Ny fiovam-pon’i Saoly
9
Tamin’izany fotoana izany, i Saoly dia tsy nanan-tsaigna afa-tsy ny handrahogna sy ny hamono ny mpianatry ny Tômpo. Nankaigny amin’ny mpisorognabe izy, 2 ka nangataka taratasy mbô haboagnany amin’ireo sinagoga aigny Damaskosy. Ireo taratasy ireo no magname alalana ananjy hagnambotra ny ôlona na lehilahy na vehivavy izay magnaraka ny Lalan’i Jesoa Kristy ka indesiny ho gadraina aigny Jerosalema.3 Rehefa akaiky tonga ta-Damaskosy igny izy, tampotampoka takeo dia nisy hazavana nanjelanjelatra avy aigny an-danitra, nagnodidigna ananjy. 4 Dia nikarapoka tamin’ny tany izy sady naharegny feo niteny taminanjy hoe: Ô Saoly! Ô Saoly! Magnino ma Izaho no kinjehinao? 5 Hozy i Saoly: Ô Tômpo! Iza ma Ianao? Dia namaly i Jesoa hoe: Izaho no i Jesoa, Ilay kinjehinao io. 6 Miarena ianao, dia mandehana aigny an-tanàna fa hotaravina aminao aigny ny raha tokony hataonao. 7 Ary ny ôlona izay niaraka taminanjy dia nijajirika sady tsy nahateny no tsy nahavolagna; naharegny feo zareo, nefa tsy nahita na iza na iza. 8 Dia niarina i Saoly, ary nosokafany ny masony nefa tsisy raha hitany avy; fa ôlona no nitantana ananjy nankaigny Damaskosy. 9 Tsy nahita mihitsy izy nandritry ny telo andro sady tsy nihinan-kanina no tsy nisotro rano.
10 Ary nisy mpianatra iraika antsovina hoe Ananiasy taigny Damaskosy. Nitarea taminanjy tamin’ny alalan’ny fahitana ny Tômpo ka nagnano hoe: Ô Ananiasy! Dia namaly izy: Hagnino angaha Tômpoko? 11 Dia hozy ny Tômpo taminanjy: Mandehana aigny amin’ny lalana antsovina hoe Imahitsy ary tadiavo aigny an-dragnon’i Joda ilay lehilahy antsovina hoe Saoly avy aigny Tarsosy. Zahavo fa efa mivavaka izy izao. 12 Fa tagnatin’ny fahitana dia nahita lehilahy antsovina hoe Ananiasy izy, izay niditra takao aminanjy sy nametra-tagnana taminanjy mbô hahita indray ny masony. 13 Dia hozy i Ananiasy: Ô Tômpo! Betsaka ny raha efa regniko mikasika ny tsy fanjariana nataon’io lehilahy io tamin’ny ôlonao masina ta-Jerosalema. 14 Ary avy aty koa izy izao miaraka amin’ny fahazoan-dalana namen’ireo mpisorognabe, mbô hagnambotra ny ôlona dahôlo magnantso ny agnaranao. 15 Nefa hozy ny Tômpo taminanjy: Mandehana, fa efa nosafidiako ho fitaovana io lehilahy io mbô hitondra ny agnarako aigny amin’ny Jentilisa sy ny mpanjakany ary amin’ny vahoakan’ny Israely. 16 Hampahafantariko ananjy ny raha mafy isan-karazagny tsy maintsy hiaretany noho ny agnarako. 17 Dia lasana nandeha i Ananiasy ka niditra tan-dragno dia nametraka ny tagnany tamin’i Saoly. Ary hozy: Ô rahalahy Saoly! Jesoa Tômpo, Izay niboagna taminao taigny an-dalana igny no nagniraka anahy mbôry izay hahita indray ny masonao sy ho feno Fagnahy Masina ianao. 18 Tonga dia nisy raha sahala amin’ny sisina barahoa niala avy tamin’ny masony, ka nahita indray izy. Dia nitsangana izy ka natao batisa. 19 Ary nihinan-kanina izy dia nihanatanjaka.
Nanomboka nitory an’i Kristy i Saoly
Nijanona elaela kely niaraka tamin’ny mpianatra ta-Damaskosy i Saoly, 20 ary tonga dia nitory takao amin’ny sinagoga izy ka nagnambara fa i Jesoa no Zanak’Andriamagnitra. 21 Dia gaga dahôlo ny ôlona izay naharegny an’izany ka nitarea hoe: Angaha ma tsy ity iraikalahy ity ilay nagnenjika an’ireo izay nagnantso an’izany agnarana izany ta-Jerosalema? Angaha ma ny nahatongavany aty tsy hagnambotra sy hitondra anjareo aigny amin’ny mpisorognabe? 22 Kanefa nihatombo hery i Saoly ka nandresy lahatra an’ireo ôlona nipetraka ta-Damaskosy ary nabaribariny fa Jesoa no Kristy.
23 Andro maromaro tafaran’izany, dia niara-nikonokonona ny hamono ananjy ny Jiosy; 24 nefa fantatr’i Saoly mialôha izany teti-dratsy izany. Dia niambesanjareo magnalin’andro makek’andro ny vavahadin’ny tanàna mbô hamonoanjareo ananjy. 25 Indray alina nefa dia nalain’ny mpianany i Saoly, avy takeo nataony tagnaty karapaka, ary nampidigniny nagnaraka ny manda.
Aigny Jerosalema i Saoly
26 Rehefa tonga ta-Jerosalema i Saoly, dia niezaka niaraka tamin’ny mpianatra; nefa natahotra ananjy zareo sady tsy ninoanjareo hoe nanjary mpianatra izy. 27 Dia nalain’i Barnabasy izy ka nindesiny takeo amin’ny Apostoly. Nambarany taminjareo ny fomba nahitan’i Saoly an’ny Tômpo tan-dalana ho aigny Damaskosy sy ny raha notaravin’ny Tômpo taminanjy. Ary notaraviny koa ny fahasahian’i Saoly nitory tamin’ny agnaran’ny Tômpo taigny Damaskosy. 28 Avy takeo dia afaka nifanerasera tamin’ny mpianatra ta-Jerosalema amin’izay i Saoly ary tegna nahasahy nitory tamin’ny agnaran’ny Tômpo. 29 Dia niresaka sy niady hevitra tamin’ireo Jiosy miteny grika koa izy; kanefa nitady hevitra hamono ananjy zareo. 30 Rehefa fantatr’ireo rahalahy mpino izany, dia nindesinjareo nidigna nankaigny Kesaria izy ary nalefanjareo ho aigny Tarsosy.
31 Ary niadam-pinaritra tsara ny Fiangonana erak’i Jodia sy Galilia ary i Samaria tamin’izany; sady mafy orina sy niaigna tamin’ny fahatahôrana an’ny Tômpo, ary nitombo koa ny isan’ny mpino noho ny fampaherezan’ny Fagnahy Masina.
Aigny Lida i Petera: Ny fagnasitranana an’i Enea
32 Rehefa nandeha nitety an’ireo faritra ireo i Petera, dia nandeha nitsidika an’ireo ôlona masina taigny Lida. 33 Nisy lehilahy iraika malemy antsovina hoe Enea hitany taigny izay efa nandamaka nandritry ny valo taona tam-pandriana. 34 Ary hozy Petera taminanjy: Ô Enea! Magnasitrana anao i Jesoa Kristy! Mitsangàna ka aorogno ny fandrinanao! Avy hatraigny dia nitsangana izy. 35 Rehefa nahita an’izany ny ôlona dahôlo nipetraka taigny Lida sy taigny amin’ny lemak’i Saròna dia nanjary nino an’ny Tômpo.
Aigny Jopa i Petera: Novelomina i Tabita
36 Nisy iraika vavy mpianatra, antsovina hoe Tabita na koa hoe Dorkasy amin’ny teny grika nipetraka taigny Jopa. Nagnano asa soa maro karazagny sy niantra ôlona betsaka izy. 37 Ary tamin’izany fotoana izany dia narary izy ka maty. Rehefa avy nampandroina ny fatiny, dia napetraka taigny ambonin-drihana. 38 Rehefa regnin’ny mpianatra fa aigny Lida i Petera, tanàna mifagnakaiky amin’i Jopa mbôka i Lida, dia nagniraka ôlona roa lahy hankaigny aminanjy zareo ka niangavy ananjy hoe: Mandehana malaky atỳ aminay ianao! 39 Dia nitsangana i Petera ka nandeha niaraka taminjareo. Raha vao tonga tan-dragno izy, dia nindesinjareo niakatra tambonin-drihana. Nagnatona an’i Petera dahôlo ireo vehivavy maty vady takao, sady nitomagny no nanoro ny lamba sy ny akanjo nozairin’ny Dorkasy ho anjareo, tamin’ny fahavelony. 40 Nasain’i Petera nivoaka dahôlo ny ôlona, dia niandongalitra izy ka nivavaka. Avy takeo dia nitodika taigny amin’ilay faty ka niteny hoe: Ô Tabita! Mitsangàna! Nahiratr’i Tabita ny masony, ary nahita an’i Petera izy dia niantotra. 41 Noraisin’i Petera ny tagnany dia nampitsanganiny izy. Avy akeo dia nantsoviny ireo ôlona mpino sy ireo vehivavy maty vady, dia naboagnany anjareo i Tabita izay velona soamantsara. 42 Tsisy tsy nahafantatra an’izany raha izany ny ôlona nipetraka eraky ny tanànan’i Jopa ary betsaka ny ôlona no nino ny Tômpo. 43 I Petera dia nipetraka elaela taigny Jopa tan-dragnon’i Simona, ilay mpikirakira hoditra biby.