Nandahatra ny fiarovan-tegnany tagnatrehan’i Agripa i Paoly
26
Dia hozy i Agripa tamin’i Paoly: Mahazo mitarea ianao izao. Dia nanangana ny tagnany i Paoly, ary nandahatra ny fiarovan-tegnany: 2 Ô Agripa mpanjaka! Mahatsapa izaho fa mahazo tombony manokana mbô ahafahako miaro ny tegnako agnatrehanao amin’ny raha dahôlo izay hiampangan’ny Jiosy anahy. 3 Fantatrao tsara mbôka ny fomban’ny Jiosy sy ny ady hevitra fataony, ka miangavy anao izaho mbô hahadigny hitaino anahy.4 Ny fiaignako hatramboalôhany sy letry izaho tamin’ny mbôla kely, na takeo amin’ny fireneko na ta- Jerosalema dia fantatry ny Jiosy tsara. 5 Fantanjareo letry ny ela ary azonjareo porofoana raha tianjareo fa izaho dia geda takao amin’ny Fariseo sady hentitra tamin’ny fagnarahana ny fomba fivavahanay. 6 Ny antony hitsanganako hotsaraina aketo amin’izao dia satria izaho mino ny teny fampagnantegnana nataon’Andriamagnitra tamin’ny razanay. 7 Ô Agripa mpanjaka! Ny foko roambinifolo akeo amin’ny firenenay dia samby magnantena ny fahatanterahan’izany ka mafana fo amin’ny fagnompoana an’Andriamagnitra andro aman’alina. Dia izany fagnantenana izany no antony hiampangan’ny Jiosy anahy. 8 Fa magnino ma no lazainareo fa tsy azo inoana hoe manangana ny maty Andriamagnitra?
9 Izaho izao mihitsy no efa nieritreritra ny hanohitra amin’ny fomba dahôlo ny agnaran’i Jesoa Kristy avy aigny Nazareta. 10 Izany mihitsy no nataoko ta-Jerosalema. Araka ny fahefana manokana azoko avy tamin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna dia betsaka be ny ôlona masina nogadraiko, ary raha vao misy fifidianana hagnamelohana ho foaty anjareo, dia izaho mihitsy no anisan’ilay nankatôritra an’izany. 11 Matetika dia teteziko dahôlo ny sinagôga mbô hamaizako sy hagnereko anjareo handà ny finoany. Tegna nagnavy asira taminjareo izaho ka nohenjehiko hatraigny amin’ny tanàna hafa mihitsy zareo.
Nitantara ny niovany fo sy ny asa vitany i Paoly
12 Ary dia nankaigny Damaskosy izaho rehefa nahazo fahefana sy alalana avy tamin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna. 13 Ô Agripa mpanjaka! Tan-jiron’andro be igny, tamin’izahay tan-dalana, dia nahita hazavana avy tan-dagnitra izaho, mandombolombona masoandro, namirapiratra nagnodidina anay sy ireo ôlona niaraka taminahy. 14 Dia lavo tamin’ny tany dahôlo izahay ary naharegny feo nitarea tamin’ny fiteny Hebreo taminahy izaho hoe: Ô Saoly! Ô Saoly! Magnino ma ianao no magnenjika Anahy? Ary ho voa mafy ianao raha hiady amina filo! 15 Dia hozy izaho: Ô Tômpo! Iza ma Ianao? Dia hozy ny Tômpo namaly: Izaho no Jesoa, Ilay enjehinao. 16 Miarena dia mitsangàna! Fa izao no antony hiboagnako aminao: Tendreko ho gaognako sy ho vavolombelona ianao tamin’ny nahitanao Anahy sy izay mbôla hiboagnako aminao. 17 Izaho no hamonjy anao amin’ny firenenao sy ny Jentilisa ary magniraka anao 18 mbô hanokatra ny masonjareo hialanjareo amin’ny maizina hankaigny amin’ny mazava, sy hialanjareo amin’ny fahefan’i Satana hankaigny amin’Andriamagnitra, mbô hahazoanjareo famelan-keloka sy anjara miaraka amin’ireo izay nohamasinina avy amin’ny finoana Anahy.
19 Ô Agripa mpanjaka! Araka izany dia tsy nandà ny fahitana avy taigny an-danitra izaho. 20 Nitory tamin’ny ôlona ta-Damaskosy sy ta-Jerosalema malôha izaho, izay vao magnerana an’i Jodia sy tamin’ny jentilisa koa. Dia nagnambara taminjareo izaho ny mbô hiovan’ny toe-tsainjareo sy hialanjareo amin’ny toetra ratsy ary hiveregnanjareo amin’Andriamagnitra ka hampisehovinjareo amin’ny raha ataonjareo fa tegna niala tamin’izany toetra ratsy izany zareo. 21 Izany no antony nampatonga ny Jiosy hagnambotra anahy tan-tempoly ary nikendry hamono anahy. 22 Kanefa Andriamagnitra miaro anahy foagna ka mandrak’ity nigniany dia hijoro vavolombelona amin’ny ôlona dahôlo na ny geda na ny kely izaho ka tsy mitarea na ino na ino afa-tsy izay notaravin’ny mpagnazary sy i Mosesy fa ho avy: 23 Tsy maintsy hijaly Kristy ary Izy no hisantatra ny fitsanganana amin’ny maty ka hitory fahazavana amin’ny vahoaka Israely sy amin’ny Jentilisa.
Mitaona an’i Agripa hino i Paoly
24 Raha nagnambara ny fiarovan-tegnany i Paoly, dia niteny mafy i Festosy hoe: Ô Paoly! Ianao ma nanjary adala? Sao dia ma ny fianarana be loatra vitanao no mampalasa adala anao? 25 Dia hozy i Paoly: Ô Festosy hajaina! Tsy lasa adala avy izaho! Marina sy voadinika tsara avy izany raha lazaiko izany. 26 Tsy vaovao amin’ny mpanjaka avy izany raha izany, ka dia tsy misalasala izaho mitarea aketo agnatrehany. Azoko antoka fa tsisy misitrika aminanjy mihitsy izany satria tsy natao tan-takotakona. 27 Ô Agripa mpanjaka! Mino ny mpagnazary ma ianao? Haiko tsara fa mino ianao. 28 Dia hozy i Agripa tamin’i Paoly: Hihevitra ma izany ianao fa agnatin’ny fotoana fohy dia haharesy lahatra anahy hiova ho kristiana? 29 Dia hozy Paoly: Na ho ela na ho vetiketika, dia mangataka amin’Andriamagnitra izaho ho anao sy ho an’ireo ôlona dahôlo izay maharegny anahy amin’izao mbô hanjary ôhatra anahy ianareo kanefa tsy agnisan’izany ny figadrana.
30 Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governera ary Berenika niaraka tamin’ny ôlona dahôlo nagnotrogna anjareo. 31 Rehefa lasana zareo, dia nifampiresaka hoe: Tsisy raha nataon’io lehilahy io tokony hanagadrana na hamonoana ananjy ho foaty. 32 Hozy i Agripa tamin’i Festosy: Afaka navotsotra mihitsy io lehilahy io kanefa ma izy nisafidy nampiakatra an’ity raharaha ity aigny amin’i Kaisara.