiandraiketina an’i kapiteny Jolio lehiben’ny tafika antsovina hoe Andian-tafiky ny amperora, i Paoly sy ny gadra namany hafa. 2 Nandeha tamin’ny sambo iraika avy aigny Adramitena izahay hitety an’ireo seragnan-tsambo amin’ny morontsiraky ny faritry Azia. Tafaraka taminay koa i Aristarka, makedonianina avy aigny Tesalonika. 3 Kiakan’igny, dia tonga taigny Sidona izahay. Tsara fagnahy tamin’i Paoly i Jolio ka navelany nankaigny amin’ny namany izay hikarakara ananjy izy. 4 Dia lasana indray izahay ka nagnaraka ny moron’ny nosy Sipra, tamin’ny ilany atsimo izay takon-drivotra satria izahay nanohadrivotra. 5 Rehefa avy nandalo ny ranomasin’i Kilikia sy i Pamfilia izahay dia tonga takao Mira aigny Lisia. 6 Taigny no nahitan’ilay kapiteny sambo iraika avy aigny Aleksandria hankaigny Italia, dia nasainy nandeha tamin’io izahay. 7 Nandeha niadana ny sambonay tagnatin’ny andro maromaro satria nidalavoaka mafy ny rivotra ka sahirankirana vao tonga tandrifin’i Kinido. Nagnaraka ny sisin’ny nosy Kreta tamin’ilay takon-drivotra tandrifin’ny tanjon’i Salmona izahay. 8 Nagnano sarotra ny nandehananay vao tonga taigny amin’ny toerana iraika antsovina hoe Tsarafitodiantsambo, akaikin’ny tanànan’i Lasea izahay.
9 Andro maromaro no efa laninay tamin’izay ary natahôrana hampidi-doza raha mbôla ho tohizana ny dia satria efa nifaragna ny andro fifadian-kanina. Dia hozy i Paoly nampitandrina anjareo: 10 Ô raôlona! Kara hitako fa hampidi-doza ity diantsika ity: Ny sambo haratra, ny entana ho potika, hisy fatiantoka be ary hatramin’ny aignantsika avy ary hatahôrana. 11 Kanefa naleon’ilay kapiteny nagnaraka ny hevitry ny mpitondra sambo sy ny tompon-tsambo toy izay ny raha notaravin’i Paoly. 12 Tsy tsara hananganana amin’ny andro ririnina mbôka ny seranantsambon’i Lasea ka nanapa-kevitra ny ankamaroanjareo fa alay miala akeo mbô hankaigny Foiniksa ka hanangana aigny mandritra ny ririnina. I Foiniksa mbôka dia seragnan-tsambo aigny Kreta izay magnatrika miagnatsimo andrefana sy miagnavaratra andrefana.
Ilay tafio-drivotra
13 Malefaka ny fitsokan’ny rivotra avy aigny atsimo, ka noheverinjareo fa azo tanterahina ny dianjareo. Dia nalanjareo ilay doka ka lasana nagnaraka ny sisin’ny nosy Kreta zareo. 14 Kelikely tafaran’igny, dia nidalavoaka mafy ny rivotra avy aigny amin’ny tendrombohitry ny nosy dia ilay rivo-doza antsovina hoe Eorakilona. 15 Voapaokan’ny rivotra ny sambo ka tsy nahatohi-drivotra intsony ary navezivezin-drivotra izahay. 16 Dia nandalo tatsimon’ny nosy antsovina hoe Kaoda, izay takotakon-drivotra izahay dia tafakatra ihany ny salopy na dia nagnano sarotra aza. 17 Ary rehefa tafakatra ilay salopy, dia nofatorana tamin’ny tady mahazaka ny sambo mbô hagnamafisana ananjy. Natahotra ny ho rendrika amin’ny fasika mandrevo akaikin’ny an’i Libia zareo, ka nampidignina ny lay ary dia navelany nandeha ho azy ny sambo. 18 Mbôla mafy ny rivotra, ka kiakan’igny, dia narianjareo taigny agnaty ranomasina ny entana; 19 ary afaka amaraignan’igny indray dia mbôla ny tagnanjareo koa no nagnary ny fitaovan’ny sambo. 20 Tagnatin’ny andro maromaro dia tsy nahita masoandro na kintana izahay; fa mbôla nidalavoka mafy foagna ny rivo-doza, ka tsy nagnantegna ny ho velona intsony izahay.
21 Efa ela izahay no tsy nihinan-kanina. Dia nitsangana tampovoanjareo i Paoly ka hozy taminjareo: Ô raôlona! Raha mbô nagnaraka ny teniko ianareo ka tsy niala taigny Kreta, dia tsisy raha naratra sady tsisy fatiantoka ôhatr’izao. 22 Fa izao kosa no raha taraviko aminareo: Mahereza, fa tsisy ho foaty avy ianareo, fa ny sambo foagna no haratra. 23 Nisy anjelin’Ilay Andriamagnitra izay tômpoiko sy ivavahako mbôka tonga taminahy tamin’ny alina 24 ary nagnano hoe: Ô Paoly! Aza matahotra fa tsy maintsy hifagnatrika amin’i Kaisara ianao ary Andriamagnitra hamonjy ny aignanao sy ny aignan’ireo ôlona iray sambo aminao ireo. 25 Ô raôlona! Mahereza. Izaho mbôka mino an’Andriamagnitra fa hotanterahiny izay raha notaraviny taminahy. 26 Nefa tsy maintsy ho rendrika aigny amin’ny nosy iraika aigny foagnany atsika.
27 Tamin’ny alina faha efatra ambin’ny folo, dia mbôla navezivezin’ny rivotra tamin’ny ranomasina Adria izahay. Tamin’ny sasak’alina, dia noheverin’ny tantasambo fa efa nagnakaiky tany izahay. 28 Rehefa natsipinjareo ny tady lava misy ny tsatoby dia hitanjareo fa mbôla misy fito amby telopolo metatra ny halalignan’ny rano; ary rehefa nandrosondroso, dia natsipinjareo indray ilay tady, dia hitanjareo indray fa mbôla misy valo amby roapolo metatra ny halalignan’ny rano. 29 Natahotra izahay sao dia hidofotra amin’ny vato ny sambo, dia nalatsaka tafaran’ny sambo ny vatofantsika efatra; saika tsy digninay izay hahakiaka ny andro. 30 Nitady hilefa ny tantsambo ka nampidigna ny salopy takeo amin’ny ranomasina, mody hoe handatsaka vatofantsika akao andohan’ny sambo. 31 Dia hozy i Paoly tamin’ilay kapiteny rômanina sy tamin’ireo miaramila: Raha tsy manangana agnaty sambo ireo ôlona ireo, dia tsy ho voavonjy ianareo. 32 Tonga dia notapahin’ireo miaramila ny tady mahazaka nitana ilay salopy ka navelany latsaka tagnaty ranomasina.
33 Rehefa ho keka ny andro, dia niangavian’i Paoly zareo dahôlo mba hihinan-kanina ka ozizy: Androany ny andro fa ha 14 niandrasanareo sy niaretanareo hanoanana, tsy ninana n’inon’inona mihitsy ianareo. 34 Ka miangavy anareo aho hihinan-kanina, fa ilainareo izany mba hahavelona anaro. Fa tsy misy ho voakitika na dia ny singambolonareo aza. 35 Rehefa avy niteny an’izany izy, dia nandray mofo sy nisaotra an’Andriamagnitra ary nanapaka ny mofo takeo anatrehanjareo dahôlo ka nihinana. 36 Dia nahazo toky indray zareo dahôlo ka nihinana. 37 276 ny isanay dahôlo takao anaty sambo. 38 Ary rehefa samby voky dahôlo ry zareo, dia natsipy tany anaty ranomasina dahôlo ny vary mba hahamaivana ny sambo.
Ny faharendrehan’ny sambo
39 Ary rehefa mangirandratsy, dia tsy fantatr’ireo tantsambo hoe aiza ry zareo; fa nosy kely iray misy torapasika no hitanjareo ka dia nezahanjareo hajanona takeo ny sambo raha mety. 40 Nalan’ireo tantsambo daholy ny vatofantsika ary nalifany hakany an-dranomasina; novahany koa ny tadin’ny familina ary novelariny ny lay takeo aloa ho azon’ny rivotra. Dia nizotra nanatona ny torapasika ry zareo, 41 Nefa rehefa tonga takeo amin’ny andilantany anankiray, dia navelany nidona takeo ny sambo. Retsoka takao amin’ny fasika ny lohasambo ka nitokona teo, tsy nahahetsika; ary ny vodisambo kosa dia vaky azon’ny herin’ny onja. 42 Tapakevitra ny hamono ny gadra ny miaramila sao dia hisy handositra hilomano ry zareo. 43 Kanefa te hamonjy an’i Paoly ilay kapiteny romana ka nisakana ny mba tsy hanatanterahan’ireo miaramila an’izany, fa izay mahery milomano no nasainy hirotsaka anaty rano voalohany hankeny an-tanety; 44 dia nanaraka ny sisa, samby nanavotra ny tenany na nitaingina kakazo fisaka na amin-javatra hafa takeo amin’ny sambo. Izany no nataonjareo ka dia samby tonga soa aman-tsara teny an-tanety zareo.