Ananiasy sy Safira
5
Nisy iraika lahy antsovina hoe Ananiasy niray lôha tamin’i Safira vadiny nivarotra ny taniny. 2 Nifagnaraka tamin’ny vadiny i Ananiasy fa hobangana ny vola vidina tany. Ary natolony ny Apostoly ny ambiny sahala amin’ny vola mbôla tsy banga. 3 Kanefa nagnadina ananjy i Petera hoe: Ô Ananiasy! Nagnino ma i Satana no navelanao hibaiko anao? Nandainga tamin’ny Fagnahy Masina ianao ary nobanganao ny vidina tany. 4 Tsy anao ma ny tany talôhan’ny namarotanao ananjy? Ka tsy afaka hagnanaovanao ny sitraponao ma ny vidiny rehefa lafonao? Nagnino loatra ma ianao dia nagnano raha sahala amin’izany? Tsy izahay avy no nandainganao fa Andriamagnitra e! 5 Rehefa naharegny an’izany teny izany Ananiasy, dia niankarapoka tamin’ny tany ka niala aigna. Ary tegna nangôrohôro dahôlo ny ôlona naharegny an’izany. 6 Dia nisy gaon-dahy nitsangana namogno ny razagna ary nindesinjareo nivoaka ny faty ka nalevigna.
7 Adiny telo tafara’igny, dia tonga indray ny vadiny, tsy nahafantatra izay raha nitranga takeo. 8 Dia nagnadina ananjy Petera: Taravo aminahy edy ma: Io marina ma ny vola vidin’ny taninareo? Dia hozy: Ieny, io mihitsy no vidiny. 9 Ary hozy Petera taminanjy: Magnino ianareo nindroay no miray lôha hitsapa ny Fagnahin’ny Tômpo? Taraviko aminao tsara fa ny tongotr’ireo gaon-dahy avy nandevina ny vadinao dia efa am-baravaragna, ary hitondra anao hivoaka koa zareo. 10 Tonga dia niankarapoka takeo agnoloagnan’ny tongony koa izy, ka niala aigna. Rehefa niditra ireo gaon-dahy, ary nahita ananjy maty, dia nindesinjareo nivoaka ny faty ka nalevigny takaikin’ny vadiny. 11 Dia tegna nangôrohôro ny fiangonana sy ny ôlona dahôlo naharegny an’izany.
Nagnano raha mahagaga ny Apostoly
12 Betsaka ny marika famantarana sy raha mahagaga nataon’ny Apostoly tamason’ny vahoaka. Ary ny mpino dahôlo dia nivory sady nifagnara-tsaigna takeo amin’ny Fialokalofan’i Solomona. 13 Tsisy ôlona hafa nahasahy nitambatra taminjareo kanefa najain’ny vahoaka zareo. 14 Vao mainka nihabetsaka ny lehilahy sy vehivahy nino ny Tômpo ka nagnampy isa anjareo. 15 Araka izany dia nindesin’ny ôlona tamoron-dàlana tambony fandriana sy tsihy ny marary mbô ho takatry ny alok’i Petera rehefa nandalo izy. 16 Ary ny ôlona maro avy tamin’ny tanàna magnodidina an’i Jerosalema dia tonga nitondra ny marary sy izay nigodagnin’ny fagnahy maloto; dia sitragna dahôlo zareo.
Ny nisamboarana an’ireo Apostoly
17 Araka izany dia tsy faly ny Mpisorognabe sy ny namany izay mpikambana amin’ny antokon’ny Sadoseo nahita ny raha nataon’ny Apostoly ka nanapa-kevitra zareo 18 dia nosamborina ny Apostoly ary nogadraina. 19 Kanefa tamin’ny alina, dia nisy anjelin’ny Tômpo nanokatra ny varavaragn’ny figadrana, dia nitondra anjareo nivoaka ka nitarea hoe: 20 Mandehana malaky aigny amin’ny Tempoly, mitsangàna ka torio amin’ny ôlona ity tenin’ny fiaignana ity. 21 Rehefa kiaka ny andro dia nandeha taigny amin’ny Tempoly zareo ka nampianatra.
Rehefa tonga takao koa ny Mpisorognabe sy ny mpiara-miasa aminanjy dia nampivory ny Sinedriona sy ny lohôlona dahôlo tamin’ny Zanak’Israely ka nagniraka ôlona hialaka ny Apostoly taigny am-pigadrana. 22 Rehefa tonga taigny ny mpiambina dia tsy hitany takao ny Apostoly ary niverigna taigny amin’ny Tempoly zareo ka nagnano tatitra hoe: 23 Hitanay mihidy tsara ny tragno figadrana, ary mitsangana akeo am-baravaragna ny mpiambina kanefa rehefa nosokafanay ny varavaragna dia tsy nahita ôlona takao izahay! 24 Rehefa naharegny an’izany ny sefon’ny mpiambina ny Tempoly sy ny sefon’ny mpisorogna dia niasa lôha ny amin’izay ho vokatr’izany. 25 Dia nisy ôlona iraika indray avy avy taigny ka nitarea taminjareo hoe: Zahavo fa iregny lehilahy nogadrainareo iregny anie ka mitsangana mampianatra ôlona akao an-tempoly e! 26 Dia lasa ny sefon’ny mpiambina sy ny miaramila nandeha nialaka ny Apostoly kanefa tsy nahasahy nirafarafa zareo satria natahotra sandray hotorahan’ôlona vato.
27 Dia nindesinjareo tagnatrehan’ny Sinedriona ny Apostoly, ka nagnontanian’ny Mpisorognabe hoe: 28 Izahay efa namepetra mafy anareo tsy hampianatra amin’izany agnarana izany! Kanefa ianareo mbôla nagnapariaka an’izany fampianaranareo izany foagnany erak’i Jerosalema. Ary izahay no taravinareo fa tompon’antoka amin’ny fahafatesan’izany Lehilahy izany!
29 Dia namaly i Petera sy ny Apostoly hoe: Izahay tsy maintsy mankatô an’Andriamagnitra mandombolombo ny tenin’ôlombelona. 30 Efa natsangan’Andriamagnitry ny razantsika tamin’ny maty i Jesoa, Ilay novonoanareo sy nofantsihanareo tamin’ny kakazo. 31 Izy dia nasondrotr’Andriamagnitra amin’ny toeram-pahefana aigny an-dagnitra ho Tômpo sy Mpamonjy, mbô hagnome fiovana toe-tsaigna sy fialana amin’ny toetra ratsy ary famelan-keloka ho an’ny Isiraely. 32 Vavolombelon’izany raha izany izahay mbaraky ny Fagnahy Masina, Izay efa namen’Andriamagnitra an’ôlona mankatô Ananjy.
33 Rehefa naharegny an’izany zareo dia nagnavy asira ka tapakevitra hamono ny Apostoly. 34 Kanefa nisy Fariseo iraika antsovina hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna izay fanta-daza tamin’ny ôlona dahôlo, nitsangana takeo amin’ny Sinedriona. Nagname baiko izy mbô havoaka vetiketika malôha ny Apostoly. 35 Dia hozy tamin’ny namany: Ô ianareo taranak’Israely! Tandremo tsara ny raha hataonareo amin’ireo ôlona ireo. 36 Talohan’izao mbôka dia nisy an’i Teodasy, nihevi-tegna ho mahavita raha ary tokotokony ho efajato akeo ny isan’ny lehilahy nagnaraka ananjy. Novonoina izy dia niparitaka dahôlo ny ôlona nagnaraka ananjy ka tsisy tavela. 37 Tafaran’izany indray, tamin’ny andron’ny fagnisam-bahoaka dia nisy an’i Jodasy avy a-Galilia nitarika ny ôlona hagnaraka ananjy. Novonoina koa izy ka niparitaka dahôlo ny ôlona izay nanohagna ananjy. 38 Ka hozy izaho aminareo: Mandefera ka avotsoro ireo ôlona ireo. Raha hevitr’ôlona na asa’ôlona mbôka izao raha izao dia ho rava ho azy; 39 fa raha avy amin’Andriamagnitra kosa dia tsy ho voaravanareo. Tandremo sandray midi-kizo ho mpiady amin’Andriamagnitra ianareo! 40 Dia nekesinjareo ny teniny ary nantsovinjareo ny Apostoly ka nikaravasinjareo sady nofeperanjareo tsy hiteny amin’ny agnaran’i Jesoa intsony, zay vao nalefany nandeha.
41 Dia niala takeo amin’ny Sinedriona ireo Apostoly reo, sady diboka hafaliana satria nataon’Andriamagnitra mendrika ny ho afa-baraka ho voninahitr’izany Agnarana izany. 42 Isan-andro isan-andro dia tsy nijanona nampianatra sy nitory an’i Jesoa ho Kristy takeo amin’ny Tempoly sy tan-dragno zareo.