Ny nifidianana ireo fito lahy hanampy ny Apostoly
6
Tamin’izany fotoana izany, rehefa nihabetsaka ny mpianatra, dia nisy tamin’ireo mpianatra miteny grika nimenomenona tamin’ireo teratany Hebreo satria tsy mbô nisy nagnahoa ireo vehivavy maty vady taminjareo tamin’ny fizarana fagnampiana isan’andro. 2 Dia navorinjareo Roambefolo lahy ny mpianatra dahôlo ka hozy zareo: Tsy manjary aminay raha tsy hagnahoa ny tenin’Andriamagnitra ka hiandraikitra ny fagnampiana an’ireo vehivavy maty vady ireo. 3 Araka izany, raôlona, mangalà fito lahy avy aminareo, izay hitanareo fa tsara laza, sady feno ny Fagnahy no hendry. Hotendrenay zareo mbô hiandraikitra an’izany raha izany. 4 Fa izahay kosa hitôzo amin’ny fivavahana sy ny fampianarana ny tenin’Andriamagnitra. 5 Nanjary tamin’ireo mpianatra ireo izany hevitry ny Apostoly izany. Nalainjareo i Stefana, izay lehilahy feno finoana sy ny Fagnahy Masina, sy i Filipo, i Prokoro, i Nikanora, i Timona, i Parmena ary i Nikoleo avy aigny Antiokia izay nagnaraka ny fivavahana jiosy ka niova fo. 6 Dia natolotra ny Apostoly zareo fito lahy ka nivavahanjareo sy nametrahanjareo tagnana.
7 Dia nihaniparitaka ny tenin’Andriamagnitra ka nihabetsaka ny mpianatra ta-Jerosalema. Betsaka koa ny mpisorogna nagneky ny finoana.
Ny nisamborana an’i Stefana
8 Ary i Stefana dia feno ny fahasoavan’Andriamagnitra sy ny heriny. Nagnano raha mahagaga sy marika hamantarana matomboka be takeo amin’ny vahoaka izy. 9 Fa nisy Jiosy nitsangana ka nifamatra tamin’i Stefana. Zareo ireo dia mpikambana avy amin’ny sinagoga izay antsovina hoe sinagogan’ny ôlona afaka niaraka tamin’ny Jiosy avy aigny Kirena, sy Aleksandria, sy Kilikia ary Azia. 10 Kanefa tsisy nahadinaka ny fahendrena sy ny Fagnahy izay nampiteny an’i Stefana taminjareo. 11 Dia nisy ôlona nokaramainjareo hiteny hoe: Regninay mihitsy i Stefana niteny raha ratsy manohitra an’i Mosesy sy Andriamagnitra. 12 Dia nasalahoakanjareo ny ôlona sy ny lohôlona ary ny mpampiana-dalàna. Nosamborinjareo i Stefana ka nindesinjareo ho akeo amin’ny Sinedriona. 13 Dia nitondra vavolombelona mandainga zareo izay nagnambara hoe: Io iraika lahy io tsy mijanona magnaratsy an’ity toerana masina ity sy ny Lalàn’i Mosesy. 14 Efa regninay izy niteny fa izany Jesoa avy aigny Nazareta izany dia handrava an’ity Tempoly ity sy hagnova ny fomba amam-panao nampianarin’i Mosesy antsika. 15 Rehefa nandinika an’i Stefana ny ôlona dahôlo nipetraka takeo amin’ny Sinedriona dia nahita ny tarehiny sahala amin’ny tarehin’anjely.