Ny teny nataon’i Stefana takeo amin’ny Sinedriona
7
Dia nagnontanian’ny mpisoronabe i Stefana: Marina ma izany raha izany?2 Dia hozy Stefana namaly: Ô ianareo rahalahy sy ianareo ray aman-dreny! Tainoa tsara izaho! Andriamagnitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika, tamin’izy taigny Mezopotamia, talôhan’ny nipetrahany taigny Harana, 3 ka niteny taminanjy hoe: “Laoso ny tanindrazanao sy ny havanao, ka mandehana aigny amin’ny tany izay hatoroko anao” (Gen 12.1). 4 Dia niala taigny amin’ny tanin’ny Kaldeana i Abrahama ka nipetraka taigny Harana. Rehefa maty ny rainy, dia nindesin’Andriamagnitra hankaty amin’ity tany izay hipetrahanareo ity izy. 5 Dia tsy namen’Andriamagnitra lova takeo izy, na dia tany iray dia àry. Kanefa nampagnantenainy fa izy sy ny taranany mandimby ananjy handova ny tany, na dia tsy mbôla niteraka àry izy. 6 Ary hozy Andriamagnitra taminanjy: “Hivahiny aigny amin’ny tanin’ny firenena hafa ny taranakao ka hohandevozina sy hohampijaliana mandritry ny efajato taona. 7 Kanefa hotsaraiko izany firenena magnandevo ananjy izany. Afaran’izany, dia hiala akao izy ka hanompo Anahy aketo amin’ity toerana ity” (Gen 15.13-14). 8 Ary Andriamagnitra nagname ny fagneken’ny vita hasoavana an’i Abrahama. Ary dia niteraka an’Isaka izy ka nagnano hasoavana ananjy tamin’ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an’i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny razambe roa ambin’ny folo lahy.
9 Nialognan’ireo razambe i Josefa rahalahiny ka namidinjareo ho andevo taigny Ejipta. Nefa Andriamagnitra tsy nandao ananjy, 10 fa nanavotra ananjy tamin’ny fijaliany dahôlo ary nagname ananjy fahasoavana sy fahendrena tamason’i Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary notendren’i Farao ho governoran’ny Ejipta sy ny raha dahôlo takao an-dapany izy. 11 Ary nisy silaona nagnerana an’i Ejipta sy Kanana iray manontolo. Mafy be ny fahoriana ka tsy nahita raha nohanina ny razantsika. 12 Rehefa regnin’i Jakoba fa nisy vary taigny Ejipta, dia nagniraka an’ireo razantsika hankaigny izy tamin’ny voalôhany. 13 Tamin’ny diany fagnindroany dia nampahafantatra ny tegnany tamin’ireo rahalahiny i Josefa ary dia fantatr’i Farao ny fiaviany. 14 Ary nagniraka ôlona hialaka an’i Jakoba rainy sy ny fianakaviany dahôlo i Josefa. Dimy amby fitopolo no isanjareo. 15 Lasana nankaigny Ejipta i Jakoba, dia taigny izy sy ny razantsika no maty. 16 Nindesina nankaigny Sekema ny razagna ka nalevigna tamin’ny fasana izay novidin’i Abrahama tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema.
17 Rehefa nagnakaiky ny fotoana hagnatanterahana ny teny fampagnantenana nataon’Andriamagnitra tamin’i Abrahama, dia nihanitombo isa sy nihabetsaka ny ôlona taigny Ejipta 18 mandra-pahatongan’ny mpanjaka vaovao izay tsy nahafantatra an’i Josefa. 19 Ary io mpanjaka io nagnambaka ny razantsika ka nampijaly anjareo. Notereny zareo hagnary ny zanagny vao menamena mbôry izay ireny tsy ho velona.
20 Tamin’izany fotoana izany no nahaterahan’i Mosesy; zaza managn’endrika tamason’Andriamagnitra izy, ka dia notezaina telo volana tan-dragno. 21 Rehefa nariana izy, dia nalain’ny zanakavavin’i Farao ka notezainy sahala amin’ny zanagny lehilahy. 22 Dia nahazo fitaizana araka ny fahendrena dahôlo nanagnan’ny Ejiptiana i Mosesy, ary nahery tamin’ny tarea notaraviny sy ny raha nataony izy.
23 Rehefa feno efapolo taona Mosesy, dia nanapa-kevitra hagnampy ny Zanak’Israely havany. 24 Nahita Ejiptiana iraika nampijaly ny iraika taminjareo izy, dia narovany ilay nampijaliana ary novonoiny ilay Ejiptiana. 25 Nieritreritra Mosesy hoe fantatry ny havany fa hagnavotra anjareo Andriamagnitra amin’ny alalany. Angaha ma hainjareo avy! 26 Amaraignan’igny, nahita Israelita anankiroay niady i Mosesy, dia nampihavaniny zareo ka hozy: Ô lehiretsy! Mpirahalahy ianareo, ka magnino ma ianareo no miady? 27 Fa ilay nampijaly ny namany nanosika ananjy ka nitarea hoe: Iza ma no nagnendry an’ialahy ho mpitondra sy ho mpitsara anay? 28 Sa tian’ialahy hovonoina sahala amin’ny namonoan’ialahy an’ilay Ejiptiana omaly koa izaho? 29 Rehefa regnin’i Mosesy izany dia nilefa izy. Nivahiny taigny amin’ny tany Midiana izy ka nipetraka taigny. Ary taigny izy no niteraka ny zanany roa lahy.
30 Efapolo taona tafaran’izany, taigny ankodahoda akaikin’ny tampontanety Sinay dia nisy Anjely niboagna tamin’i Mosesy tagnaty lelan’afo avy tamin’ny kakazo mirehitra. 31 Dia gaga i Mosesy rehefa nahita an’izany fahitana izany. Nagnatogna handinika an’izany raha izany izy, dia naharegny ny feon’ny Tômpo nagnano hoe: 32 “Izaho no Andriamagnitry ny razanao, Andriamagnitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba!” (Eks 3.6). Toran-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nijery. 33 Dia hozy ny Tômpo taminanjy: “Alao ny kapanao, fa tany masina io hitsangananao io. 34 Tegna hitako mihitsy fa mijaly be ny vahoakako aigny Ejipta ary efa regniko ny fitaraignanjareo, dia nidigna Izaho hagnafaka anjareo. Ka mandehana izao dieny izao! Izaho no magniraka anao ho aigny Ejipta”.
35 Io ilay Mosesy nolavinjareo ka notaraviny hoe: “Iza no nagnendry an’ialahy ho mpitondra sy ho mpitsara anay?” (Eks 2.14). Izy no nirahin’Andriamagnitra ho mpitondra sy mpagnavotra, niaraka tamin’ilay Anjely niboagna taminanjy tagnatin’ilay kakazo nirehitra. 36 Izy no nitondra anjareo nivoaka avy taigny Ejipta sady nagnano raha mahagaga sy marika famantarana takeo amin’ny Ranomasina Mena sy taigny ankodahoda nandritry ny efapolo taona. 37 Dia mbôla i Mosesy koa no nitarea tamin’ny Zanak’Israely hoe: “Hanangana mpagnazary iraika ho anareo Andriamagnitra, izy dia sahala aminahy ary avy amin’ny rahalahinareo!” (Deo 18.15). 38 Izy ilay takao agnatin’ny ôlona taigny ankodahoda niaraka tamin’ireo razantsika sy tamin’ilay Anjely izay nitarea taminanjy takeo antampontanety Sinay. Nandray hafatra velona avy amin’Andriamagnitra izy mbô amena antsika. 39 Nefa ny razantsika tsy nagneky ny raha notaravin’i Mosesy. Tsy nahoanjareo izy fa ny hiverigna ho aigny Ejipta foagna no tan-dôhanjareo. 40 Dia hozy zareo tamin’i Arona: “Hagnamboaro andriamagnitra izahay hitarika anay andeha alôhanay, izahay tsy mahay ny raha nitranga tamin’igny Mosesy igny izay namoaka anay niala taigny Ejipta” (Eks 32.1). 41 Tamin’izany fotoana izany dia nanefy ombilahy kely zareo, ary nagnano fagnatitra tamin’io sampy io, ka nagnano tsaboraha tamin’ny asan’ny tagnanjareo. 42 Tsy nahoan’Andriamagnitra zareo, ary navelany hanompo sampy ka hivavaka amin’ny kintana aigny an-dagnitra, araka izay voasoratra akao amin’ny bokin’ny mpagnazary hoe:
“Ô ianareo taranak’Israely! Mbô ary nagnatitra sorona sy fagnatitra ho Anahy
nandritry ny efapolo taona taigny ankodahoda avy ma ianareo?
43 Nolanjainareo ny tranolain-tsampin’i Moloka sy ny kintan’i Refana andriamagnitrareo,
dia ireo sampy namboarin’ny tagnanareo mbô hivavahana.
Araka izany, dia alefako ho babo aigny ampitan’i Babilona ianareo” (Amo 5. 25-27).
44 Ny razantsika taigny ankodahoda dia nanagna Tabernakelin’ny Vavolombelona. Namboarina araka ny modely notaravin’Andriamagnitra tamin’i Mosesy izany. 45 Tafaran’izany, rehefa nitondra ny razantsika niady hanohitra ny firenena izay noroasin’Andriamagnitra hiala tagnoloanan’ny razantsika i Josoa dia nindesiny tamin’ny tany vaovao izay azony ilay Tabernakely. Taigny foagnany ilay tranolay mandra-pahatongan’ny andro nanjakan’i Davida. 46 Nankasitrahan’Andriamagnitra i Davida ary nangataka izy mbô avela hagnamboatra tragno hipetrahan’Andriamagnitr’i Jakoba. 47 Kanefa i Solomona no nagnamboatra an’ilay tragno.
48 Ilay Farany Agnambo mbôka tsy mipetraka amin’ny raha vita tagnana, araka ny raha notaravin’ny mpagnazary hoe:
49 “Hozy NY TÔMPO: Ny lagnitra no sezafiandrianako
ary ny tany no fipetrahan’ny tongotro.
Ka tragno manakôry no amboarinareo ho Anahy?
Ary aiza ny toerana hipetrapetrahako?
50 Ny tagnako anie no nagnano an’izao raha dahôlo izao” (Isa 66.1-2).
51 Ô ianareo ôlona mafy lôha, tsy magneky ny raha taravin’Andriamagnitra sady magnano be maregnina! Tsisy raha ataonareo afa tsy ny manohitra ny Fagnahy Masina, sahala amin’ny raha nataon’ny razanareo no ataonareo koa. 52 Mbô nisy mpagnazary tsy nenjehin’ny razagnareo ma? Novonoinjareo dahôlo izay naminagny ny fiavian’Ilay Marina: Ary amin’izao dia nanjary mpamadika sy mpamono ananjy ianareo. 53 Ianareo no ôlona nandray ny Lalàn’Andriamagnitra nampitain’ny anjely, kanefa tsy notandremanareo avy izany!
Ny nahafatesan’i Stefana
54 Rehefa naharegny an’izany fiampangana izany ny mpikambana akao amin’ny Sinedriona, dia nagnavy asira sady nihidy vazana. 55 Nefa feno Fagnahy Masina i Stefana; nandinika ny lagnitra izy ary nahita ny voninahitr’Andriamagnitra sy i Jesoa nitsangana takeo ankavanan’Andriamagnitra. 56 Dia hozy: Zahavo fa hitako misokatra ny lagnitra, ary ny Zanak’Ôlona mitsangana akeo ankavanan’Andriamagnitra. 57 Dia nisalahoaka zareo sady vao mainka nanampin-tsofigna. Ary niara-nirodogna taminanjy dahôlo zareo, 58 ka notaritarika ananjy hivoaka ny tanàna sy nitora-bato ananjy. Ary ny vavolombelona dia nametraka ny lambany tan-tongotr’ilay gaogna antsovina hoe Saoly. 59 Rehefa nitorabato ananjy ny ôlona, dia nivavaka i Stefana nagnano hoe: Ô Jesoa Tômpo! Raiso ny fagnahiko! 60 Dia niandongalitra nivavaka izy ka nilelalela mafy hoe: Ô Tômpo! Aza atao ho fadisoanjareo izao fahotanjareo izao! Rehefa avy niteny an’izany izy, dia natory ka maty.