8
Ary i Saoly dia nankasitraka ny namonoana an’i Stefana.Ny fagnenjehana voalôhany
Androtr’igny ihany dia nihamafy ny fagnenjehana an’ireo Fiangonana ta-Jerosalema. Dia niparitaka eraky ny faritany Jodia sy Samaria ny mpino dahôlo, afa-tsy ny Apostoly irerika. 2 Nisy ôlona tia fivavahana nandevina an’i Stefana sady nisaona ananjy. 3 Kanefa i Saoly dia nanomboka namotika ny fiangonana. Noteteziny isan-tragno, notaritaritiny navoaka ny mpino na lehilahy na vehivavy ka nogadrainy.
4 Ary ireo mpino izay niparitaka noho ny fagnenjehana dia nitory ny hafatry ny Tarea Maharavo taigny amin’izay nisy anjareo.
Magnambara ny tarea maharavo aigny Samaria i Filipo
5 Dia nidigna takao an-tanàna Samaria i Filipo ka nitory an’i Kristy tamin’ny ôlona nipetraka takao. 6 Dia niray lôha nitaino an’i Filipo ireo vahoaka rehefa naharegny ananjy sy nahita an’ireo raha mahagaga nataony. 7 Betsaka mbôka ny fagnahy maloto nivoaka tamin’ny ôlona no sady nihaikaika; betsaka koa ny malemy sy ny mikotrilaka no sitragna. 8 Dia nisy hafaliana be takao amin’izany tanàna izany.
9 Nisy iraika lahy antsovina hoe Simona, efa nipetraka efa ela be takao amin’izany tanàna izany. Managna hery miafina izy ka nahagaga ny ôlona eraky Samaria ny raha nataony sady nihevi-tegna izy hoe tsisy ôhatra ananjy. 10 Hatramin’ny zaza madinika ka hatramin’ny ôlona geda dia nangilan-tsofigna nitaino ny raha notaraviny dahôlo, ka nitarea hoe: Ity iraika lahy ity no herin’Andriamagnitra, dia ilay antsovina hoe Hery lehibe. 11 Dia nagnaraka ananjy zareo satria hatramin’ny ela zareo no gaga tamin’ny raha mahagaga nataony. 12 Kanefa rehefa nino ny Tarea Maharavo mahakasika ny Fanjakan’Andriamagnitra sy ny agnaran’i Jesoa Kristy notorin’i Filipo zareo, dia natao batisa dahôlo na lehilahy na vehivavy. 13 I Simona tegnany koa dia nino ka natao batisa; ary nagnaraka an’i Filipo izy na akaiza na akaiza ary gaga izy raha nahita ny marika hamantarana sy ireo raha mahagaga matomboka.
14 Rehefa regnin’ny Apostoly ta-Jerosalema fa nagneky ny tenin’Andriamagnitra ny ôlona mipetraka akao Samaria, dia nirahiny hankaigny i Petera sy Jaona. 15 Rehefa tonga taigny zareo roalahy, dia nivavaka mbô handraisan’ireo mpino ny Fagnahy Masina. 16 Satria tsy nilatsaka taminjareo mbôka ny Fagnahy Masina, fa mbôla batisa tamin’ny agnaran’i Jesoa Tômpo foagnany no natao taminjareo. 17 Dia nametrahan’i Petera sy Jaona tagnana zareo ka nandray ny Fagnahy Masina.
18 Dia hitan’i Simona fa nandray ny Fagnahy Masina avy amin’Andriamagnitra ny mpino rehefa nametrahan’ny Apostoly tagnana ary nameny vola i Petera sy Jaona 19 dia hozy: Ameo anahy koa izany fahefana izany mbôry izay ny ôlona hametrako tagnana dia handray ny Fagnahy Masina. 20 Fa hozy Petera taminanjy: Vereza faty aigny ianao sy ny volanao! Sao dia heverinao fa azo vidìm-bola ny fagnamezan’Andriamagnitra! 21 Tsy managna anjara na lova amin’ity raharaha ity ianao satria ianao mpiolakolaka akeo agnatrehan’Andriamagnitra. 22 Mialà amin’izao haratsian-tsaignanao izao ka mivavaha amin’ny Tômpo. Sao dia avelany ihany ny helokao amin’izany hevi-dratsy akao am-ponao izany. 23 Hitako mbôka fa mafaitra ny fagnirian-dratsinao ary mamatotra mafy anao ny fahotana. 24 Dia hozy i Simona namaly: Mbô mivavaha ho anahy amin’ny Tômpo ianareo, mbôry izay tsisy hihatra aminahy izany raha notaravinareo izany.
25 Rehefa avy nijoro vavolombelona sy nitory ny tenin’ny Tômpo i Petera sy Jaona dia niverigna nankaigny Jerosalema zareo, sady nagnambara ny Tarea Maharavo taigny amin’ny tanàna maro erak’i Samaria.
I Filipo sy ilay tandapa Etiopiana
26 Ny Anjelin’ny Tômpo nitarea tamin’i Filipo hoe: Mandehana ianao mianatsimo ka mizora ny lalana midigna avy aketo Jerosalema mankaigny Gaza, dia ny lalana mamakivaky ankodahoda. 27 Dia nitsangana izy ka lasana. Tan-dàlana izy dia nifanena tamina lehilahy Etiopiana. Izy io dia manamboninahitra, tandapan’ny Kandasy, mpanjakavavin’i Etiopia sady mpitantana ny fanagnany dahôlo. Tonga taigny Jerosalema io lehilahy io mbô hivavaka. 28 Taigny an-dalana mody, nipetraka takao amin’ny kalesiny izy ary namaky ny bokin’i Isaia mpagnazary. 29 Dia hozy ny Fagnahy Masina tamin’i Filipo: Magnatòna an’io kalesy io! 30 Dia nihazakazaka nankeo amin’ilay kalesy i Filipo ka naharegny an’ilay Etiopiana namaky ny bokin’i Isaia mpagnazary. Hozy Filipo: Azonareo ma raôlona ny raha vakinareo ity? 31 Dia novaliany hoe: Amin’ny fomba ahoana ma no ahazoako an’izany, raha tsy misy ôlona manazava aminahy? Dia nasain’ilay tandapa i Filipo mbô hitikina ny kalesiny ary hiantohotra akaikiny. 32 Ity ny Soratra Masina novakin’ilay tandapa:
“Nindesina sahala amin’ny ondry hovonoina Izy,
ary sahala amin’ny zanaka ondry moana magnoloana ny mpanety ananjy;
tsy nisoka-bava avy!
33 Natao tsisy dikany Izy ary tsy nahazo rariny.
Ary iza no afaka hitarea ny amin’izay taranagny?
Satria nofongorana taketo an-tany ny fiaignany” (Isa 53.7-8).
34 Ka hozy ilay tandapa nagnontany an’i Filipo: Mbô taravo aminahy edy ma, iza no taravin’ny mpagnazary amin’izany? Izy ihany ma sa ôlon-kafa? 35 Dia nandray fitenenana i Filipo ary niainga avy amin’ireo andalana Soratra Masina ireo no nagnambarany ny Tarea Maharavo mikasika an’i Jesoa. 36 Rehefa nandeha elaela zareo, dia tonga tamina toerana iraika misy rano, ary hozy ilay tandapa: Io misy rano, ka ino ma no manakana anahy tsy hatao batisa? 37 Dia novalian’i Filipo hoe: Raha tegna mino amin’ny fonao ianao, dia manjary atao batisa. Ary hozy ilay tandapa: Mino izaho fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamagnitra. 38 Nasain’ilay tandapa najanona ny kalesy, dia niaraka nidigna tagnaty rano izy sy Filipo, ary natao batisa izy. 39 Rehefa tafiakatra avy tagnaty rano zareo, dia nindesin’ny Fagnahin’ny Tômpo niala takeo i Filipo ka tsy hita intsony. Fa ilay tandapa kosa nanohy ny diany tan-kafaliana. 40 Ary hita takao Azota i Filipo nitory ny Tarea Maharavo tamin’ny tanàna dahôlo izay nandalovany mandra-pahatongavany taigny Kaisaria.