Petera sy Jaona tagnatrehan’ny Sinedriona
4
Raha mbôla nikoragna tamin’ny vahoaka i Petera sy Jaona, dia tonga taminjareo takeo ny mpisorogna sy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly ary ny Sadoseo. 2 Nagnignigna zareo satria ny Apostoly dia nampianatra sy nitory tamin’ny vahoaka fa misy ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny alalan’i Jesoa. 3 Dia nosamborinjareo Petera sy Jaona ka nataony tagnaty trano figadrana nahakekandro, fa efa nanomboka maizin-joro ny andro. 4 Nefa betsaka tamin’ireo ôlona naharegny ny teny no nino, ka nitombo hatraigny amin’ny dimy arivo ny isan’ny ôlona mpino.
5 Kiakan’igny, dia nivory ny mpitondra sy ny lohôlona ary ny mpampiana-dalànaa ta-Jerosalema, 6 niaraka tamin’i Anasy mpisorognabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro hatramin’ireo ôlona dahôlo havan’ny mpisorognabe. 7 Dia nasainjareo nitsangana tagnoloananjareo takeo zareo roa lahy, dia nisy iraika tamin’ireo mpitondra namotopototra hoe: Fahefana avy aiza, na amin’ny agnaran’iza, no nagnanaovanareo an’izany raha izany?
8 Ary Petera, feno ny Fagnahy Masina, dia namaly anjareo hoe: Ô ianareo mpitondra ny vahoaka sy lohôlona! 9 Nigniany ity dia nofotopotorana izahay mikasika ny asa soa natao tamin’ny fagnasitranana an’ilay lehilahy malemy. 10 Tiako ho fantatrareo sy ny Israely dahôlo fa tamin’ny agnaran’i Jesoa Kristy avy aigny Nazareta izay nofantsihanareo tamin’ny kakazo fijaliana igny, kanefa natsangan’Andriamagnitra tamin’ny maty. Izy no nampitsangana an’io lehilahy hitanareo maso io. 11 Io Jesoa io dia Ilay taravin’ny Soratra Masina hoe:
“Ilay vato izay tsy nahoan’ny mpandrafitra,
no nanjary vato fototra” (Sal 118. 22).
12 Izy irerika foagna no hahazoana famonjena, fa tsisy agnarana hafa namen’Andriamagnitra ny ôlona dahôlo aketo ambonin’ny tany, afa tsy ny Agnarany mbô hahazoantsika famonjena.
13 Dia gaga zareo rehefa nahita ny fahasahisahian’i Petera miteny sy i Jaona takaikiny takeo, dia fantanjareo tsara fa ôlona tsy nahita fianarana sady ôlona tsisy varany izy roa lahy ireo. Ary fantanjareo tsara koa fa ôlona efa niaraka tamin’i Jesoa zareo ireo. 14 Dia tsy hitanjareo izay havaly rehefa nahita an’ilay iraika lahy efa sitrana nitsangana takaikinjareo takeo. 15 Dia nobaikonjareo hivoaka ny Sinedriona zareo roalahy ary avy takeo zareo dia nikaon-doha. 16 Hozy zareo: Hataontsika akôry ma ireo lehilahy ireo? Fa ny ôlona dahôlo mipetraka a-Jerosalema dia efa mahafantatra ka tsy azontsika lavina fa tegna nagnano raha mahagaga tokoatra zareo. 17 Fa mbô hialana amin’ny fiparitahan’izany raha izany amin’ny vahôka, dia alay ampitandremantsika zareo mbô tsy hitarea an’izany agnarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.
18 Dia nantsovinjareo zareo roa lahy ka nobaikonjareo tsy hitarea na hampianatra amin’ny agnaran’i Jesoa intsony. 19 Fa Petera sy Jaona kosa namaly nagnano hoe: Raha ianareo no mitsara, marina akeo amason’Andriamagnitra ma ny magneky anareo mandombolombon’ny magneky an’Andriamagnitra? 20 Fa izahay tsy maintsy mitarea an’izay raha efa hitanay sy regninay. 21 Rehefa avy norahognany indray zareo, dia nalefany; fa tsy hitany izay antony hagnasaziana anjareo satria ny vahôka dahôlo nankalaza an’Andriamagnitra tamin’ny raha dahôlo efa hitany. 22 Fa efa maherin’ny efapolo taona mbôka ilay lehilahy nagnanaovana an’izany raha mahagaga izany.
Ny vavaka nataon’ny fiangonana voaenjika
23 Ary rehefa navotsotra zareo roa lahy, dia niverigna taigny amin’ireo namanjareo mpino ka nitantara an’izay raha dahôlo notaravin’ny lôhandôhan’ny mpisorogna sy ny lohôlona taminjareo. 24 Rehefa naharegny an’izany zareo ireo, dia niray lôha ary nivavaka tamin’Andriamagnitra hoe: Ô Tômpo, Ianao no nagnano ny lagnitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ireo raha dahôlo akao agnatiny, 25 ary Ianao dia mitarea amin’ny alalan’ny Fagnahy Masina tamin’ny vavan’i Davida razagnay sady mpanomponao nagnano hoe:
“Magnino ma no mitabataba ny jentilisa,
ary miray lôha hanohitra ny firenena?
26 Niomagna hiady ny mpanjakan’ny tany,
ary niray lôha ny sefony mbô hanohitra NY TÔMPO sy ny Mesiany” (Sal 2. 1. 2).
27 Tegna marina tokoatrany fa niray lôha taketo amin’ity tanàna ity mbô hanohitra ny Gaognanao Masina, dia Jesoa Ilay namenao hosotra, ery Heroda sy Pontio Pilato mbaraky ny Jentilisa sy ny ôlona Israely 28 mbô hagnano an’izay raha efa notendren’ny fahefanao sy izay voatapakao mialoha araka ny sitraponao. 29 Fa amin’izao, Ô Tômpo! Tandrigneso ny fandrahognanjareo; ary ameo anay gaognanao ny fahasahiana be mbô hitory ny teninao. 30 Ahinjiro ny tàgnanao hagnasitragna sy agnano marika hamantarana ary raha mahagaga amin’ny agnaran’i Jesoa, Gaognanao Masina.
31 Rehefa vita ny vavaka nataonjareo, dia nihozongozogna ny toerana nivorianjareo; ary feno ny Fagnahy Masina zareo dahôlo ka nitory ny tenin’Andriamagnitra tamin’ny fahasahiana.
Nifampizarana ny fanagnan’ny mpino
32 Dia niray lôha sy nifagnara-tsaigna ny ôlona dahôlo izay nino; ary tsisy ôlona na dia iraika aza nilaza ny fanagnany fa ananjy samby irerika, fa nitambaranjareo ny raha dahôlo nanagnanjareo. 33 Tamin’ny hery be no nagnambaran’ny Apostoly fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Tômpo; ary nandrotsahan’Andriamagnitra fitahiana betsaka be zareo. 34 Tsisy ôlona sahirana taminjareo; fa izay nanagna tany na trano dia nivarotra an’izany ary nanolotra ny vidiny 35 tamin’ny Apostoly. Zareo ireo no nizara ny vola araka izay nilain’ny ôlona tsiraikaraika.
36 Nisy levita iraika avy aigny Kiprosy, Josefa ny agnarany, nantsovin’ny Apostoly hoe Barnabasy koa, izay midika hoe, zanaky ny fankaherezana. 37 Izy dia nivarotra ny taniny, ary nindesiny ny vola vidiny ka natolony ny Apostoly.